Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻആം   ആയത്ത്:
۞ وَإِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِيمُ لِأَبِيهِ ءَازَرَ أَتَتَّخِذُ أَصۡنَامًا ءَالِهَةً إِنِّيٓ أَرَىٰكَ وَقَوۡمَكَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Ary rehefa niteny i Abrahama tamin’i Azara rainy nanao hoe : “Raisinao ho Tompo ve ireo sampy ? Hamafisiko,izaho tena mahita anao sy ny vahoakanao ao anaty fahaverezana miharihary”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَذَٰلِكَ نُرِيٓ إِبۡرَٰهِيمَ مَلَكُوتَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلِيَكُونَ مِنَ ٱلۡمُوقِنِينَ
Ary tahaka izany no nanehoanay tamin’ i Abrahama ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, ary mba ho anisan’ireo mpino mahatoky tanteraka Izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا جَنَّ عَلَيۡهِ ٱلَّيۡلُ رَءَا كَوۡكَبٗاۖ قَالَ هَٰذَا رَبِّيۖ فَلَمَّآ أَفَلَ قَالَ لَآ أُحِبُّ ٱلۡأٓفِلِينَ
Rehefa nanarona Azy ny alina dia nahita kintana izy ka niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko !” Rehefa nanjavona izany dia niteny izy nanao hoe : “Tsy tia izay rehetra manjavona aho”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا رَءَا ٱلۡقَمَرَ بَازِغٗا قَالَ هَٰذَا رَبِّيۖ فَلَمَّآ أَفَلَ قَالَ لَئِن لَّمۡ يَهۡدِنِي رَبِّي لَأَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلضَّآلِّينَ
Rehefa nahita ny volana niseho Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko !” Rehefa nanjavona izany dia niteny Izy nanao hoe : “Raha tsy mitari-dàlana ahy ny Tompoko dia tena ho anisan’ireo vahoaka very làlana”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا رَءَا ٱلشَّمۡسَ بَازِغَةٗ قَالَ هَٰذَا رَبِّي هَٰذَآ أَكۡبَرُۖ فَلَمَّآ أَفَلَتۡ قَالَ يَٰقَوۡمِ إِنِّي بَرِيٓءٞ مِّمَّا تُشۡرِكُونَ
Rehefa nahita ny masoandro niposaka Izy dia niteny nanao hoe : “Ity no Tompoko ! Ity no lehibe indrindra !”. Rehefa nilentika izany dia niteny Izy nanao hoe : “Oh ry vahoakako ! Izaho dia tena mitsipaka izay rehetra akambanareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنِّي وَجَّهۡتُ وَجۡهِيَ لِلَّذِي فَطَرَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ حَنِيفٗاۖ وَمَآ أَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Tena marina fa atodiko ny tavako ho amin’ilay Nahary ireo lanitra sy ny tany amin’ny finoana madio, fa izaho dia tsy mba ho anisan’ireo mpanompo sampy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَحَآجَّهُۥ قَوۡمُهُۥۚ قَالَ أَتُحَٰٓجُّوٓنِّي فِي ٱللَّهِ وَقَدۡ هَدَىٰنِۚ وَلَآ أَخَافُ مَا تُشۡرِكُونَ بِهِۦٓ إِلَّآ أَن يَشَآءَ رَبِّي شَيۡـٔٗاۚ وَسِعَ رَبِّي كُلَّ شَيۡءٍ عِلۡمًاۚ أَفَلَا تَتَذَكَّرُونَ
Ary niady hevitra taminy ny vahoakany ; niteny izy nanao hoe : “Moa hiady hevitra amiko ve ianareo mahakasik’I Allah, nefa efa nitari-dalana ahy Izy ? Ary tsy matahotra ireo akambanareo Aminy aho, afa-tsy izay sitraky ny Tompoko. Manerana ny zava-drehetra ny Fahalalan’ny Tompoko. Ka tsy mba mahatsiaro tena ve ianareo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَيۡفَ أَخَافُ مَآ أَشۡرَكۡتُمۡ وَلَا تَخَافُونَ أَنَّكُمۡ أَشۡرَكۡتُم بِٱللَّهِ مَا لَمۡ يُنَزِّلۡ بِهِۦ عَلَيۡكُمۡ سُلۡطَٰنٗاۚ فَأَيُّ ٱلۡفَرِيقَيۡنِ أَحَقُّ بِٱلۡأَمۡنِۖ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ary ahoana moa aho no hatahotra ireo izay akambanareo nefa ianareo aza tsy mba matahotra manakambana Allah amin’ny hafa izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza taminareo? Fa iza amin’ny andiany roa ireo no mendrika hanana fitoniana raha mahalala ianareo?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻആം
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക