Check out the new design

ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය * - පරිවර්තන පටුන


අර්ථ කථනය පරිච්ඡේදය: අල් ඉස්රා   වාක්‍යය:
وَإِذَا مَسَّكُمُ ٱلضُّرُّ فِي ٱلۡبَحۡرِ ضَلَّ مَن تَدۡعُونَ إِلَّآ إِيَّاهُۖ فَلَمَّا نَجَّىٰكُمۡ إِلَى ٱلۡبَرِّ أَعۡرَضۡتُمۡۚ وَكَانَ ٱلۡإِنسَٰنُ كَفُورًا
Ary rehefa mahazo anareo ny loza, eny an-dranomasina, dia very (miala amin’ny sainareo) ireo izay nitalahoanareo, afa-tsy Izy (Allah). Ary rehefa navotany eny an-tanety ianareo dia mitsipaka Azy ianareo.Tena tsy mahay mankasitraka ny olombelona.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
أَفَأَمِنتُمۡ أَن يَخۡسِفَ بِكُمۡ جَانِبَ ٱلۡبَرِّ أَوۡ يُرۡسِلَ عَلَيۡكُمۡ حَاصِبٗا ثُمَّ لَا تَجِدُواْ لَكُمۡ وَكِيلًا
Mino ve ianareo fa ho voaaro, tsy handentika anareo ao anaty rindrin-tany Izy na tsy handefa rivo-mahery aminareo ? Ka tsy hahita mpiahy ho anareo ianareo !
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
أَمۡ أَمِنتُمۡ أَن يُعِيدَكُمۡ فِيهِ تَارَةً أُخۡرَىٰ فَيُرۡسِلَ عَلَيۡكُمۡ قَاصِفٗا مِّنَ ٱلرِّيحِ فَيُغۡرِقَكُم بِمَا كَفَرۡتُمۡ ثُمَّ لَا تَجِدُواْ لَكُمۡ عَلَيۡنَا بِهِۦ تَبِيعٗا
Sa ianareo ve ho voaaro tsy haveriny indray mandeha amin’izany (amin’ny ranomasina), ka handefasany rivo-mahery, mpamotika, izay handetika anareo (ao anaty ranomasina) nohon'ny tsy finoanareo ? Ary tsy hahita n'iza n'iza mihitsy ianareo hiaro anareo, hanohitra Anay.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
۞ وَلَقَدۡ كَرَّمۡنَا بَنِيٓ ءَادَمَ وَحَمَلۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِ وَرَزَقۡنَٰهُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَفَضَّلۡنَٰهُمۡ عَلَىٰ كَثِيرٖ مِّمَّنۡ خَلَقۡنَا تَفۡضِيلٗا
Ary tena efa nomenay haja ireo zanak’i Adama. Ary nentinay izy ireo manerana ny tany sy ny ranomasina, ary nomenay azy ireo ny anjara fivelomana tsara, ary nomenay tombony izy ireo mihoatra ireo zava-boary maro izay noharianay.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
يَوۡمَ نَدۡعُواْ كُلَّ أُنَاسِۭ بِإِمَٰمِهِمۡۖ فَمَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِيَمِينِهِۦ فَأُوْلَٰٓئِكَ يَقۡرَءُونَ كِتَٰبَهُمۡ وَلَا يُظۡلَمُونَ فَتِيلٗا
Ny andro izay hiantsoanay ny olona rehetra avy amin’ny mpitarika azy ireo, ka izay omena ny bokiny amin’ny tanany havanana, izy ireny dia hamaky ny bokiny (amim-pifaliana), ary tsy hanaovana ny tsy rariny mihitsy na dia kely aza.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
وَمَن كَانَ فِي هَٰذِهِۦٓ أَعۡمَىٰ فَهُوَ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ أَعۡمَىٰ وَأَضَلُّ سَبِيلٗا
Ary n'iza n'iza jamba eto an-tany, dia jamba ihany koa izy any ankoatra ary tena very lalana.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
وَإِن كَادُواْ لَيَفۡتِنُونَكَ عَنِ ٱلَّذِيٓ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ لِتَفۡتَرِيَ عَلَيۡنَا غَيۡرَهُۥۖ وَإِذٗا لَّٱتَّخَذُوكَ خَلِيلٗا
Ary saika hamily anao hiala amin’izay nambaranay taminao izy ireo, mba hamoron-dainga Aminay (ankoatra izay voalaza), noho izany dia nandray anao ho namana akaiky izy ireo.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
وَلَوۡلَآ أَن ثَبَّتۡنَٰكَ لَقَدۡ كِدتَّ تَرۡكَنُ إِلَيۡهِمۡ شَيۡـٔٗا قَلِيلًا
Ary raha tsy nampahery anao Izahay, dia saika nirona kely tamin’izy ireo Ianao.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
إِذٗا لَّأَذَقۡنَٰكَ ضِعۡفَ ٱلۡحَيَوٰةِ وَضِعۡفَ ٱلۡمَمَاتِ ثُمَّ لَا تَجِدُ لَكَ عَلَيۡنَا نَصِيرٗا
Noho izany, dia hampandramaninay anao ny roa avo henin’ny sazy eto an-tany sy ny roa avo henin’ny sazy amin’ny fahafatesana; avy eo dia tsy hahita mpanavotra hanohitra Anay ianao.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
 
අර්ථ කථනය පරිච්ඡේදය: අල් ඉස්රා
සූරා පටුන පිටු අංක
 
ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය - පරිවර්තන පටුන

රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානයේ කණ්ඩායමක් විසින් රබ්වා හි පිහිටි ආරාධන සංගමය සහ විවිධ භාෂාවන් හරහා ඉස්ලාමීය අන්තර්ග සේවය සඳහා සංගමය සමඟ ඒකාබද්ධව පරිවර්තනය කරන ලදී.

වසන්න