Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: 預言者たち章   節:

Al-ambiyaa

ٱقۡتَرَبَ لِلنَّاسِ حِسَابُهُمۡ وَهُمۡ فِي غَفۡلَةٖ مُّعۡرِضُونَ
Manakaiky ny olombelona ny fitsarana azy kanefa izy ireo dia mitodi-damosina ao anatin’ny fanadinoana.
アラビア語 クルアーン注釈:
مَا يَأۡتِيهِم مِّن ذِكۡرٖ مِّن رَّبِّهِم مُّحۡدَثٍ إِلَّا ٱسۡتَمَعُوهُ وَهُمۡ يَلۡعَبُونَ
Tsy misy fampahatsiahivana vao haingana tonga tamin’izy ireo avy tamin’ny Tompony, afa-tsy nohenoin’izy ireo tamim-pivazivaziana izany.
アラビア語 クルアーン注釈:
لَاهِيَةٗ قُلُوبُهُمۡۗ وَأَسَرُّواْ ٱلنَّجۡوَى ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ هَلۡ هَٰذَآ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡۖ أَفَتَأۡتُونَ ٱلسِّحۡرَ وَأَنتُمۡ تُبۡصِرُونَ
Varimbariana ny fon’izy ireo ; ary ireo izay manao ny tsy rariny dia manao konokonon-dresaka hoe : “Moa tsy olombelona tahaka anareo ihany ve izy ? Ka hanaraka ny majika ve ianareo kanefa ianareo mahita tsara izany ?”
アラビア語 クルアーン注釈:
قَالَ رَبِّي يَعۡلَمُ ٱلۡقَوۡلَ فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Niteny izy (Mohammad) hoe : “Ny Tompoko dia mahafantatra ny teny rehetra izay lazaina any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra”.
アラビア語 クルアーン注釈:
بَلۡ قَالُوٓاْ أَضۡغَٰثُ أَحۡلَٰمِۭ بَلِ ٱفۡتَرَىٰهُ بَلۡ هُوَ شَاعِرٞ فَلۡيَأۡتِنَا بِـَٔايَةٖ كَمَآ أُرۡسِلَ ٱلۡأَوَّلُونَ
Ary mbola niteny izy ireo hoe: “Izany ka nofinofy, mety koa noforonony izany, na koa tena poeta izy! Ka aoka izy hitondra famantarana aminay toy ny nentin'ireo (iraka) teo aloha.
アラビア語 クルアーン注釈:
مَآ ءَامَنَتۡ قَبۡلَهُم مِّن قَرۡيَةٍ أَهۡلَكۡنَٰهَآۖ أَفَهُمۡ يُؤۡمِنُونَ
Nisy tamin’ny tanàna talohan’izy ireo no tsy nino (tamin’ny fahitana ireo fahagagana) dia naringanay izy ireo ka moa ve mba nino izy ireo?
アラビア語 クルアーン注釈:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا قَبۡلَكَ إِلَّا رِجَالٗا نُّوحِيٓ إِلَيۡهِمۡۖ فَسۡـَٔلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلذِّكۡرِ إِن كُنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Tsy nandefa iraka talohanao Izahay (ry Mohammady) afa tsy olombelona izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio àry ireo olona lalim-pahalalana raha toa ka tsy mahafantatra ianareo.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَمَا جَعَلۡنَٰهُمۡ جَسَدٗا لَّا يَأۡكُلُونَ ٱلطَّعَامَ وَمَا كَانُواْ خَٰلِدِينَ
Tsy nataonay vatana tsy mihinan-kanina izy ireo, ary tsy natao hiaina mandrakizay ihany koa.
アラビア語 クルアーン注釈:
ثُمَّ صَدَقۡنَٰهُمُ ٱلۡوَعۡدَ فَأَنجَيۡنَٰهُمۡ وَمَن نَّشَآءُ وَأَهۡلَكۡنَا ٱلۡمُسۡرِفِينَ
Avy eo dia notanterahinay tamin’izy ireo ny fampanantenana, ka navotanay izy ireo sy izay sitrakay ary naringanay ireo mpihoam-pefy.
アラビア語 クルアーン注釈:
لَقَدۡ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ كِتَٰبٗا فِيهِ ذِكۡرُكُمۡۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Efa nampidininay aminareo tokoa ilay Boky mirakitra ny fampahatsiarovana, moa ve tsy mba misaina ianareo?
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: 預言者たち章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる