Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: اعراف   آیت:
قَالَا رَبَّنَا ظَلَمۡنَآ أَنفُسَنَا وَإِن لَّمۡ تَغۡفِرۡ لَنَا وَتَرۡحَمۡنَا لَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Tomponay oh ! Nanao ny tsy rariny tamin’ny tenanay izahay, ka raha tsy mamela heloka sy mamindra fo aminay Ianao dia tena ho anisan’ireo maty antoka tokoa izahay”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ ٱهۡبِطُواْ بَعۡضُكُمۡ لِبَعۡضٍ عَدُوّٞۖ وَلَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُسۡتَقَرّٞ وَمَتَٰعٌ إِلَىٰ حِينٖ
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Midìna ianareo, ho mpifahavalo ianareo samy ianareo, hisy fonenana sy fahafinaretana ho anareo eny ambonin’ny tany mandritra ny fotoana voafetra”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ فِيهَا تَحۡيَوۡنَ وَفِيهَا تَمُوتُونَ وَمِنۡهَا تُخۡرَجُونَ
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Eny (ambonin’ny tany) no hiainanareo ary eny koa no hahafatesanareo, ary avy ao (anaty tany) no hamoahana anareo indray”.
عربي تفسیرونه:
يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ قَدۡ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكُمۡ لِبَاسٗا يُوَٰرِي سَوۡءَٰتِكُمۡ وَرِيشٗاۖ وَلِبَاسُ ٱلتَّقۡوَىٰ ذَٰلِكَ خَيۡرٞۚ ذَٰلِكَ مِنۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ لَعَلَّهُمۡ يَذَّكَّرُونَ
Oh ry taranak’i Adama ! Efa nampidina fitafiana taminareo izahay mba hanafenanareo ny fitanjahanareo sy mba ho haingo ho anareo, ary ny fitafian’ny fatahorana no tsara indrindra. Izany dia anisan’ireo famantaran’I Allah, angamba hahatsiaro tena izy ireo.
عربي تفسیرونه:
يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ لَا يَفۡتِنَنَّكُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ كَمَآ أَخۡرَجَ أَبَوَيۡكُم مِّنَ ٱلۡجَنَّةِ يَنزِعُ عَنۡهُمَا لِبَاسَهُمَا لِيُرِيَهُمَا سَوۡءَٰتِهِمَآۚ إِنَّهُۥ يَرَىٰكُمۡ هُوَ وَقَبِيلُهُۥ مِنۡ حَيۡثُ لَا تَرَوۡنَهُمۡۗ إِنَّا جَعَلۡنَا ٱلشَّيَٰطِينَ أَوۡلِيَآءَ لِلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ
Oh ry taranak’i Adama ! Aoka tsy hampiditra fakam-panahy aminareo i Satana tahaka ny namoahany ny ray aman-drenibenareo avy tao amin’ny paradisa, no sady nesoriny tamin’izy ireo ny fitafiany mba hampiharihariany amin’izy ireo ny fitanjahany. Tena mahita anareo izy sy ireo mpiray tsikombakomba aminany, nefa ianareo tsy mahita azy ireo. Marina fa Izy dia nanendry ireo Satana ho sakaizan’ireo izay tsy mino.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا فَعَلُواْ فَٰحِشَةٗ قَالُواْ وَجَدۡنَا عَلَيۡهَآ ءَابَآءَنَا وَٱللَّهُ أَمَرَنَا بِهَاۗ قُلۡ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَأۡمُرُ بِٱلۡفَحۡشَآءِۖ أَتَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Ary raha manao asa vetaveta izy ireo dia niteny hoe : “Izahay dia nahita ireo razambenay tamin’izany ary i Allah no nandidy izany taminay”. Teneno hoe : “Allah dia tsy mandidy amin'ny fahavetavetana. Miteny mahakasik’i Allah amin’izay tsy fantatrareo ve ianareo?”
عربي تفسیرونه:
قُلۡ أَمَرَ رَبِّي بِٱلۡقِسۡطِۖ وَأَقِيمُواْ وُجُوهَكُمۡ عِندَ كُلِّ مَسۡجِدٖ وَٱدۡعُوهُ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَۚ كَمَا بَدَأَكُمۡ تَعُودُونَ
Teneno hoe : “Ny Tompoko dia nandidy ny fanaovana ny rariny. Ary antsangano mitodika Aminy (Allah) ny tavanareo isaky ny toerana hanaovanareo ny Soalat. Ary mangataha Aminy ianareo, amim-pahadiovam-po tanteraka ny fanompoanareo Azy. Tahaka ny nahariany anareo no hiverenanareo (any Aminy)”.
عربي تفسیرونه:
فَرِيقًا هَدَىٰ وَفَرِيقًا حَقَّ عَلَيۡهِمُ ٱلضَّلَٰلَةُۚ إِنَّهُمُ ٱتَّخَذُواْ ٱلشَّيَٰطِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَيَحۡسَبُونَ أَنَّهُم مُّهۡتَدُونَ
Misy ny andiany izay notarihiny làlana, ary misy ny andiany hafa izay mendrika azy ireo ny fahaverezana, satria izy ireo dia naka ireo Satana ho mpiahy ankoatr’I Allah, ary mihevitra izy ireo fa voatari-dàlana tanteraka.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: اعراف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول