Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: آل عمران   آیت:
يَوۡمَ تَجِدُ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا عَمِلَتۡ مِنۡ خَيۡرٖ مُّحۡضَرٗا وَمَا عَمِلَتۡ مِن سُوٓءٖ تَوَدُّ لَوۡ أَنَّ بَيۡنَهَا وَبَيۡنَهُۥٓ أَمَدَۢا بَعِيدٗاۗ وَيُحَذِّرُكُمُ ٱللَّهُ نَفۡسَهُۥۗ وَٱللَّهُ رَءُوفُۢ بِٱلۡعِبَادِ
Amin’ny Andro hahitan’ny tsirairay izay tsara nataony eo anoloany, sy izay ratsy nataony, dia haniry izy mba hisy elanelana lavitra dia lavitra eo Aminy sy ny asa ratsy izay vitany. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy Allah. Ary i Allah dia be fitsimbinana amin’ireo mpanompo.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ إِن كُنتُمۡ تُحِبُّونَ ٱللَّهَ فَٱتَّبِعُونِي يُحۡبِبۡكُمُ ٱللَّهُ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡ ذُنُوبَكُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Teneno hoe : “ Raha tia Allah tokoa Ianareo, dia manaraha Ahy, mba ho tian’i Allah Ianareo, ary hamela Anareo Izy amin’ny fahotanareo. Ary i Allah dia be Famelan-keloka, be Indrafo ”.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَۖ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Teneno hoe : “Aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Iraka”. Fa raha mivadika kosa ianareo…dia hamafisina, fa Allah tsy tia ireo tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
۞ إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰٓ ءَادَمَ وَنُوحٗا وَءَالَ إِبۡرَٰهِيمَ وَءَالَ عِمۡرَٰنَ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ
Tena marina fa i Allah dia nisafidy an’i Adama sy i Noa sy ny fianakavian’i Ibrahimo ary ny fianakavian’i Imrana teo amin’izao tontolo izao.
عربي تفسیرونه:
ذُرِّيَّةَۢ بَعۡضُهَا مِنۢ بَعۡضٖۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Taranaka mifandimby, ny andaniny nipoitra avy amin'ny ankilany. Ary i Allah dia tena Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ قَالَتِ ٱمۡرَأَتُ عِمۡرَٰنَ رَبِّ إِنِّي نَذَرۡتُ لَكَ مَا فِي بَطۡنِي مُحَرَّرٗا فَتَقَبَّلۡ مِنِّيٓۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Raha niteny ny vadin’i Imran hoe : “Tompo ô! Efa nivoady an-tsitrapo aho, fa atolotro ho anao izay ato ambohoko. Ka aoka Ianao hanaiky ny fitalahoako. Fa Ianao no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra”.
عربي تفسیرونه:
فَلَمَّا وَضَعَتۡهَا قَالَتۡ رَبِّ إِنِّي وَضَعۡتُهَآ أُنثَىٰ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا وَضَعَتۡ وَلَيۡسَ ٱلذَّكَرُ كَٱلۡأُنثَىٰۖ وَإِنِّي سَمَّيۡتُهَا مَرۡيَمَ وَإِنِّيٓ أُعِيذُهَا بِكَ وَذُرِّيَّتَهَا مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ ٱلرَّجِيمِ
Ka nony niteraka azy izy, dia nilaza hoe : “Tompo ô! Indro aho fa niteraka vavy”, ary efa fantatr’Allah rahateo izay naterany! Ary tsy tahaka ny lahy ny vavy. Fa izaho nanome anarana azy hoe Mariam, ary dia mametraka azy sy ny taranany ho eo ambany fiarovanao amin’i satana, ilay voahozona”.
عربي تفسیرونه:
فَتَقَبَّلَهَا رَبُّهَا بِقَبُولٍ حَسَنٖ وَأَنۢبَتَهَا نَبَاتًا حَسَنٗا وَكَفَّلَهَا زَكَرِيَّاۖ كُلَّمَا دَخَلَ عَلَيۡهَا زَكَرِيَّا ٱلۡمِحۡرَابَ وَجَدَ عِندَهَا رِزۡقٗاۖ قَالَ يَٰمَرۡيَمُ أَنَّىٰ لَكِ هَٰذَاۖ قَالَتۡ هُوَ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِۖ إِنَّ ٱللَّهَ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٍ
Ka neken’ny Tompony izany tamin’ny fanekena mendrika, ary nampitomboiny tsara Izy tamin’ny fitomboana mendrika, ary notendreny ho mpiahy Azy i Zakaria. Isaka ny miditra ao Aminy i Zakaria eo amin’ny Mihrab [43] ,dia mahita sakafo ao Aminy. Niteny izy nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Avy aiza no nahazahoanao io (sakafo io) ? ”. Niteny Izy nanao hoe : “ Avy amin’i Allah izy ireto ”. Tena marina fa i Allah dia manome anjara tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: آل عمران
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول