Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻആം   ആയത്ത്:
وَهُوَ ٱلَّذِي يَتَوَفَّىٰكُم بِٱلَّيۡلِ وَيَعۡلَمُ مَا جَرَحۡتُم بِٱلنَّهَارِ ثُمَّ يَبۡعَثُكُمۡ فِيهِ لِيُقۡضَىٰٓ أَجَلٞ مُّسَمّٗىۖ ثُمَّ إِلَيۡهِ مَرۡجِعُكُمۡ ثُمَّ يُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary Izy no maka ny fofon’ainareo amin’ny alina, ary mahalala izay ataonareo amin’ny atoandro, avy eo dia mamelona anareo indray Izy amin’izany mba ahatanteraka ny fotoana voafetra. Avy eo, any Aminy no fiverenanareo, ary ho lazainy anareo izay rehetra nataonareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَهُوَ ٱلۡقَاهِرُ فَوۡقَ عِبَادِهِۦۖ وَيُرۡسِلُ عَلَيۡكُمۡ حَفَظَةً حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَ أَحَدَكُمُ ٱلۡمَوۡتُ تَوَفَّتۡهُ رُسُلُنَا وَهُمۡ لَا يُفَرِّطُونَ
Ary Izy no Tompom-pahefana amin’ireo Mpanompony. Ary mandefa mpiaro Izy eo aminareo. Ary rehefa tonga amin’iray aminareo ny fahafatesana, dia mandray ny fofon'ainy ireo irakay, ary tsy manao tsirambina izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ رُدُّوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ مَوۡلَىٰهُمُ ٱلۡحَقِّۚ أَلَا لَهُ ٱلۡحُكۡمُ وَهُوَ أَسۡرَعُ ٱلۡحَٰسِبِينَ
Avy eo dia haverina izy ireo any amin’I Allah ilay Tompon’izy ireo marina. Moa ve tsy Azy ny fitsarana ? Ary Izy no Haingam-panisa indrindra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ مَن يُنَجِّيكُم مِّن ظُلُمَٰتِ ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِ تَدۡعُونَهُۥ تَضَرُّعٗا وَخُفۡيَةٗ لَّئِنۡ أَنجَىٰنَا مِنۡ هَٰذِهِۦ لَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلشَّٰكِرِينَ
Teneno hoe : “Iza no manavotra anareo amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina ?” Mangataka Aminy am-panetren-tena sy ankiafina ianareo : “Raha havotany tokoa izahay amin’izao, dia tena ho anisan’ireo mpankasitraka”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلِ ٱللَّهُ يُنَجِّيكُم مِّنۡهَا وَمِن كُلِّ كَرۡبٖ ثُمَّ أَنتُمۡ تُشۡرِكُونَ
Teneno hoe : “Allah no hanavotra anareo amin’izany sy amin’ny tebiteby rehetra. Nefa, mbola manankambana Azy amin’ny zavatra hafa ihany ianareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ هُوَ ٱلۡقَادِرُ عَلَىٰٓ أَن يَبۡعَثَ عَلَيۡكُمۡ عَذَابٗا مِّن فَوۡقِكُمۡ أَوۡ مِن تَحۡتِ أَرۡجُلِكُمۡ أَوۡ يَلۡبِسَكُمۡ شِيَعٗا وَيُذِيقَ بَعۡضَكُم بَأۡسَ بَعۡضٍۗ ٱنظُرۡ كَيۡفَ نُصَرِّفُ ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّهُمۡ يَفۡقَهُونَ
Teneno hoe : “Izy no manam-pahefana handefa famaizana aminareo, na eo amboninareo na avy ao ambany tongotrareo, na koa hampisy fizarazarana eo aminareo ka hifanditra sy hampanandrana ny sasany aminareo ny hafanam-pon'ny hafa”. Jereo ahoana ny famakafakanay ireo fanambarana, angamba ho azon’izy ireo izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَذَّبَ بِهِۦ قَوۡمُكَ وَهُوَ ٱلۡحَقُّۚ قُل لَّسۡتُ عَلَيۡكُم بِوَكِيلٖ
Ary nilaza ny vahoakanao fa lainga izany, nefa izany no marina. Teneno hoe : “Tsy mpiantoka anareo amin’izany aho”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لِّكُلِّ نَبَإٖ مُّسۡتَقَرّٞۚ وَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ
Ny vaovao tsirairay dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fotoanany sy amin’ny toerany avy ary ho fantatrareo tsy ho ela izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِذَا رَأَيۡتَ ٱلَّذِينَ يَخُوضُونَ فِيٓ ءَايَٰتِنَا فَأَعۡرِضۡ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ يَخُوضُواْ فِي حَدِيثٍ غَيۡرِهِۦۚ وَإِمَّا يُنسِيَنَّكَ ٱلشَّيۡطَٰنُ فَلَا تَقۡعُدۡ بَعۡدَ ٱلذِّكۡرَىٰ مَعَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary raha mahita ireo izay mitsikera amin’ny ady hevitra momba ireo fanambaranay ianao, dia aoka hanalavitra azy ireo Ianao, mandra-pirotsahany amin’ny resaka hafa. Ary raha mampanadino anao i Satana dia aoka ianao tsy hipetraka miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aorian’ny fahatsiarovana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻആം
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക