Check out the new design

クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター * - 対訳の目次


対訳 章: 高壁章   節:
وَلَقَدۡ ذَرَأۡنَا لِجَهَنَّمَ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِۖ لَهُمۡ قُلُوبٞ لَّا يَفۡقَهُونَ بِهَا وَلَهُمۡ أَعۡيُنٞ لَّا يُبۡصِرُونَ بِهَا وَلَهُمۡ ءَاذَانٞ لَّا يَسۡمَعُونَ بِهَآۚ أُوْلَٰٓئِكَ كَٱلۡأَنۡعَٰمِ بَلۡ هُمۡ أَضَلُّۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡغَٰفِلُونَ
Efa natokanay ho any amin'ny Afobe betsaka amin'ireo jiny sy ny olombelona, satria manana fo izy ireo saingy tsy mahalala, manana maso nefa tsy mahita, ary manana sofina nefa tsy maheno. Izy ireo dia toy ireo biby, ary very mihoatra azy ireo aza. Izy ireny no tsy miraharaha.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَلِلَّهِ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰ فَٱدۡعُوهُ بِهَاۖ وَذَرُواْ ٱلَّذِينَ يُلۡحِدُونَ فِيٓ أَسۡمَٰٓئِهِۦۚ سَيُجۡزَوۡنَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary an’I Allah ireo anarana tsara indrindra. Ka antsoinareo amin’izany Izy, ary avelao ireo izay maniratsira ny anarany, hahazo ny valin’asa izay nataony izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَمِمَّنۡ خَلَقۡنَآ أُمَّةٞ يَهۡدُونَ بِٱلۡحَقِّ وَبِهِۦ يَعۡدِلُونَ
Ary nisy tamin’ireo izay noharianay no vahoaka izay mitarika araka ny fahamarinana, ka amin’izany no anaovany ny rariny.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا سَنَسۡتَدۡرِجُهُم مِّنۡ حَيۡثُ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary ireo izay milaza fa lainga ireo fanambarany, dia ho tarihinay miandalana mankany amin’ny lalana tsy fantany izy ireo.
アラビア語 クルアーン注釈:
وَأُمۡلِي لَهُمۡۚ إِنَّ كَيۡدِي مَتِينٌ
Ka omeko fe-potoana izy ireo , fa azo antoka tokoa ny tetiko !
アラビア語 クルアーン注釈:
أَوَلَمۡ يَتَفَكَّرُواْۗ مَا بِصَاحِبِهِم مِّن جِنَّةٍۚ إِنۡ هُوَ إِلَّا نَذِيرٞ مُّبِينٌ
Moa ve tsy nandinika izy ireo ? Tsy misy adalana akory amin’ny naman’izy ireo , tsy inona akory Izy afa-tsy Mpampitandrina miharihary ihany.
アラビア語 クルアーン注釈:
أَوَلَمۡ يَنظُرُواْ فِي مَلَكُوتِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا خَلَقَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٖ وَأَنۡ عَسَىٰٓ أَن يَكُونَ قَدِ ٱقۡتَرَبَ أَجَلُهُمۡۖ فَبِأَيِّ حَدِيثِۭ بَعۡدَهُۥ يُؤۡمِنُونَ
Moa ve tsy mba nandinika ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany izy ireo, sy ny zava-drehetra noharian’I Allah, angamba efa akaiky ny fotoam-piafaran’izy ireo ? Fa inona koa àry no teny hinoan’izy ireo aorian’izany ?
アラビア語 クルアーン注釈:
مَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَلَا هَادِيَ لَهُۥۚ وَيَذَرُهُمۡ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
N'iza n'iza verezin’I Allah dia tsy mba hanana mpitarika mihitsy, ary Izy dia hamela azy ireo hirenireny amin’ny fihoaram-pefiny.
アラビア語 クルアーン注釈:
يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلسَّاعَةِ أَيَّانَ مُرۡسَىٰهَاۖ قُلۡ إِنَّمَا عِلۡمُهَا عِندَ رَبِّيۖ لَا يُجَلِّيهَا لِوَقۡتِهَآ إِلَّا هُوَۚ ثَقُلَتۡ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ لَا تَأۡتِيكُمۡ إِلَّا بَغۡتَةٗۗ يَسۡـَٔلُونَكَ كَأَنَّكَ حَفِيٌّ عَنۡهَاۖ قُلۡ إِنَّمَا عِلۡمُهَا عِندَ ٱللَّهِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Hanontany anao izy ireo momba ilay Ora hoe : “Rahoviana no higadonan’izany ?” Teneno hoe : “Ny Tompoko irery ihany no manana fahalalana amin’izany. Tsy misy afaka hampiseho izany amin’ny fotoany afa-tsy Izy irery ihany. Mavesatra ho an’ireo lanitra sy ny tany izany, ary tsy ho tonga aminareo izany raha tsy tampoka. Ary manontany Anao izy ireo tahaka ny nampahafantarina momba izany Ianao. Teneno hoe : “Allah irery ihany no manana fahalalana amin’izany”. Nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahalala.
アラビア語 クルアーン注釈:
 
対訳 章: 高壁章
章名の目次 ページ番号
 
クルアーンの対訳 - マダガスカル語対訳 - ルゥワード翻訳事業センター - 対訳の目次

ルゥワード翻訳事業センターとラブワ招待協会およびイスラームコンテンツサービス協会の共訳

閉じる