Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: کهف   آیت:
فَلَمَّا جَاوَزَا قَالَ لِفَتَىٰهُ ءَاتِنَا غَدَآءَنَا لَقَدۡ لَقِينَا مِن سَفَرِنَا هَٰذَا نَصَبٗا
Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny tamin’ny mpanampiny lahy izy nanao hoe : “Omeo aty ny sakafontsika atoandro, fa tena tojo harerahana isika tamin’ity diantsika ity”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ أَرَءَيۡتَ إِذۡ أَوَيۡنَآ إِلَى ٱلصَّخۡرَةِ فَإِنِّي نَسِيتُ ٱلۡحُوتَ وَمَآ أَنسَىٰنِيهُ إِلَّا ٱلشَّيۡطَٰنُ أَنۡ أَذۡكُرَهُۥۚ وَٱتَّخَذَ سَبِيلَهُۥ فِي ٱلۡبَحۡرِ عَجَبٗا
Niteny izy (ilay mpanampiny lahy) nanao hoe : “Hitanao fa tamin’ny fotoana nialofantsika teo amin’ilay vatolampy, dia hadinoko tokoa ilay trondro, ka tsy misy tokony hanadinoako hilaza izany (aminao) afa-tsy avy amin'i Satana ary ny mahagaga dia nandray ny lalany nankany an-dranomasina izy.
عربي تفسیرونه:
قَالَ ذَٰلِكَ مَا كُنَّا نَبۡغِۚ فَٱرۡتَدَّا عَلَىٰٓ ءَاثَارِهِمَا قَصَصٗا
Niteny izy nanao hoe : "Izany no tiako hahatongavantsika”! Ary dia niverin-dalana nanaraka ny diany izy roa.
عربي تفسیرونه:
فَوَجَدَا عَبۡدٗا مِّنۡ عِبَادِنَآ ءَاتَيۡنَٰهُ رَحۡمَةٗ مِّنۡ عِندِنَا وَعَلَّمۡنَٰهُ مِن لَّدُنَّا عِلۡمٗا
Ka nihaona tamin’ny iray amin’ireo mpanomponay, izay notoloranay indrafo sy nampianarinay fahalalana avy aty Aminay.
عربي تفسیرونه:
قَالَ لَهُۥ مُوسَىٰ هَلۡ أَتَّبِعُكَ عَلَىٰٓ أَن تُعَلِّمَنِ مِمَّا عُلِّمۡتَ رُشۡدٗا
Niteny taminy i Mosesy nanao hoe : "Afaka manaraka anao ve aho, mba hianatra aminao amin’izay nampianarina anao momba ny fahendrena?”
عربي تفسیرونه:
قَالَ إِنَّكَ لَن تَسۡتَطِيعَ مَعِيَ صَبۡرٗا
Niteny izy nanao hoe : “tsy hanam-paharetana hiaraka amiko mihitsy ianao”
عربي تفسیرونه:
وَكَيۡفَ تَصۡبِرُ عَلَىٰ مَا لَمۡ تُحِطۡ بِهِۦ خُبۡرٗا
Ary ahoana no haharetanao amin’izay mbola tsy anananao fahalalana akory ?
عربي تفسیرونه:
قَالَ سَتَجِدُنِيٓ إِن شَآءَ ٱللَّهُ صَابِرٗا وَلَآ أَعۡصِي لَكَ أَمۡرٗا
Niteny izy nanao hoe : "Ho hitanao fa hanam-paharetana aho raha sitrak’I Allah ary tsy handà ny baiko avy aminao aho”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ فَإِنِ ٱتَّبَعۡتَنِي فَلَا تَسۡـَٔلۡنِي عَن شَيۡءٍ حَتَّىٰٓ أُحۡدِثَ لَكَ مِنۡهُ ذِكۡرٗا
Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : “Raha manaraka ahy ianao dia aza anontaniana na inona na inona aho mandra-pilazako izany aminao”.
عربي تفسیرونه:
فَٱنطَلَقَا حَتَّىٰٓ إِذَا رَكِبَا فِي ٱلسَّفِينَةِ خَرَقَهَاۖ قَالَ أَخَرَقۡتَهَا لِتُغۡرِقَ أَهۡلَهَا لَقَدۡ جِئۡتَ شَيۡـًٔا إِمۡرٗا
Dia nandeha izy roa lahy. Ary rehefa niakatra tamin’ny sambo izy ireo dia nolavahany (ilay mpanompo) izany. Niteny izy(Mosa) nanao hoe : "Nolavahanao ve ilay sambo mba aharendrika ny mpandeha ? Tena nanao zavatra mahatsiravina ianao”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ أَلَمۡ أَقُلۡ إِنَّكَ لَن تَسۡتَطِيعَ مَعِيَ صَبۡرٗا
Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : "Moa ve tsy efa nolazaiko ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka amiko ?”
عربي تفسیرونه:
قَالَ لَا تُؤَاخِذۡنِي بِمَا نَسِيتُ وَلَا تُرۡهِقۡنِي مِنۡ أَمۡرِي عُسۡرٗا
Niteny izy (Mosa) nanao hoe : “Aza omena tsiny aho nohon'ny fanadinoako, aza avela hiantsoroka zava-tsarotra amin’ny raharahako aho.
عربي تفسیرونه:
فَٱنطَلَقَا حَتَّىٰٓ إِذَا لَقِيَا غُلَٰمٗا فَقَتَلَهُۥ قَالَ أَقَتَلۡتَ نَفۡسٗا زَكِيَّةَۢ بِغَيۡرِ نَفۡسٖ لَّقَدۡ جِئۡتَ شَيۡـٔٗا نُّكۡرٗا
Avy eo dia nanohy ny diany izy roa lahy mandra-pihaon’izy ireo tamin’ny zazalahy kely iray, dia novonoiny (ilay mpanompo) izy (ilay zazalahy). Niteny izy (Mosesy) nanao hoe: Namono olona tsy manan-tsiny, tsy mbola namono olona ve ianao ? Tena nanao zavatra maharikoriko tokoa ianao !”
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: کهف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول