Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: イムラーン家章   節:
فَٱسۡتَجَابَ لَهُمۡ رَبُّهُمۡ أَنِّي لَآ أُضِيعُ عَمَلَ عَٰمِلٖ مِّنكُم مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰۖ بَعۡضُكُم مِّنۢ بَعۡضٖۖ فَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ وَأُخۡرِجُواْ مِن دِيَٰرِهِمۡ وَأُوذُواْ فِي سَبِيلِي وَقَٰتَلُواْ وَقُتِلُواْ لَأُكَفِّرَنَّ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡ وَلَأُدۡخِلَنَّهُمۡ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ ثَوَابٗا مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۚ وَٱللَّهُ عِندَهُۥ حُسۡنُ ٱلثَّوَابِ
Ka namaly ny hatak’izy ireo ny Tompony, ary nanao hoe : “ Tena marina fa tsy hanary ny asa nataon’ny tsirairay Taminareo Aho, na lahy na vavy, avy amin’ny andaniny sy avy amin’ny ankilany Aminareo. Ka ireo izay nifindra monina sy noroahana tamin’ny toeram-ponenany, sy nampijaliana tamin’ny làlako, ary ireo niady sy novonoina, dia tena ho fafàko amin’izy ireo ny asa ratsy vitan'izy ireo, ary hampidiriko tokoa ao amin’ireo zaridaina (Paradisa) izy ireo, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, valisoa avy amin’i Allah, ary i Allah no manana ny mendrika indrindra amin’ny valisoa.
アラビア語 クルアーン注釈:
لَا يَغُرَّنَّكَ تَقَلُّبُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ
Aoka tsy hamitaka Anao ny fihetsik’ireo izay tsy nino ao amin’ny tanàna.
アラビア語 クルアーン注釈:
مَتَٰعٞ قَلِيلٞ ثُمَّ مَأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ
Fahafinaretana kely fotsiny ! Avy eo any amin’ny Afobe no fialofan’izy ireo. Ary ratsy dia ratsy tokoa izany fandriana izany !
アラビア語 クルアーン注釈:
لَٰكِنِ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ رَبَّهُمۡ لَهُمۡ جَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا نُزُلٗا مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۗ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ خَيۡرٞ لِّلۡأَبۡرَارِ
Ka nefa ireo izay matahotra ny Tompon'izy ireo kosa, dia ho azy ireo ny zaridaina (Paradisa) maro, izay misy renirano maro mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, toeram-pitobiana avy amin’i Allah. Ary izay misy any amin’i Allah dia mendrika ho an’ireo mpanao asa soa.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَإِنَّ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ لَمَن يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُمۡ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡهِمۡ خَٰشِعِينَ لِلَّهِ لَا يَشۡتَرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ ثَمَنٗا قَلِيلًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ أَجۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Ary tena misy amin’ireo Olon’ny Boky mino tokoa an’i Allah sy izay nampidinina Taminareo, ary izay nampidininy tamin’izy ireo. Feno fanetre-tena amin’i Allah izy ireo, ary tsy nivarotra mihitsy ireo fanambaran’i Allah amin’ny vidiny ambany dia ambany izy ireo. Ho azy ireo ny valisoa avy amin’ny Tompony.Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa.
アラビア語 クルアーン注釈:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱصۡبِرُواْ وَصَابِرُواْ وَرَابِطُواْ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
Ô Ianareo izay nino ! Miareta Ianareo sy mahereza, ary hamafiso ny fiambenanareo (vahoaka), ary matahorà an’i Allah Ianareo, fa hahazo fahombiazana tokoa Ianareo.
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: イムラーン家章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる