Check out the new design

ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය * - පරිවර්තන පටුන


අර්ථ කථනය පරිච්ඡේදය: අල් අඃරාෆ්   වාක්‍යය:
وَٱذۡكُرُوٓاْ إِذۡ جَعَلَكُمۡ خُلَفَآءَ مِنۢ بَعۡدِ عَادٖ وَبَوَّأَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ تَتَّخِذُونَ مِن سُهُولِهَا قُصُورٗا وَتَنۡحِتُونَ ٱلۡجِبَالَ بُيُوتٗاۖ فَٱذۡكُرُوٓاْ ءَالَآءَ ٱللَّهِ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ
Ary tsarovy raha nataony ho mpandimby toerana taorian’ny fokon’ny Aad ianareo, ka napetrany teo ambonin’ny tany ianareo. Nanorina lapa maro ianareo tamin’ireo tany lemaka, ary nolavahanareo ireo tendrombohitra ho trano. Ka tsarovinareo ireo fahasoavan’I Allah, ary aza miely eto ambonin'ny tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
قَالَ ٱلۡمَلَأُ ٱلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦ لِلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُواْ لِمَنۡ ءَامَنَ مِنۡهُمۡ أَتَعۡلَمُونَ أَنَّ صَٰلِحٗا مُّرۡسَلٞ مِّن رَّبِّهِۦۚ قَالُوٓاْ إِنَّا بِمَآ أُرۡسِلَ بِهِۦ مُؤۡمِنُونَ
Niteny ireo loholona mpanambony tena tamin’ny vahoakany tamin’ireo nino izay niharan’ny tsindry hazolena hoe : “Moa ve fantatrareo fa i Soãlihy dia Iraka avy amin’i Tompony?” Niteny izy ireo hoe : “Marina fa izahay dia mino izay nalefa Aminy”.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
قَالَ ٱلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُوٓاْ إِنَّا بِٱلَّذِيٓ ءَامَنتُم بِهِۦ كَٰفِرُونَ
Niteny ireo izay nanambony tena nanao hoe : “Izahay dia tsy nino mihitsy izay inoanareo”.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
فَعَقَرُواْ ٱلنَّاقَةَ وَعَتَوۡاْ عَنۡ أَمۡرِ رَبِّهِمۡ وَقَالُواْ يَٰصَٰلِحُ ٱئۡتِنَا بِمَا تَعِدُنَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Novonoin’izy ireo ilay ramevavavy no sady tsy nankato ny didin’ny Tompony izy ireo ary niteny hoe : “Oh ry Soãlihy! Alefaso aminay izay nampanantenainao anay raha toa ka isan’ireo Iraka (nalefan’I Allah) Ianao.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلرَّجۡفَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دَارِهِمۡ جَٰثِمِينَ
Dia namely azy ireo ny horohoron-tany, ka indro izy ireo fa nitsitra teo amin’ny toeram-ponenany daholo.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
فَتَوَلَّىٰ عَنۡهُمۡ وَقَالَ يَٰقَوۡمِ لَقَدۡ أَبۡلَغۡتُكُمۡ رِسَالَةَ رَبِّي وَنَصَحۡتُ لَكُمۡ وَلَٰكِن لَّا تُحِبُّونَ ٱلنَّٰصِحِينَ
Ka niamboho azy ireo izy ary niteny hoe : “Ry vahoahako! Efa nampitaiko taminareo ny hafatry ny Tompoko ary nanolo-tsaina anareo aho, saingy tsy tia ireo mpanolo-tsaina ianareo”.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
وَلُوطًا إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦٓ أَتَأۡتُونَ ٱلۡفَٰحِشَةَ مَا سَبَقَكُم بِهَا مِنۡ أَحَدٖ مِّنَ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary (tsarovy) i Lota, “Rehefa niteny tamin’ny vahoakany hoe : “Ianareo ve manao ny asa vetaveta izay tsy mbola nisy nanao izany teo alohanareo?.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
إِنَّكُمۡ لَتَأۡتُونَ ٱلرِّجَالَ شَهۡوَةٗ مِّن دُونِ ٱلنِّسَآءِۚ بَلۡ أَنتُمۡ قَوۡمٞ مُّسۡرِفُونَ
Tena marina fa ianareo dia mankafy amin’ireo lehilahy ny filana ara-nofo ankoatr’ireo vehivavy ! Fa tena vahoaka mpanao ratsy tafahoatra ianareo”.
අල්කුර්ආන් අරාබි අර්ථ විවරණ:
 
අර්ථ කථනය පරිච්ඡේදය: අල් අඃරාෆ්
සූරා පටුන පිටු අංක
 
ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය - පරිවර්තන පටුන

රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානයේ කණ්ඩායමක් විසින් රබ්වා හි පිහිටි ආරාධන සංගමය සහ විවිධ භාෂාවන් හරහා ඉස්ලාමීය අන්තර්ග සේවය සඳහා සංගමය සමඟ ඒකාබද්ධව පරිවර්තනය කරන ලදී.

වසන්න