Check out the new design

ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ * - ಅನುವಾದಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ


ಅರ್ಥಗಳ ಅನುವಾದ ಅಧ್ಯಾಯ: ಅಲ್ -ಫತ್ ಹ್   ಶ್ಲೋಕ:

Al-fath

إِنَّا فَتَحۡنَا لَكَ فَتۡحٗا مُّبِينٗا
Marina tokoa fa nomenay fandresena miezinezina ianao.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
لِّيَغۡفِرَ لَكَ ٱللَّهُ مَا تَقَدَّمَ مِن ذَنۢبِكَ وَمَا تَأَخَّرَ وَيُتِمَّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكَ وَيَهۡدِيَكَ صِرَٰطٗا مُّسۡتَقِيمٗا
Mba hamelan’I Allah izay mety ho fahadisoanao, na tamin’ny lasa izany na ny ho avy; sy hamenoany ny fahasoavany aminao, dia tarihany any amin’ny lalana mahitsy hatrany ianao ;
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَيَنصُرَكَ ٱللَّهُ نَصۡرًا عَزِيزًا
Ary homen’I Allah anao ny famonjena matanjaka.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ ٱلسَّكِينَةَ فِي قُلُوبِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ لِيَزۡدَادُوٓاْ إِيمَٰنٗا مَّعَ إِيمَٰنِهِمۡۗ وَلِلَّهِ جُنُودُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمٗا
Izy no nampidina ny fahatoniana tao am-pon’ireo mpino mba hampitombo ny finoana efa ao amin’izy ireo. An’I Allah ny tafikin'ny lanitra sy ny tany; ary mahafantatra ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
لِّيُدۡخِلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا وَيُكَفِّرَ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عِندَ ٱللَّهِ فَوۡزًا عَظِيمٗا
Mba ho ampidirana ireo mpino lahy sy vavy ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, izay hipetrahan’izy ireo mandrakizay, ary hamafany ny asa ratsin’izy ireo. Fahombiazana lehibe tokoa izany eo anatrehan’ny tompo Allah.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَيُعَذِّبَ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتِ وَٱلۡمُشۡرِكِينَ وَٱلۡمُشۡرِكَٰتِ ٱلظَّآنِّينَ بِٱللَّهِ ظَنَّ ٱلسَّوۡءِۚ عَلَيۡهِمۡ دَآئِرَةُ ٱلسَّوۡءِۖ وَغَضِبَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَلَعَنَهُمۡ وَأَعَدَّ لَهُمۡ جَهَنَّمَۖ وَسَآءَتۡ مَصِيرٗا
Ary hanasaziany ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny hafa, lahy sy vavy, izay mieritreri-dratsy an'I Allah. Hiverina amin’izy ireo ihany anie ny ratsy, tezitra amin’izy ireo Allah, sy nanozona azy ireo ary nanomana ny afobe ho azy ireo. Fiafarana ratsy tokoa izany !
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
وَلِلَّهِ جُنُودُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا
An’I Allah ireo tafiky ny lanitra sy ny tany, ary Allah no tsitoha sy be fahendrena.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ شَٰهِدٗا وَمُبَشِّرٗا وَنَذِيرٗا
Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no nandefasanay anao.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
لِّتُؤۡمِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَتُعَزِّرُوهُ وَتُوَقِّرُوهُۚ وَتُسَبِّحُوهُ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلًا
Mba hinoanareo an’I Allah sy ny irany, sy hanajanareo Azy, hanekenareo ny fahamendrehany, ary hanomezanareo voninahitr'Azy marain-tsy hariva.
ಅರಬ್ಬಿ ವ್ಯಾಖ್ಯಾನಗಳು:
 
ಅರ್ಥಗಳ ಅನುವಾದ ಅಧ್ಯಾಯ: ಅಲ್ -ಫತ್ ಹ್
ಅಧ್ಯಾಯಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ ಪುಟ ಸಂಖ್ಯೆ
 
ಪವಿತ್ರ ಕುರ್‌ಆನ್ ಅರ್ಥಾನುವಾದ - ಮಲಗಾಸಿ ಅನುವಾದ - ರುವ್ವಾದ್ ಭಾಷಾಂತರ ಕೇಂದ್ರ - ಅನುವಾದಗಳ ವಿಷಯಸೂಚಿ

ರಬ್ವಾಹ್ನಲ್ಲಿರುವ ದಾವಾ ಸಂಸ್ಥೆ ಮತ್ತು ಭಾಷೆಗಳಲ್ಲಿ ಇಸ್ಲಾಮಿಕ್ ವಿಷಯವನ್ನು ಸೇವಿಸುವ ಸಂಸ್ಥೆಯ ಸಹಕಾರದೊಂದಿಗೆ ರುವ್ವಾದ್ ಅನುವಾದ ಕೇಂದ್ರದ ತಂಡದಿಂದ ಅನುವಾದಿಸಲಾಗಿದೆ.

ಮುಚ್ಚಿ