Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ബഖറഃ   ആയത്ത്:
حَٰفِظُواْ عَلَى ٱلصَّلَوَٰتِ وَٱلصَّلَوٰةِ ٱلۡوُسۡطَىٰ وَقُومُواْ لِلَّهِ قَٰنِتِينَ
Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana (soalat), indrindra ny vavaka fanompoana afovoany ; ary mitsangana amim-panetrentena eo anatrehan’Allah ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَإِنۡ خِفۡتُمۡ فَرِجَالًا أَوۡ رُكۡبَانٗاۖ فَإِذَآ أَمِنتُمۡ فَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ كَمَا عَلَّمَكُم مَّا لَمۡ تَكُونُواْ تَعۡلَمُونَ
Fa raha matahotra ianareo , dia tanterahonareo am-pandehanana na am-pitaingenana (ny Soalat), fa rehefa milamina ianareo dia tsarovinareo Allah, tahaka ny nampianarany anareo tamin’ny fotoana mbola tsy nahalalanareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱلَّذِينَ يُتَوَفَّوۡنَ مِنكُمۡ وَيَذَرُونَ أَزۡوَٰجٗا وَصِيَّةٗ لِّأَزۡوَٰجِهِم مَّتَٰعًا إِلَى ٱلۡحَوۡلِ غَيۡرَ إِخۡرَاجٖۚ فَإِنۡ خَرَجۡنَ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ فِي مَا فَعَلۡنَ فِيٓ أَنفُسِهِنَّ مِن مَّعۡرُوفٖۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Ary ireo izay nindaosin’ny fahafatesana taminareo, ka namela ireo vady andefimandriny, dia tokony hametraka hafatra mba ho fitsinjovana ireny vehivavy mananon-tena ireny, ka tsy handroaka azy amin’ny trano misy azy hatramin’ny iray taona katroka. Kanefa raha izy ireny kosa no mandeha an-tsitrapo, dia tsy mahakasika anareo intsony izay ataon’izy ireny amimpahamendrehana eo amin’ny fiainany. Ary Allah no Tsitoha sy be fahendrena.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلِلۡمُطَلَّقَٰتِ مَتَٰعُۢ بِٱلۡمَعۡرُوفِۖ حَقًّا عَلَى ٱلۡمُتَّقِينَ
Ary ho an’ireo vehivavy misara-bady dia zony ny hahazo vatsy am-pahamendrehana adidy ho an’ireo manam-pahatahorana izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ
Toy izany no hanazavan’Allah ho anareo ireo porofo famantarana avy Aminy, mba hisainanareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ خَرَجُواْ مِن دِيَٰرِهِمۡ وَهُمۡ أُلُوفٌ حَذَرَ ٱلۡمَوۡتِ فَقَالَ لَهُمُ ٱللَّهُ مُوتُواْ ثُمَّ أَحۡيَٰهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَشۡكُرُونَ
Tsy mba hitanareo va ireo izay nandao ny fonenany, an’arivony maro, noho ny fahatahorana an-drafahafatesana? Ka hoy Allah tamin’izy ireo : “Matesa ianareo”. Ary avy eo dia novelominy indray izy ireo. Hamafisina, fa feno ny fahasoavan’Allah ho an’ny olombelona, fa saingy maro amin’ny olombelona no tsy mankasitraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَٰتِلُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ary miadia ianareo amin’ny làlan’i Allah, ary tadidionareo fa Allah dia tena Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَّن ذَا ٱلَّذِي يُقۡرِضُ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗا فَيُضَٰعِفَهُۥ لَهُۥٓ أَضۡعَافٗا كَثِيرَةٗۚ وَٱللَّهُ يَقۡبِضُ وَيَبۡصُۜطُ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Fa izay mampindrana an’Allah fampindramana tsara, dia haveriny aminy avo heny maro izany. Ary Allah no mitazona sy manome sesehena ny fahasoavany. Any Aminy rahateo no mbola hamerenana anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ബഖറഃ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക