Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: آل عمران   آیت:
ٱلَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَآ إِنَّنَآ ءَامَنَّا فَٱغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَا وَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ
Ireo izay miteny hoe : " Ry Tomponay ô ! Tena marina fa mino izahay, avelao ny fahotanay, ary arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay ”.
عربي تفسیرونه:
ٱلصَّٰبِرِينَ وَٱلصَّٰدِقِينَ وَٱلۡقَٰنِتِينَ وَٱلۡمُنفِقِينَ وَٱلۡمُسۡتَغۡفِرِينَ بِٱلۡأَسۡحَارِ
Ireo maharitra sy ireo marina, ireo mpankato sy ireo mpamoaka ny hareny, ary ireo mpangataka ny famelan-keloka alohan’ny maraina vao mangiran-dratsy.
عربي تفسیرونه:
شَهِدَ ٱللَّهُ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَأُوْلُواْ ٱلۡعِلۡمِ قَآئِمَۢا بِٱلۡقِسۡطِۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Nitsangana vavolombelona i Allah, fa tena marina tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy irery ihany, mihaiky izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana, mijoro am-pahamarinana Izy. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلدِّينَ عِندَ ٱللَّهِ ٱلۡإِسۡلَٰمُۗ وَمَا ٱخۡتَلَفَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَهُمُ ٱلۡعِلۡمُ بَغۡيَۢا بَيۡنَهُمۡۗ وَمَن يَكۡفُرۡ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَإِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny finoana Islamo [40]. Ary tsy nifanipa-kevitra ireo izay nomena ny Boky, afa-tsy taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, nohon'ny disadisa nifanaovany. Ary izay tsy mino ireo fanambaran’i Allah ka Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa !
عربي تفسیرونه:
فَإِنۡ حَآجُّوكَ فَقُلۡ أَسۡلَمۡتُ وَجۡهِيَ لِلَّهِ وَمَنِ ٱتَّبَعَنِۗ وَقُل لِّلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡأُمِّيِّـۧنَ ءَأَسۡلَمۡتُمۡۚ فَإِنۡ أَسۡلَمُواْ فَقَدِ ٱهۡتَدَواْۖ وَّإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡكَ ٱلۡبَلَٰغُۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِٱلۡعِبَادِ
Fa raha miady hevitra Aminao izy ireo, dia teneno hoe : “ Natolotro ho an’i Allah ny tavako (tenako), sy izay manaraka Ahy ”. Ary teneno amin’ireo nomena ny Boky sy ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny hoe : “ Moa efa niditra Islamo ve Ianareo ? ”. Raha niditra Islamo izy ireo, dia efa nahazo ny tari-dàlana. Ary raha niamboho kosa izy ireo... dia tsy inona, afa-tsy mpampiely fotsiny Ianao. Ary i Allah dia mahita amin’ny antsipiriany izay rehetra ataon’ireo mpanompo.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَيَقۡتُلُونَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ بِغَيۡرِ حَقّٖ وَيَقۡتُلُونَ ٱلَّذِينَ يَأۡمُرُونَ بِٱلۡقِسۡطِ مِنَ ٱلنَّاسِ فَبَشِّرۡهُم بِعَذَابٍ أَلِيمٍ
Tena marina fa izay mitsipaka ireo porofo famantarana avy amin’Allah, ka mandatsak’aina tsy amim-pahamarinana ireo Mpaminany, ary mandatsak’aina ihany koa ireo olona izay mampirisika ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny, dia lazao, fa, miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana.
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ حَبِطَتۡ أَعۡمَٰلُهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ
Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety an-tany sy any an-koatra ary tsy hanana mpamonjy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: آل عمران
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول