Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: کهف   آیت:
وَلَقَدۡ صَرَّفۡنَا فِي هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ لِلنَّاسِ مِن كُلِّ مَثَلٖۚ وَكَانَ ٱلۡإِنسَٰنُ أَكۡثَرَ شَيۡءٖ جَدَلٗا
Ary efa nanazava amin’ny alalan’ny ohatra maro isan-karazany Izahay ho an’ny olona, ao anatin’ity Koro’any ity, nefa ny olombelona no be fifandirana indrindra amin’ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
وَمَا مَنَعَ ٱلنَّاسَ أَن يُؤۡمِنُوٓاْ إِذۡ جَآءَهُمُ ٱلۡهُدَىٰ وَيَسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّهُمۡ إِلَّآ أَن تَأۡتِيَهُمۡ سُنَّةُ ٱلۡأَوَّلِينَ أَوۡ يَأۡتِيَهُمُ ٱلۡعَذَابُ قُبُلٗا
Ary tsy nisy na inona na inona anakana ny olona tsy hino rehefa tonga tamin’izy ireo ny toro-lalana ary hangataka famelan-keloka amin’ny Tompony izy ireo, afa-tsy ny fiantraikan’ny fitsipika fototra nianjady tamin’ireo teo aloha amin’izy ireo na hiatrika ny sazy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَمَا نُرۡسِلُ ٱلۡمُرۡسَلِينَ إِلَّا مُبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَۚ وَيُجَٰدِلُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِٱلۡبَٰطِلِ لِيُدۡحِضُواْ بِهِ ٱلۡحَقَّۖ وَٱتَّخَذُوٓاْ ءَايَٰتِي وَمَآ أُنذِرُواْ هُزُوٗا
Ary tsy mandefa iraka Izahay raha tsy hilaza vaovao mahafaly sy hampitandrina. Ary miady hevitra ireo izay tsy nino miaraka amin’ny lainga mba handravana ny marina amin’ny alalan’izany ary noraisin’izy ireo vazivazy ny andian-teniko sy izay nampitandremana azy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن ذُكِّرَ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِۦ فَأَعۡرَضَ عَنۡهَا وَنَسِيَ مَا قَدَّمَتۡ يَدَاهُۚ إِنَّا جَعَلۡنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ أَكِنَّةً أَن يَفۡقَهُوهُ وَفِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَقۡرٗاۖ وَإِن تَدۡعُهُمۡ إِلَى ٱلۡهُدَىٰ فَلَن يَهۡتَدُوٓاْ إِذًا أَبَدٗا
Ary iza moa no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampahatsiahivina ireo andian-tenin’ny Tompony kanefa nitsipaka izany sy nanadino izay nataon’ny tanany roa ? Nosaronanay ny fon’izy ireo, mba tsy ahazoan’izy ireo izany (ny Koro’any) sy (nasianay) marenina ao anatin'ny sofin’izy ireo. Ary na dia miantso azy ireo mankany amin’ny lala-mahitsy aza ianao dia tsy hanaraka ny hitsin-dalana na oviana na oviana izy ireo
عربي تفسیرونه:
وَرَبُّكَ ٱلۡغَفُورُ ذُو ٱلرَّحۡمَةِۖ لَوۡ يُؤَاخِذُهُم بِمَا كَسَبُواْ لَعَجَّلَ لَهُمُ ٱلۡعَذَابَۚ بَل لَّهُم مَّوۡعِدٞ لَّن يَجِدُواْ مِن دُونِهِۦ مَوۡئِلٗا
Ary ny Tomponao Ilay Mpamela heloka, dia Tompon’ny famindram-po. Raha noraisiny araka izay nataony izy ireo, dia nohafainganiny ho azy ireo ny sazy. Nefa misy fotoana efa nomena azy ireo ka tsy hahita fialofana ankoatra Azy mihitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَتِلۡكَ ٱلۡقُرَىٰٓ أَهۡلَكۡنَٰهُمۡ لَمَّا ظَلَمُواْ وَجَعَلۡنَا لِمَهۡلِكِهِم مَّوۡعِدٗا
Ary ireo tanàna izay naringanay raha nanao ny tsy rariny izy ireo, dia nanome fotoana handringanana azy ireo Izahay.
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ قَالَ مُوسَىٰ لِفَتَىٰهُ لَآ أَبۡرَحُ حَتَّىٰٓ أَبۡلُغَ مَجۡمَعَ ٱلۡبَحۡرَيۡنِ أَوۡ أَمۡضِيَ حُقُبٗا
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”.
عربي تفسیرونه:
فَلَمَّا بَلَغَا مَجۡمَعَ بَيۡنِهِمَا نَسِيَا حُوتَهُمَا فَٱتَّخَذَ سَبِيلَهُۥ فِي ٱلۡبَحۡرِ سَرَبٗا
Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro).
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: کهف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول