Check out the new design

அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் * - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை


மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அல்அஹ்ஸாப்   வசனம்:
يَسۡـَٔلُكَ ٱلنَّاسُ عَنِ ٱلسَّاعَةِۖ قُلۡ إِنَّمَا عِلۡمُهَا عِندَ ٱللَّهِۚ وَمَا يُدۡرِيكَ لَعَلَّ ٱلسَّاعَةَ تَكُونُ قَرِيبًا
Manontany anao ireo olona momba ny Ora. Teneno hoe: “Ny fahalalana momba izany dia an’i Allah irery ihany”. Ary inona no ahafantaranao izany? Fa angamba ny Ora dia mety efa akaiky.
அரபு விரிவுரைகள்:
إِنَّ ٱللَّهَ لَعَنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَأَعَدَّ لَهُمۡ سَعِيرًا
Tena marina fa Allah dia nanozona ireo tsy mpino, ary nanomana ho azy ireo ny Afobe mamaivay
அரபு விரிவுரைகள்:
خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ لَّا يَجِدُونَ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرٗا
Haharitra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy hahita mpiahy na mpamonjy.
அரபு விரிவுரைகள்:
يَوۡمَ تُقَلَّبُ وُجُوهُهُمۡ فِي ٱلنَّارِ يَقُولُونَ يَٰلَيۡتَنَآ أَطَعۡنَا ٱللَّهَ وَأَطَعۡنَا ٱلرَّسُولَا۠
Amin’ny andro izay hamadibadihana ny tarehin’izy ireo ao anatin’ny afo, dia hiteny izy ireo hoe : “ Indrisy! Raha mba nankatò an’i Allah sy nankatò ny Iraka Izahay ! ”
அரபு விரிவுரைகள்:
وَقَالُواْ رَبَّنَآ إِنَّآ أَطَعۡنَا سَادَتَنَا وَكُبَرَآءَنَا فَأَضَلُّونَا ٱلسَّبِيلَا۠
Niteny izy ireo hoe : Tomponay o ! tena marina fa izahay dia nanaraka sy naneho fahendrena ireo olon-dehibe nay ka lasa izy ireo indray no nanary anay amin'ny lalany fahaverezana.
அரபு விரிவுரைகள்:
رَبَّنَآ ءَاتِهِمۡ ضِعۡفَيۡنِ مِنَ ٱلۡعَذَابِ وَٱلۡعَنۡهُمۡ لَعۡنٗا كَبِيرٗا
Tomponay ô ! Omeo azy ireo ny sazy avo roa heny, ary ozòny amin’ny fanozonana lehibe izy ireo.
அரபு விரிவுரைகள்:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ ءَاذَوۡاْ مُوسَىٰ فَبَرَّأَهُ ٱللَّهُ مِمَّا قَالُواْۚ وَكَانَ عِندَ ٱللَّهِ وَجِيهٗا
Ô Ianareo izay mino ! Aza manao tahaka ireo izay nanafintohina an’i Mosa (Mosesy) ianareo. Nodiovin’i Allah tamin’izay niampangan’izy ireo azy izy, ary izy dia mendri-kaja teo anatrehan’i Allah.
அரபு விரிவுரைகள்:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَقُولُواْ قَوۡلٗا سَدِيدٗا
Ô ianareo izay mino! Matahora an’i Allah ianareo, ary mitenena teny marina ianareo
அரபு விரிவுரைகள்:
يُصۡلِحۡ لَكُمۡ أَعۡمَٰلَكُمۡ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡ ذُنُوبَكُمۡۗ وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَقَدۡ فَازَ فَوۡزًا عَظِيمًا
Mba hanatsarany ny asanareo sy hamelany ny helokareo. Fa na iza na iza mankatò an’i Allah sy ny Irany dia tena nahazo fahombiazana lehibe.
அரபு விரிவுரைகள்:
إِنَّا عَرَضۡنَا ٱلۡأَمَانَةَ عَلَى ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱلۡجِبَالِ فَأَبَيۡنَ أَن يَحۡمِلۡنَهَا وَأَشۡفَقۡنَ مِنۡهَا وَحَمَلَهَا ٱلۡإِنسَٰنُۖ إِنَّهُۥ كَانَ ظَلُومٗا جَهُولٗا
Marina fa natolotray an’ireo lanitra sy ny tany, ary ireo tendrombohitra ny andraikitra. Nefa nandà ny hitondra izany izy ireo sady natahotra, fa ny olombelona kosa no nitondra izany; kanefa izy dia tena mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mahalala.
அரபு விரிவுரைகள்:
لِّيُعَذِّبَ ٱللَّهُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتِ وَٱلۡمُشۡرِكِينَ وَٱلۡمُشۡرِكَٰتِ وَيَتُوبَ ٱللَّهُ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمَۢا
Mba hamaizan’i Allah an’ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo lahy sy vavy mpanompo sampy, ary mba haneken’i Allah ny fibebahan’ireo mpino lahy sy mpino vavy. Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
அரபு விரிவுரைகள்:
 
மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அல்அஹ்ஸாப்
அத்தியாயங்களின் அட்டவணை பக்க எண்
 
அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை

அர்ருவ்வாத் மொழிபெயர்ப்பு மையத்தின் குழு அல்-ரப்வா அழைப்பு சங்கம் மற்றும் பல் மொழிகளில் இஸ்லாமிய உள்ளடக்கத்திற்கு சேவை செய்யும் சங்கத்துடன் இணைந்து மொழிபெயர்த்துள்ளது.

மூடுக