Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: റൂം   ആയത്ത്:
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَلِقَآيِٕ ٱلۡأٓخِرَةِ فَأُوْلَٰٓئِكَ فِي ٱلۡعَذَابِ مُحۡضَرُونَ
Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay sy ny fihaonana any an-koatra, izy ireny no havory ao amin’ny famaizana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَسُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ حِينَ تُمۡسُونَ وَحِينَ تُصۡبِحُونَ
Voninahitra anie ho an’i Allah, rehefa tratry ny hariva ianareo, ary koa rehefa tratry ny maraina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَهُ ٱلۡحَمۡدُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَعَشِيّٗا وَحِينَ تُظۡهِرُونَ
Ary Azy ny dera rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany, ary amin’ny folak'andro sy amin’ny mitatao vovonana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يُخۡرِجُ ٱلۡحَيَّ مِنَ ٱلۡمَيِّتِ وَيُخۡرِجُ ٱلۡمَيِّتَ مِنَ ٱلۡحَيِّ وَيُحۡيِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَاۚ وَكَذَٰلِكَ تُخۡرَجُونَ
Mamoaka ny velona avy amin’ny maty Izy, sy mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary mamelona ny tany aorian’ny fahafatesany. Ka tahaka izany no hamoahana anareo (amin’ny fitsanganana).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦٓ أَنۡ خَلَقَكُم مِّن تُرَابٖ ثُمَّ إِذَآ أَنتُم بَشَرٞ تَنتَشِرُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany anareo avy amin’ny vovoka, ary indro ianareo fa lasa olombelona maro izay miely (maneran-tany).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦٓ أَنۡ خَلَقَ لَكُم مِّنۡ أَنفُسِكُمۡ أَزۡوَٰجٗا لِّتَسۡكُنُوٓاْ إِلَيۡهَا وَجَعَلَ بَيۡنَكُم مَّوَدَّةٗ وَرَحۡمَةًۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦ خَلۡقُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱخۡتِلَٰفُ أَلۡسِنَتِكُمۡ وَأَلۡوَٰنِكُمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّلۡعَٰلِمِينَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny fahariana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fahasamihafan’ireo fiteninareo sy ireo fihodiranareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka manam-pahaizana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦ مَنَامُكُم بِٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ وَٱبۡتِغَآؤُكُم مِّن فَضۡلِهِۦٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَسۡمَعُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦ يُرِيكُمُ ٱلۡبَرۡقَ خَوۡفٗا وَطَمَعٗا وَيُنَزِّلُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَيُحۡيِۦ بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَآۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fanehoany aminareo ny tselatra miaraka amin’ny fatahorana (ny varatra) sy ny fanantenana (ny orana), ary mampidina ny rano Izy avy any an-danitra mba hamelomany indray amin’ny alalan’izany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka misaina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: റൂം
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക