Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: اعراف   آیت:
قَالَ ٱدۡخُلُواْ فِيٓ أُمَمٖ قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِكُم مِّنَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِ فِي ٱلنَّارِۖ كُلَّمَا دَخَلَتۡ أُمَّةٞ لَّعَنَتۡ أُخۡتَهَاۖ حَتَّىٰٓ إِذَا ٱدَّارَكُواْ فِيهَا جَمِيعٗا قَالَتۡ أُخۡرَىٰهُمۡ لِأُولَىٰهُمۡ رَبَّنَا هَٰٓؤُلَآءِ أَضَلُّونَا فَـَٔاتِهِمۡ عَذَابٗا ضِعۡفٗا مِّنَ ٱلنَّارِۖ قَالَ لِكُلّٖ ضِعۡفٞ وَلَٰكِن لَّا تَعۡلَمُونَ
Hiteny Izy (Allah) manao hoe : “Midira ianareo, miaraka amin’ireo vahoaka efa nandao teo alohanareo amin’ny Djiny sy ny olombelona, ao anaty Afobe”. Isaky ny misy vahoaka iray miditra ao dia hanozona izay nialoha làlana azy. Rehefa tafahaona tao daholo izy rehetra dia hiteny amin’ireo voalohany ny farany manao hoe : “Tomponay oh ! Izy ireo no namery anay, ka omeo famaizana avo roa heny amin’ny Afobe izy ireo”. Dia hiteny Izy (Allah) manao hoe : “Ho an’ny tsirairay avy ny avo roa heny (amin’ny sazy), nefa tsy mahafantatra ianareo”.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَتۡ أُولَىٰهُمۡ لِأُخۡرَىٰهُمۡ فَمَا كَانَ لَكُمۡ عَلَيۡنَا مِن فَضۡلٖ فَذُوقُواْ ٱلۡعَذَابَ بِمَا كُنتُمۡ تَكۡسِبُونَ
Ary ireo voalohany amin’izy ireo dia hiteny amin’ireo farany manao hoe : “Tsy nanana tombony amboninay na dia kely aza ianareo, ka andramonareo àry ny famaizana noho (ny asa ratsy) izay nataonareo”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَٱسۡتَكۡبَرُواْ عَنۡهَا لَا تُفَتَّحُ لَهُمۡ أَبۡوَٰبُ ٱلسَّمَآءِ وَلَا يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ حَتَّىٰ يَلِجَ ٱلۡجَمَلُ فِي سَمِّ ٱلۡخِيَاطِۚ وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Marina fa ireo izay nilaza fa lainga ny fanambaranay ary nanalavitra azy amim-panambonian-tena, dia tsy ho sokafana ho azy ireo, ireo varavaran’ny lanitra ary tsy hiditra amin’ny Paradisa koa izy ireo mandra-pidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra. Ary tahaka izany no hamalianay ireo mpanao heloka bevava.
عربي تفسیرونه:
لَهُم مِّن جَهَنَّمَ مِهَادٞ وَمِن فَوۡقِهِمۡ غَوَاشٖۚ وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلظَّٰلِمِينَ
Ho azy ireo ny fandriana avy amin’ny Afobe, ary misy firakotra eo ambonin’izy ireo. Ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَا نُكَلِّفُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَآ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Ary ireo izay nino sy nanao asa soa, tsy mampizaka ny olona zavatra izahay afa-tsy izay zakany, izy ireny no olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَنَزَعۡنَا مَا فِي صُدُورِهِم مِّنۡ غِلّٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهِمُ ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ وَقَالُواْ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي هَدَىٰنَا لِهَٰذَا وَمَا كُنَّا لِنَهۡتَدِيَ لَوۡلَآ أَنۡ هَدَىٰنَا ٱللَّهُۖ لَقَدۡ جَآءَتۡ رُسُلُ رَبِّنَا بِٱلۡحَقِّۖ وَنُودُوٓاْ أَن تِلۡكُمُ ٱلۡجَنَّةُ أُورِثۡتُمُوهَا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary hesorinay ny lolom-po rehetra izay misy ao am-pon’izy ireo, ary mikoriana eo ambanin’izy ireo ireo renirano, ka hiteny izy ireo manao hoe : “Dera ho an’I Allah izay nitari-dàlana anay tamin’ity (toerana ity). Ary tsy mba nahatari-dàlana ny tenanay izahay, raha tsy I Allah no nitari-dàlana anay. Tena tonga tokoa ireo iraky ny Tomponay miaraka amin’ny fahamarinana”. Ary hambara amin’izy ireo hoe : “Ity Paradisa ity dia nampandovana anareo nohon'ny asa izay nataonareo”.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: اعراف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول