Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ബഖറഃ   ആയത്ത്:
ٱلۡحَجُّ أَشۡهُرٞ مَّعۡلُومَٰتٞۚ فَمَن فَرَضَ فِيهِنَّ ٱلۡحَجَّ فَلَا رَفَثَ وَلَا فُسُوقَ وَلَا جِدَالَ فِي ٱلۡحَجِّۗ وَمَا تَفۡعَلُواْ مِنۡ خَيۡرٖ يَعۡلَمۡهُ ٱللَّهُۗ وَتَزَوَّدُواْ فَإِنَّ خَيۡرَ ٱلزَّادِ ٱلتَّقۡوَىٰۖ وَٱتَّقُونِ يَٰٓأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra. Ka ho an’izay nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany ao anatin’ireo volana ireo, dia tsy tokony hanao firaisana aranofo, na koa fiteny tsy mendrika, indrindra ny fifamaliana mandritra ny fivahinianana masina. Ary izay tsara ataonareo, dia fantatr’Allah avokoa. Ary mitondrà vatsy ianareo, hamafisina, fa ny vatsy tsara indrindra, dia ny fahatahorana an’Allah. Ka aoka ianareo hatahotra Ahy ry matsilo saina!
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٌ أَن تَبۡتَغُواْ فَضۡلٗا مِّن رَّبِّكُمۡۚ فَإِذَآ أَفَضۡتُم مِّنۡ عَرَفَٰتٖ فَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ عِندَ ٱلۡمَشۡعَرِ ٱلۡحَرَامِۖ وَٱذۡكُرُوهُ كَمَا هَدَىٰكُمۡ وَإِن كُنتُم مِّن قَبۡلِهِۦ لَمِنَ ٱلضَّآلِّينَ
Tsy misy tsiny ho anareo akory ny mikatsaka fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tomponareo. Fa rehefa tafavory eo amin’ny tany Arafat ianareo, dia mahatsiarova an’Allah eo amin’ilay toerana masina. Mangataha Aminy ianareo tahaka ny nitarihany anareo amin’ny làla-marina, na dia isan’ireo very làlana aza ianareo talohan’izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ أَفِيضُواْ مِنۡ حَيۡثُ أَفَاضَ ٱلنَّاسُ وَٱسۡتَغۡفِرُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Avy eo mandehana manao rodobe miaraka ianareo mankany amin’izay izoran’ny olona, ary mangataha famelan-keloka amin’i Allah ianareo. tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Fiantrana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَإِذَا قَضَيۡتُم مَّنَٰسِكَكُمۡ فَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ كَذِكۡرِكُمۡ ءَابَآءَكُمۡ أَوۡ أَشَدَّ ذِكۡرٗاۗ فَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَقُولُ رَبَّنَآ ءَاتِنَا فِي ٱلدُّنۡيَا وَمَا لَهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنۡ خَلَٰقٖ
Ka rehefa vitanareo ireo fombam-pivavahanareo dia tsarovinareo Allah tahaka ny fahatsiarovanareo ireo ray aman-dreninareo, na koa mihoatra izany. ka misy amin’ny olombelona no miteny hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo anay ny fiainana eto an-tany ”, ary tsy misy anjara ho azy ireo ny any ankoatra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمِنۡهُم مَّن يَقُولُ رَبَّنَآ ءَاتِنَا فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗ وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِ حَسَنَةٗ وَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ
Ary misy amin’izy ireny no miteny toy izao : “Tomponay ô! Omeo fahasoavana izahay ety an-tany, ary omeo fahasoavana ihany koa any an-koatra, arovy amin’ny famaizan’ny afobe izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ نَصِيبٞ مِّمَّا كَسَبُواْۚ وَٱللَّهُ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Izy ireo dia mahazo anjara amin’izay nataony, ary Allah dia haingam-pitsarana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ബഖറഃ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക