Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: شعراء   آیت:
مَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يُمَتَّعُونَ
Tsy nahavita na inona na inona amin’izy ireo, ireo fahafinaretana izay nomena azy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَمَآ أَهۡلَكۡنَا مِن قَرۡيَةٍ إِلَّا لَهَا مُنذِرُونَ
Ary tsy mandringana tanàna Izahay raha tsy efa nisy ireo mpampitandrina ao aminy.
عربي تفسیرونه:
ذِكۡرَىٰ وَمَا كُنَّا ظَٰلِمِينَ
Ho fampahatsiahivana ity, ary Izahay dia tsy mba mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
وَمَا تَنَزَّلَتۡ بِهِ ٱلشَّيَٰطِينُ
Ary tsy mba ireo satana no nidina niaraka tamin’ity (Kor’any ity).
عربي تفسیرونه:
وَمَا يَنۢبَغِي لَهُمۡ وَمَا يَسۡتَطِيعُونَ
Ary tsy mendrika ho azy ireo izany, no sady tsy manam-pahefana (amin’izany) izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ عَنِ ٱلسَّمۡعِ لَمَعۡزُولُونَ
Satria izy ireo dia tena nohalavirina amin’ny fihainoana (ny hafatra masina).
عربي تفسیرونه:
فَلَا تَدۡعُ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ فَتَكُونَ مِنَ ٱلۡمُعَذَّبِينَ
Ka aoka ianao tsy hiantso Tompo hafa miaraka amin’I Allah, raha tsy izany dia ho anisan’ireo ho faizina ianao.
عربي تفسیرونه:
وَأَنذِرۡ عَشِيرَتَكَ ٱلۡأَقۡرَبِينَ
Ary ampitandremo (ry Mohammady) ireo havanao akaiky.
عربي تفسیرونه:
وَٱخۡفِضۡ جَنَاحَكَ لِمَنِ ٱتَّبَعَكَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ampidino ny elatrao (aoka ianao halemy fanahy) amin’ireo mpino izay manaraka anao.
عربي تفسیرونه:
فَإِنۡ عَصَوۡكَ فَقُلۡ إِنِّي بَرِيٓءٞ مِّمَّا تَعۡمَلُونَ
Ary raha tsy mankatò anao izy ireo, dia teneno hoe : “Izaho dia mitsipaka izay ataonareo”.
عربي تفسیرونه:
وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱلۡعَزِيزِ ٱلرَّحِيمِ
Ary ankino amin’Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo ny fitokisanao.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِي يَرَىٰكَ حِينَ تَقُومُ
Izay mahita anao rehefa mitsangana ianao.
عربي تفسیرونه:
وَتَقَلُّبَكَ فِي ٱلسَّٰجِدِينَ
Sy ny fihetsikao eo anivon’ireo mpiankohoka.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Izy no Ilay tena Maheno sy Mahalala .
عربي تفسیرونه:
هَلۡ أُنَبِّئُكُمۡ عَلَىٰ مَن تَنَزَّلُ ٱلشَّيَٰطِينُ
Ho lazaiko anareo ve amin’iza no midina ireo satana ?
عربي تفسیرونه:
تَنَزَّلُ عَلَىٰ كُلِّ أَفَّاكٍ أَثِيمٖ
Midina amin’izay rehetra be famoronan-dainga sy be fahotana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
يُلۡقُونَ ٱلسَّمۡعَ وَأَكۡثَرُهُمۡ كَٰذِبُونَ
Mampandry sofina izy ireo nefa ny ankamaroan’izy ireo dia mpandainga avokoa.
عربي تفسیرونه:
وَٱلشُّعَرَآءُ يَتَّبِعُهُمُ ٱلۡغَاوُۥنَ
Fa ireo mpanao tononkalo kosa, dia manaraka azy ireo avy izay very lalana.
عربي تفسیرونه:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّهُمۡ فِي كُلِّ وَادٖ يَهِيمُونَ
Moa ve tsy hitanao fa izy ireo dia mirenireny isaky ny lohasaha.
عربي تفسیرونه:
وَأَنَّهُمۡ يَقُولُونَ مَا لَا يَفۡعَلُونَ
Ary izy ireo dia miteny izay tsy ataony.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَذَكَرُواْ ٱللَّهَ كَثِيرٗا وَٱنتَصَرُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا ظُلِمُواْۗ وَسَيَعۡلَمُ ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ أَيَّ مُنقَلَبٖ يَنقَلِبُونَ
Afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, ary mahatsiaro matetika an’I Allah sy miaro tena amin’ny tsy rariny izay natao azy ireo. Ary ho fantatr’ireo izay nanao ny tsy rariny fa fiverenana toy inona no hiverenan’izy ireo !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: شعراء
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول