Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: アッ=サジダ章   節:
وَلَنُذِيقَنَّهُم مِّنَ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَدۡنَىٰ دُونَ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَكۡبَرِ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Tena hampandramananay ny famaizana eto an-tany izy ireo, alohan’ny famaizana lehibe (any an-koatra), angamba hiverina izy ireo (amin’ny làla-mahitsy) !
アラビア語 クルアーン注釈:
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن ذُكِّرَ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِۦ ثُمَّ أَعۡرَضَ عَنۡهَآۚ إِنَّا مِنَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ مُنتَقِمُونَ
Ary iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra amin’izay nampahatsiahivana ny fanambaran'i Tompony, avy eo, dia mitodi-damosina amin’izany ? Tena marina fa Izahay dia hamaly ireo mpanao heloka be vava.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ فَلَا تَكُن فِي مِرۡيَةٖ مِّن لِّقَآئِهِۦۖ وَجَعَلۡنَٰهُ هُدٗى لِّبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
Ary tena efa nomenay an’i Mosa ny Boky, koa aoka ianao tsy hanana fisalasalana amin’ny fihaonana aminy (Mosa), ary nataonay ho mpitari-dàlana ireo zanak’Israely izy.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَجَعَلۡنَا مِنۡهُمۡ أَئِمَّةٗ يَهۡدُونَ بِأَمۡرِنَا لَمَّا صَبَرُواْۖ وَكَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يُوقِنُونَ
Ary nanendry mpitarika maro avy tamin’izy ireo Izahay, izay nitari-dàlana (ny vahoaka) araka ny didinay, noho izy ireo nanana faharetana sy tena nino ireo fanambaranay.
アラビア語 クルアーン注釈:
إِنَّ رَبَّكَ هُوَ يَفۡصِلُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Tena marina fa ny Tomponao, Izy no hanapaka amin’izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana, izay tsy nampitovy hevitra azy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
أَوَلَمۡ يَهۡدِ لَهُمۡ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَبۡلِهِم مِّنَ ٱلۡقُرُونِ يَمۡشُونَ فِي مَسَٰكِنِهِمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍۚ أَفَلَا يَسۡمَعُونَ
Moa ve tsy manoro làlana azy ireo izy, fa firifiry no naringanay talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka, tao amin’ireo trano izay diavin’izy ireo ? Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ! Moa ve tsy mihaino izy ireo ?
アラビア語 クルアーン注釈:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّا نَسُوقُ ٱلۡمَآءَ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ٱلۡجُرُزِ فَنُخۡرِجُ بِهِۦ زَرۡعٗا تَأۡكُلُ مِنۡهُ أَنۡعَٰمُهُمۡ وَأَنفُسُهُمۡۚ أَفَلَا يُبۡصِرُونَ
Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Izahay dia manosika ny rano mankany amin’ny tany karakaina, manarak’izany dia avoakanay (nampanirianay) ny voly mba ho hanin’ny biby fiompiny, sy izy ireo ihany koa. Moa tsy mba hitan’izy ireo va izany ?
アラビア語 クルアーン注釈:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡفَتۡحُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana izany fandresena izany, raha marina ny anareo ?”
アラビア語 クルアーン注釈:
قُلۡ يَوۡمَ ٱلۡفَتۡحِ لَا يَنفَعُ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِيمَٰنُهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ
Teneno hoe : “Amin’ny andro Fandresena, dia tsy misy fiantraikany amin’ireo tsy mpino intsony ny finoany ! Ary tsy misy fe-potoana omena azy ireo intsony.”
アラビア語 クルアーン注釈:
فَأَعۡرِضۡ عَنۡهُمۡ وَٱنتَظِرۡ إِنَّهُم مُّنتَظِرُونَ
Alavironao izy ireo, ka miandrasa, ary izy ireo koa dia eo am-piandrasana.
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: アッ=サジダ章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる