Check out the new design

पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र । * - अनुवादहरूको सूची


अर्थको अनुवाद सूरः: कसस   श्लोक:
وَمَآ أُوتِيتُم مِّن شَيۡءٖ فَمَتَٰعُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَزِينَتُهَاۚ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ خَيۡرٞ وَأَبۡقَىٰٓۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?
अरबी व्याख्याहरू:
أَفَمَن وَعَدۡنَٰهُ وَعۡدًا حَسَنٗا فَهُوَ لَٰقِيهِ كَمَن مَّتَّعۡنَٰهُ مَتَٰعَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا ثُمَّ هُوَ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ مِنَ ٱلۡمُحۡضَرِينَ
Moa ve izay nomenay fampanantenana tsara ka ahita ny fahatanterahan’izany, dia mitovy amin'izay nomenay fahafinaretana amin’ny fiainana eto an-tany ? Avy eo amin’ny Andro Fitsanganana dia ho anisan’ireo izay hiseho fitsarana izy ?
अरबी व्याख्याहरू:
وَيَوۡمَ يُنَادِيهِمۡ فَيَقُولُ أَيۡنَ شُرَكَآءِيَ ٱلَّذِينَ كُنتُمۡ تَزۡعُمُونَ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”
अरबी व्याख्याहरू:
قَالَ ٱلَّذِينَ حَقَّ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقَوۡلُ رَبَّنَا هَٰٓؤُلَآءِ ٱلَّذِينَ أَغۡوَيۡنَآ أَغۡوَيۡنَٰهُمۡ كَمَا غَوَيۡنَاۖ تَبَرَّأۡنَآ إِلَيۡكَۖ مَا كَانُوٓاْ إِيَّانَا يَعۡبُدُونَ
Niteny ireo izay niharan’ny fitenenana nanao hoe : “Tomponay ô ! Ireny (ny vahoaka) izay noverezinay, noverezinay izy ireo tahaka ny nahavery anay ihany koa. Mitsipaka (azy ireo) eo anatrehanao izahay. Tsy izahay no notompoin’izy ireo”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَقِيلَ ٱدۡعُواْ شُرَكَآءَكُمۡ فَدَعَوۡهُمۡ فَلَمۡ يَسۡتَجِيبُواْ لَهُمۡ وَرَأَوُاْ ٱلۡعَذَابَۚ لَوۡ أَنَّهُمۡ كَانُواْ يَهۡتَدُونَ
Ary hotenenina (izy ireo) hoe : “Antsoy ireo mpiara-miombon’antoka taminareo !” Ka hiantso azy ireo izy ireo, nefa tsy hamaly azy ireo izy ireo. Rehefa hahita ny sazy izy ireo, dia haniry ny nanaraka ny tari-dalana (tamin’ny fiainana an-tany) !
अरबी व्याख्याहरू:
وَيَوۡمَ يُنَادِيهِمۡ فَيَقُولُ مَاذَآ أَجَبۡتُمُ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany azy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hanao hoe : “Inona no navalinareo ireo Iraka ?”.
अरबी व्याख्याहरू:
فَعَمِيَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلۡأَنۢبَآءُ يَوۡمَئِذٖ فَهُمۡ لَا يَتَسَآءَلُونَ
Ka hifamahofaho amin’izy ireo ny vaovao (porofo) amin’izany andro izany, ka tsy hifampanontany intsony izy ireo.
अरबी व्याख्याहरू:
فَأَمَّا مَن تَابَ وَءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَعَسَىٰٓ أَن يَكُونَ مِنَ ٱلۡمُفۡلِحِينَ
Nefa ireo izay nibebaka sy nino ary nanao ny tsara, dia angamba ho anisan’ireo hahazo fahombiazana.
अरबी व्याख्याहरू:
وَرَبُّكَ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُ وَيَخۡتَارُۗ مَا كَانَ لَهُمُ ٱلۡخِيَرَةُۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Ary ny Tomponao dia mahary sy misafidy izay sitrany, fa tsy andraikitr’izy ireo mihitsy no misafidy. Voninahitra anie ho an’I Allah ! Ary ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy !
अरबी व्याख्याहरू:
وَرَبُّكَ يَعۡلَمُ مَا تُكِنُّ صُدُورُهُمۡ وَمَا يُعۡلِنُونَ
Ary ny Tomponao dia mahafantatra izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay abaribariny.
अरबी व्याख्याहरू:
وَهُوَ ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ لَهُ ٱلۡحَمۡدُ فِي ٱلۡأُولَىٰ وَٱلۡأٓخِرَةِۖ وَلَهُ ٱلۡحُكۡمُ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Ary Izy no Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Azy ny fiderana ety an-tany sy any ankoatra. Azy ny fitsarana ary any Aminy no hamerenana anareo.
अरबी व्याख्याहरू:
 
अर्थको अनुवाद सूरः: कसस
अध्यायहरूको (सूरःहरूको) सूची رقم الصفحة
 
पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र । - अनुवादहरूको सूची

यसलाई रुव्वाद अनुवाद केन्द्रको टोलीले रब्वा दावाह संघ र इस्लामी सामग्री सेवा संघको सहयोगमा अनुवाद गरिएको छ।

बन्द गर्नुस्