Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: 雌牛章   節:
ٱلَّذِينَ يَأۡكُلُونَ ٱلرِّبَوٰاْ لَا يَقُومُونَ إِلَّا كَمَا يَقُومُ ٱلَّذِي يَتَخَبَّطُهُ ٱلشَّيۡطَٰنُ مِنَ ٱلۡمَسِّۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَالُوٓاْ إِنَّمَا ٱلۡبَيۡعُ مِثۡلُ ٱلرِّبَوٰاْۗ وَأَحَلَّ ٱللَّهُ ٱلۡبَيۡعَ وَحَرَّمَ ٱلرِّبَوٰاْۚ فَمَن جَآءَهُۥ مَوۡعِظَةٞ مِّن رَّبِّهِۦ فَٱنتَهَىٰ فَلَهُۥ مَا سَلَفَ وَأَمۡرُهُۥٓ إِلَى ٱللَّهِۖ وَمَنۡ عَادَ فَأُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny hitsanganan’ny olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana. Izany dia noho ny filazan’izy ireny hoe: “Tsy inona akory ny varotra fa sahala amin’ny fanjanaham-bola ihany”. Fa nataon’Allah ho ara-dalàna ny varotra, ary nataony ho voarara kosa ny fanjanaham-bola. Ka izay nahazo anatra avy amin’ny Tompony, dia nitsahatra tamin’izany, fa azy avokoa izay voahangony teo aloha; ary any amin’Allah ny momba azy. Fa izay mbola mifikitra amin’izany kosa, dia ireo indrindra no olon’ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.
アラビア語 クルアーン注釈:
يَمۡحَقُ ٱللَّهُ ٱلرِّبَوٰاْ وَيُرۡبِي ٱلصَّدَقَٰتِۗ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ كُلَّ كَفَّارٍ أَثِيمٍ
Hopotehin’i Allah ny tombontsoan’ny Ribà (fanjanaham-bola), ary hampitomboiny kosa ny tombontsoan’ny fanomezana. Ary i Allah dia tsy tia ireo tsy mpino, mpanota rehetra.
アラビア語 クルアーン注釈:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتَوُاْ ٱلزَّكَوٰةَ لَهُمۡ أَجۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ وَلَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Tena marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, nanatanteraka ny Soalat (vavaka), ary namoaka ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَذَرُواْ مَا بَقِيَ مِنَ ٱلرِّبَوٰٓاْ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo; ary avelao izay sisa tavela tamin’ny Ribà (zana-bola) raha mpino Ianareo.
アラビア語 クルアーン注釈:
فَإِن لَّمۡ تَفۡعَلُواْ فَأۡذَنُواْ بِحَرۡبٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۖ وَإِن تُبۡتُمۡ فَلَكُمۡ رُءُوسُ أَمۡوَٰلِكُمۡ لَا تَظۡلِمُونَ وَلَا تُظۡلَمُونَ
Ary raha tsy manao izany Ianareo, dia raisonareo ny fanambarana ady avy amin’i Allah sy ny Irany. Fa raha mibebaka kosa Ianareo, dia ho Anareo ny renim-bolanareo. Tsy hanambaka ny hafa Ianareo, ary tsy ho ambakaina.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَإِن كَانَ ذُو عُسۡرَةٖ فَنَظِرَةٌ إِلَىٰ مَيۡسَرَةٖۚ وَأَن تَصَدَّقُواْ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ary raha tena tra-pahasahiranana izay Anananareo trosa, dia andraso mandra-pahitany fahamorana, fa ny fanaovanareo fanomezana kosa dia tsara ho Anareo raha fantatrareo izany.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَٱتَّقُواْ يَوۡمٗا تُرۡجَعُونَ فِيهِ إِلَى ٱللَّهِۖ ثُمَّ تُوَفَّىٰ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Ary matahora ilay andro izay hiverenanareo any amin’Allah. Ary dia samy homena ny valin’asany avokoa ny tsirairay avy. Ka tsy ho voambaka velively izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: 雌牛章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる