Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል አሕዛብ   አንቀጽ:
يَسۡـَٔلُكَ ٱلنَّاسُ عَنِ ٱلسَّاعَةِۖ قُلۡ إِنَّمَا عِلۡمُهَا عِندَ ٱللَّهِۚ وَمَا يُدۡرِيكَ لَعَلَّ ٱلسَّاعَةَ تَكُونُ قَرِيبًا
Manontany anao ireo olona momba ny Ora. Teneno hoe: “Ny fahalalana momba izany dia an’i Allah irery ihany”. Ary inona no ahafantaranao izany? Fa angamba ny Ora dia mety efa akaiky.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّ ٱللَّهَ لَعَنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَأَعَدَّ لَهُمۡ سَعِيرًا
Tena marina fa Allah dia nanozona ireo tsy mpino, ary nanomana ho azy ireo ny Afobe mamaivay
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ لَّا يَجِدُونَ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرٗا
Haharitra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy hahita mpiahy na mpamonjy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَوۡمَ تُقَلَّبُ وُجُوهُهُمۡ فِي ٱلنَّارِ يَقُولُونَ يَٰلَيۡتَنَآ أَطَعۡنَا ٱللَّهَ وَأَطَعۡنَا ٱلرَّسُولَا۠
Amin’ny andro izay hamadibadihana ny tarehin’izy ireo ao anatin’ny afo, dia hiteny izy ireo hoe : “ Indrisy! Raha mba nankatò an’i Allah sy nankatò ny Iraka Izahay ! ”
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَقَالُواْ رَبَّنَآ إِنَّآ أَطَعۡنَا سَادَتَنَا وَكُبَرَآءَنَا فَأَضَلُّونَا ٱلسَّبِيلَا۠
Niteny izy ireo hoe : Tomponay o ! tena marina fa izahay dia nanaraka sy naneho fahendrena ireo olon-dehibe nay ka lasa izy ireo indray no nanary anay amin'ny lalany fahaverezana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
رَبَّنَآ ءَاتِهِمۡ ضِعۡفَيۡنِ مِنَ ٱلۡعَذَابِ وَٱلۡعَنۡهُمۡ لَعۡنٗا كَبِيرٗا
Tomponay ô ! Omeo azy ireo ny sazy avo roa heny, ary ozòny amin’ny fanozonana lehibe izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ ءَاذَوۡاْ مُوسَىٰ فَبَرَّأَهُ ٱللَّهُ مِمَّا قَالُواْۚ وَكَانَ عِندَ ٱللَّهِ وَجِيهٗا
Ô Ianareo izay mino ! Aza manao tahaka ireo izay nanafintohina an’i Mosa (Mosesy) ianareo. Nodiovin’i Allah tamin’izay niampangan’izy ireo azy izy, ary izy dia mendri-kaja teo anatrehan’i Allah.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَقُولُواْ قَوۡلٗا سَدِيدٗا
Ô ianareo izay mino! Matahora an’i Allah ianareo, ary mitenena teny marina ianareo
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يُصۡلِحۡ لَكُمۡ أَعۡمَٰلَكُمۡ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡ ذُنُوبَكُمۡۗ وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ فَقَدۡ فَازَ فَوۡزًا عَظِيمًا
Mba hanatsarany ny asanareo sy hamelany ny helokareo. Fa na iza na iza mankatò an’i Allah sy ny Irany dia tena nahazo fahombiazana lehibe.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّا عَرَضۡنَا ٱلۡأَمَانَةَ عَلَى ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱلۡجِبَالِ فَأَبَيۡنَ أَن يَحۡمِلۡنَهَا وَأَشۡفَقۡنَ مِنۡهَا وَحَمَلَهَا ٱلۡإِنسَٰنُۖ إِنَّهُۥ كَانَ ظَلُومٗا جَهُولٗا
Marina fa natolotray an’ireo lanitra sy ny tany, ary ireo tendrombohitra ny andraikitra. Nefa nandà ny hitondra izany izy ireo sady natahotra, fa ny olombelona kosa no nitondra izany; kanefa izy dia tena mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mahalala.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لِّيُعَذِّبَ ٱللَّهُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتِ وَٱلۡمُشۡرِكِينَ وَٱلۡمُشۡرِكَٰتِ وَيَتُوبَ ٱللَّهُ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمَۢا
Mba hamaizan’i Allah an’ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo lahy sy vavy mpanompo sampy, ary mba haneken’i Allah ny fibebahan’ireo mpino lahy sy mpino vavy. Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል አሕዛብ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት