Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: റൂം   ആയത്ത്:
وَعۡدَ ٱللَّهِۖ لَا يُخۡلِفُ ٱللَّهُ وَعۡدَهُۥ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Izany no fampanantenan’i Allah. Tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy Allah, nefa ny ankamaroan’ireo olona dia tsy mahafantatra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَعۡلَمُونَ ظَٰهِرٗا مِّنَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَهُمۡ عَنِ ٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ غَٰفِلُونَ
Mahalala ny endrika ivelan’ny fiainana eto an-tany izy ireo, fa variana kosa mikasika ny fiainana any an-koatra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَلَمۡ يَتَفَكَّرُواْ فِيٓ أَنفُسِهِمۗ مَّا خَلَقَ ٱللَّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَآ إِلَّا بِٱلۡحَقِّ وَأَجَلٖ مُّسَمّٗىۗ وَإِنَّ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلنَّاسِ بِلِقَآيِٕ رَبِّهِمۡ لَكَٰفِرُونَ
Moa tsy nandinika tamin’ny tenany ve izy ireo? I Allah dia tsy nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, raha tsy nohon'ny fahamarinana, ary ho amin’ny fe-potoana voafetra.Tena maro anefa ireo olona, no tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompon’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَانُوٓاْ أَشَدَّ مِنۡهُمۡ قُوَّةٗ وَأَثَارُواْ ٱلۡأَرۡضَ وَعَمَرُوهَآ أَكۡثَرَ مِمَّا عَمَرُوهَا وَجَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِۖ فَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيَظۡلِمَهُمۡ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Moa ve tsy nandeha nitety tany izy ireo, mba hijereny izay niafaran’ireo niaina teo alohany ? Izy ireny dia natanjaka lavitra tamin'ny herim-batana, niasa ny tany, ary nameno izany mihoatra lavitra noho izay nataon’izy ireo. Ary tonga tamin’izy ireo, ireo Irany niaraka tamin’ny porofo mazava.Tsy i Allah mihitsy no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ كَانَ عَٰقِبَةَ ٱلَّذِينَ أَسَٰٓـُٔواْ ٱلسُّوٓأَىٰٓ أَن كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَكَانُواْ بِهَا يَسۡتَهۡزِءُونَ
Rehefa avy eo, dia ratsy tokoa ny fiafaran’ireo mpanao ratsy, izay nilaza fa lainga ireo fanambaran’i Allah sy nanesoeso izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱللَّهُ يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ ثُمَّ إِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Allah no nanomboka ny fahariana; ary Izy ihany no mamerina azy indray; ary any Aminy no hamerenana anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ يُبۡلِسُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Ary amin’ny andro izay hahatongavan’ilay Ora, dia hanenina ireo mpanao heloka be vava.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَمۡ يَكُن لَّهُم مِّن شُرَكَآئِهِمۡ شُفَعَٰٓؤُاْ وَكَانُواْ بِشُرَكَآئِهِمۡ كَٰفِرِينَ
Ary tsy hanana mpanelanelana izy ireny avy amin’ireo izay nataony ho mpiara-miombon’antoka Aminy (Allah), ary izy ireo dia hitsipaka ireny mpiara-miombon’antoka nataony ireny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ يَوۡمَئِذٖ يَتَفَرَّقُونَ
Ary amin’ny andro izay hatongavan’ilay Ora, amin’izany andro izany dia hisaratsaraka izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَهُمۡ فِي رَوۡضَةٖ يُحۡبَرُونَ
Fa ireo izay nino sy nanao ireo asa soa, dia ahita ny fahafinaretana ao anatin’ny zaridaina
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: റൂം
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക