Check out the new design

แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด * - สารบัญ​คำแปล


แปลความหมาย​ สูเราะฮ์: Al-Ahzāb   อายะฮ์:
تَحِيَّتُهُمۡ يَوۡمَ يَلۡقَوۡنَهُۥ سَلَٰمٞۚ وَأَعَدَّ لَهُمۡ أَجۡرٗا كَرِيمٗا
Ny fiarahaban’izy ireo amin’ny andro izay hihaonan’izy ireo Aminy dia ny hoe : “ SALAM ” (fiadanana), ary nanomana valisoa an-kalalahana ho azy ireo Izy.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ شَٰهِدٗا وَمُبَشِّرٗا وَنَذِيرٗا
Ry Mpaminany (Mohammad)! Izahay dia nandefa anao ho vavolombelona, sy mpilaza vaovao mahafaly, ary mpampitandrina.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَدَاعِيًا إِلَى ٱللَّهِ بِإِذۡنِهِۦ وَسِرَاجٗا مُّنِيرٗا
Ary ho mpiantso ho any amin’i Allah avy amin’ny alalany; ary toy ny jiro mpanazava.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَبَشِّرِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ بِأَنَّ لَهُم مِّنَ ٱللَّهِ فَضۡلٗا كَبِيرٗا
Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpino fa tena hahazo fahasoavana lehibe avy amin’i Allah izy ireo.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَلَا تُطِعِ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَدَعۡ أَذَىٰهُمۡ وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلٗا
Ary aoka ianao tsy hankatoa ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, avelao ny fanelingelenana ataon’izy ireo, ary ankino amin’i Allah ny fitokisanao fa Allah dia ampy ho mpiantoka.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا نَكَحۡتُمُ ٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ ثُمَّ طَلَّقۡتُمُوهُنَّ مِن قَبۡلِ أَن تَمَسُّوهُنَّ فَمَا لَكُمۡ عَلَيۡهِنَّ مِنۡ عِدَّةٖ تَعۡتَدُّونَهَاۖ فَمَتِّعُوهُنَّ وَسَرِّحُوهُنَّ سَرَاحٗا جَمِيلٗا
Ô Ianareo izay mino ! Raha manambady ireo vehivavy mpino ianareo, avy eo nisarahanareo alohan’ny niraisanareo tamin’izy ireny, dia tsy manana fe-potoana fiandrasana ianareo. Omenareo anjara fananana izy ireny, ary alefaso (amin’ny fisarahana) tsy misy arakaraka izy ireo.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ إِنَّآ أَحۡلَلۡنَا لَكَ أَزۡوَٰجَكَ ٱلَّٰتِيٓ ءَاتَيۡتَ أُجُورَهُنَّ وَمَا مَلَكَتۡ يَمِينُكَ مِمَّآ أَفَآءَ ٱللَّهُ عَلَيۡكَ وَبَنَاتِ عَمِّكَ وَبَنَاتِ عَمَّٰتِكَ وَبَنَاتِ خَالِكَ وَبَنَاتِ خَٰلَٰتِكَ ٱلَّٰتِي هَاجَرۡنَ مَعَكَ وَٱمۡرَأَةٗ مُّؤۡمِنَةً إِن وَهَبَتۡ نَفۡسَهَا لِلنَّبِيِّ إِنۡ أَرَادَ ٱلنَّبِيُّ أَن يَسۡتَنكِحَهَا خَالِصَةٗ لَّكَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۗ قَدۡ عَلِمۡنَا مَا فَرَضۡنَا عَلَيۡهِمۡ فِيٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ وَمَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ لِكَيۡلَا يَكُونَ عَلَيۡكَ حَرَجٞۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Ry Mpaminany! Nataonay tsy voarara taminao ireo vadinao izay nomenao ny mahariny (vodiondry), sy ireo azonao ara-dalàna tamin’ireo babo an’ady ( Andevo vavy) nomen’i Allah anao, ireo zanaka vavin’ny rahalahin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anabavin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anadahin-dreninao, sy ireo zanaka vavin’ny rahavavin-dreninao, ary ireo izay nanao fifindra-monina niaraka taminao, ny vehivavy mpino raha nanolotra ny tenany ho an’ny Mpaminany; raha te-hanambady azy ny Mpaminany, izany dia natokana ho anao irery ihany ankoatra ireo mpino. Efa tena fantatray izay nodidinay tamin’izy ireo, momba ny vadin’izy ireo sy ireo andevo (vavy) izay ananany mba tsy hisian’ny fanakianana momba anao. Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
 
แปลความหมาย​ สูเราะฮ์: Al-Ahzāb
สารบัญสูเราะฮ์ หมายเลข​หน้า​
 
แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด - สารบัญ​คำแปล

แปลโดยทีมงานศูนย์แปลรุว๊าด ร่วมกับสมาคมการเผยแพร่ศาสนาอิสลามที่รอบวะฮ์ และสมาคมบริการเนื้อหาอิสลามด้วยภาษาต่าง ๆ

ปิด