Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል አሕዛብ   አንቀጽ:
تَحِيَّتُهُمۡ يَوۡمَ يَلۡقَوۡنَهُۥ سَلَٰمٞۚ وَأَعَدَّ لَهُمۡ أَجۡرٗا كَرِيمٗا
Ny fiarahaban’izy ireo amin’ny andro izay hihaonan’izy ireo Aminy dia ny hoe : “ SALAM ” (fiadanana), ary nanomana valisoa an-kalalahana ho azy ireo Izy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ شَٰهِدٗا وَمُبَشِّرٗا وَنَذِيرٗا
Ry Mpaminany (Mohammad)! Izahay dia nandefa anao ho vavolombelona, sy mpilaza vaovao mahafaly, ary mpampitandrina.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَدَاعِيًا إِلَى ٱللَّهِ بِإِذۡنِهِۦ وَسِرَاجٗا مُّنِيرٗا
Ary ho mpiantso ho any amin’i Allah avy amin’ny alalany; ary toy ny jiro mpanazava.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَبَشِّرِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ بِأَنَّ لَهُم مِّنَ ٱللَّهِ فَضۡلٗا كَبِيرٗا
Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpino fa tena hahazo fahasoavana lehibe avy amin’i Allah izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَا تُطِعِ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَدَعۡ أَذَىٰهُمۡ وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلٗا
Ary aoka ianao tsy hankatoa ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, avelao ny fanelingelenana ataon’izy ireo, ary ankino amin’i Allah ny fitokisanao fa Allah dia ampy ho mpiantoka.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا نَكَحۡتُمُ ٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ ثُمَّ طَلَّقۡتُمُوهُنَّ مِن قَبۡلِ أَن تَمَسُّوهُنَّ فَمَا لَكُمۡ عَلَيۡهِنَّ مِنۡ عِدَّةٖ تَعۡتَدُّونَهَاۖ فَمَتِّعُوهُنَّ وَسَرِّحُوهُنَّ سَرَاحٗا جَمِيلٗا
Ô Ianareo izay mino ! Raha manambady ireo vehivavy mpino ianareo, avy eo nisarahanareo alohan’ny niraisanareo tamin’izy ireny, dia tsy manana fe-potoana fiandrasana ianareo. Omenareo anjara fananana izy ireny, ary alefaso (amin’ny fisarahana) tsy misy arakaraka izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ إِنَّآ أَحۡلَلۡنَا لَكَ أَزۡوَٰجَكَ ٱلَّٰتِيٓ ءَاتَيۡتَ أُجُورَهُنَّ وَمَا مَلَكَتۡ يَمِينُكَ مِمَّآ أَفَآءَ ٱللَّهُ عَلَيۡكَ وَبَنَاتِ عَمِّكَ وَبَنَاتِ عَمَّٰتِكَ وَبَنَاتِ خَالِكَ وَبَنَاتِ خَٰلَٰتِكَ ٱلَّٰتِي هَاجَرۡنَ مَعَكَ وَٱمۡرَأَةٗ مُّؤۡمِنَةً إِن وَهَبَتۡ نَفۡسَهَا لِلنَّبِيِّ إِنۡ أَرَادَ ٱلنَّبِيُّ أَن يَسۡتَنكِحَهَا خَالِصَةٗ لَّكَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۗ قَدۡ عَلِمۡنَا مَا فَرَضۡنَا عَلَيۡهِمۡ فِيٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ وَمَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ لِكَيۡلَا يَكُونَ عَلَيۡكَ حَرَجٞۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Ry Mpaminany! Nataonay tsy voarara taminao ireo vadinao izay nomenao ny mahariny (vodiondry), sy ireo azonao ara-dalàna tamin’ireo babo an’ady ( Andevo vavy) nomen’i Allah anao, ireo zanaka vavin’ny rahalahin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anabavin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anadahin-dreninao, sy ireo zanaka vavin’ny rahavavin-dreninao, ary ireo izay nanao fifindra-monina niaraka taminao, ny vehivavy mpino raha nanolotra ny tenany ho an’ny Mpaminany; raha te-hanambady azy ny Mpaminany, izany dia natokana ho anao irery ihany ankoatra ireo mpino. Efa tena fantatray izay nodidinay tamin’izy ireo, momba ny vadin’izy ireo sy ireo andevo (vavy) izay ananany mba tsy hisian’ny fanakianana momba anao. Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል አሕዛብ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት