Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: شعراء   آیت:

As-sho'araa

طسٓمٓ
Twa, Sin, Mim.
عربي تفسیرونه:
تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُبِينِ
Indro ireo andinin’ilay Boky mazava.
عربي تفسیرونه:
لَعَلَّكَ بَٰخِعٞ نَّفۡسَكَ أَلَّا يَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ
Mety ho reraky ny alahelo ianao,fa tsy mino izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِن نَّشَأۡ نُنَزِّلۡ عَلَيۡهِم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ ءَايَةٗ فَظَلَّتۡ أَعۡنَٰقُهُمۡ لَهَا خَٰضِعِينَ
Raha sitrakay dia ho nampidininay tamin’izy ireo avy eny an-danitra ny famantarana iray, ka ho tavela hiondrika amin’izany ny hatok’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَمَا يَأۡتِيهِم مِّن ذِكۡرٖ مِّنَ ٱلرَّحۡمَٰنِ مُحۡدَثٍ إِلَّا كَانُواْ عَنۡهُ مُعۡرِضِينَ
Ary tsy misy fampahatsiahivana vaovao avy amin’Ilay be Fiantrana tonga amin’izy ireo, ka tsy mitodi-damosina amin’izany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَقَدۡ كَذَّبُواْ فَسَيَأۡتِيهِمۡ أَنۢبَٰٓؤُاْ مَا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Efa nilaza izy ireo fa lainga (izay rehetra avy amin’ny Tompony), ka ho tonga amin’izy ireo tsy ho ela ireo vaovao mahakasika izay nataon’izy ireo vazivazy.
عربي تفسیرونه:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ كَمۡ أَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجٖ كَرِيمٍ
Moa ve tsy hitan’izy ireo ny tany, firifiry no nampitsirinay teo aminy, amin’ireo karazana zavatra tsiroaroa mahasoa rehetra.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ نَادَىٰ رَبُّكَ مُوسَىٰٓ أَنِ ٱئۡتِ ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary rehefa niantso an’i Mosesy ny Tomponao hoe : “Aoka ianao ho tonga any amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
قَوۡمَ فِرۡعَوۡنَۚ أَلَا يَتَّقُونَ
(Any) amin’ny vahoakan’i Faraona ; moa tsy mba hanam-patahorana (Azy) ve izy ireo ?
عربي تفسیرونه:
قَالَ رَبِّ إِنِّيٓ أَخَافُ أَن يُكَذِّبُونِ
Niteny izy hoe : “Tompoko ô ! Tena matahotra aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga".
عربي تفسیرونه:
وَيَضِيقُ صَدۡرِي وَلَا يَنطَلِقُ لِسَانِي فَأَرۡسِلۡ إِلَىٰ هَٰرُونَ
Sy mihatery ny tratrako, ary hiraikitra ny lelako, ka mba alefaso i Harona.
عربي تفسیرونه:
وَلَهُمۡ عَلَيَّ ذَنۢبٞ فَأَخَافُ أَن يَقۡتُلُونِ
Ary misy heloka bevava hanenjehan’izy ireo ahy, ka matahotra aho sao dia ho vonoin’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
قَالَ كَلَّاۖ فَٱذۡهَبَا بِـَٔايَٰتِنَآۖ إِنَّا مَعَكُم مُّسۡتَمِعُونَ
Niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy izany ! Mandehana ianareo roa miaraka amin’ny fahagagana avy Aminay. Tena marina fa Izahay dia miaraka aminareo sy mihaino".
عربي تفسیرونه:
فَأۡتِيَا فِرۡعَوۡنَ فَقُولَآ إِنَّا رَسُولُ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Aoka ianareo roa ho tonga any amin’i Faraona, ka ilazao izy hoe : “Izahay dia irak'i Tompon’izao tontolo izao".
عربي تفسیرونه:
أَنۡ أَرۡسِلۡ مَعَنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
"Mba handefasanao ireo zanak’Israely hiaraka aminay”
عربي تفسیرونه:
قَالَ أَلَمۡ نُرَبِّكَ فِينَا وَلِيدٗا وَلَبِثۡتَ فِينَا مِنۡ عُمُرِكَ سِنِينَ
Niteny izy (Faraona) hoe : “Moa ve tsy nobeazinay teto aminay fony mbola kely ianao ? Ary tsy nipetraka teto aminay nandritra ny taona maromaro tamin’ny fiainanao ve ianao ?
عربي تفسیرونه:
وَفَعَلۡتَ فَعۡلَتَكَ ٱلَّتِي فَعَلۡتَ وَأَنتَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Avy eo dia nanao ny asa ratsy izay nataonao ianao, ary isan’ireo tsy mpankasitraka ianao.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: شعراء
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول