Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: 家畜章   節:
فَقُطِعَ دَابِرُ ٱلۡقَوۡمِ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْۚ وَٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ka notaperina ny sisa tavela tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny, ary dera ho an’i Allah Tompon’izao Tontolo izao.
アラビア語 クルアーン注釈:
قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ إِنۡ أَخَذَ ٱللَّهُ سَمۡعَكُمۡ وَأَبۡصَٰرَكُمۡ وَخَتَمَ عَلَىٰ قُلُوبِكُم مَّنۡ إِلَٰهٌ غَيۡرُ ٱللَّهِ يَأۡتِيكُم بِهِۗ ٱنظُرۡ كَيۡفَ نُصَرِّفُ ٱلۡأٓيَٰتِ ثُمَّ هُمۡ يَصۡدِفُونَ
Teneno hoe : “Ahoana ny fahitanao? Raha esorin'I Allah ny fandrenesanareo sy ny fahitanareo ary hidiny ny fonareo, iza no Tompo ankoatr’I Allah no hamerina izany aminareo ?” Jereo, ahoana no hanazavanay ireo famantarana, nefa mbola mivily lalana ihany izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
قُلۡ أَرَءَيۡتَكُمۡ إِنۡ أَتَىٰكُمۡ عَذَابُ ٱللَّهِ بَغۡتَةً أَوۡ جَهۡرَةً هَلۡ يُهۡلَكُ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Teneno hoe : “Ahoana ny fahitanareo raha tonga aminareo ny famaizan’I Allah na tampoka na ankarihary ? Iza moa no haringana raha tsy ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ihany
アラビア語 クルアーン注釈:
وَمَا نُرۡسِلُ ٱلۡمُرۡسَلِينَ إِلَّا مُبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَۖ فَمَنۡ ءَامَنَ وَأَصۡلَحَ فَلَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ
Ary tsy mandefa ireo Iraka maro Izahay raha tsy ho Mpilaza vaovao mahafaly sy ho Mpampitandrina, ka izay mino sy manarina ny tenany dia tsy hisy tahotra ary tsy halahelo koa izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يَمَسُّهُمُ ٱلۡعَذَابُ بِمَا كَانُواْ يَفۡسُقُونَ
Ary ireo izay milaza fa lainga ny fanambaranay dia hihatra amin’izy ireo ny famaizana nohon'ny fanaovan’izy ireo asa ratsy.
アラビア語 クルアーン注釈:
قُل لَّآ أَقُولُ لَكُمۡ عِندِي خَزَآئِنُ ٱللَّهِ وَلَآ أَعۡلَمُ ٱلۡغَيۡبَ وَلَآ أَقُولُ لَكُمۡ إِنِّي مَلَكٌۖ إِنۡ أَتَّبِعُ إِلَّا مَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّۚ قُلۡ هَلۡ يَسۡتَوِي ٱلۡأَعۡمَىٰ وَٱلۡبَصِيرُۚ أَفَلَا تَتَفَكَّرُونَ
Teneno hoe : “Izaho dia tsy miteny aminareo fa am-pelatanako ny harena sarobidin’I Allah, na koa mahalala ny zava-miafina aho ary tsy miteny aminareo koa fa Anjely aho, tsy manaraka afa-tsy ny fanambarana izay nalefa amiko aho”. Teneno hoe : “moa ve mitovy ny Jamba sy ny mahiratra ?. Tsy mba mandinika ve ianareo ?”.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَأَنذِرۡ بِهِ ٱلَّذِينَ يَخَافُونَ أَن يُحۡشَرُوٓاْ إِلَىٰ رَبِّهِمۡ لَيۡسَ لَهُم مِّن دُونِهِۦ وَلِيّٞ وَلَا شَفِيعٞ لَّعَلَّهُمۡ يَتَّقُونَ
Ary ampitandremo amin’ny alalan’izany ireo izay matahotra ny havory eo anatrehan’ny Tompony, fa tsy manana mpiahy na mpanelanelana ankoatrany izy ireo. Angamba hanana fatahorana izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَلَا تَطۡرُدِ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ رَبَّهُم بِٱلۡغَدَوٰةِ وَٱلۡعَشِيِّ يُرِيدُونَ وَجۡهَهُۥۖ مَا عَلَيۡكَ مِنۡ حِسَابِهِم مِّن شَيۡءٖ وَمَا مِنۡ حِسَابِكَ عَلَيۡهِم مِّن شَيۡءٖ فَتَطۡرُدَهُمۡ فَتَكُونَ مِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Aza mandroaka ireo izay mitalaho amin’ny Tompony maraina sy hariva, mitady ny tavany izy ireo. Tsy adidinao ny mitsara azy ireo ary tsy adidin’izy ireo koa ny mitsara anao. Koa raha mandroaka azy ireo ianao dia ho anisan’ireo mpanao ny tsy rariny.
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: 家畜章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる