Check out the new design

పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం * - అనువాదాల విషయసూచిక


భావార్ధాల అనువాదం సూరహ్: అల్-అంకబూత్   వచనం:
وَلَمَّا جَآءَتۡ رُسُلُنَآ إِبۡرَٰهِيمَ بِٱلۡبُشۡرَىٰ قَالُوٓاْ إِنَّا مُهۡلِكُوٓاْ أَهۡلِ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةِۖ إِنَّ أَهۡلَهَا كَانُواْ ظَٰلِمِينَ
Ary rehefa tonga tao amin’i Abrahama ireo irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Izahay dia handringana ireo mponin’io tanàna io (tànanan’i Lota), satria ny mponina ao aminy dia tena mpanao ny tsy rariny.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
قَالَ إِنَّ فِيهَا لُوطٗاۚ قَالُواْ نَحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَن فِيهَاۖ لَنُنَجِّيَنَّهُۥ وَأَهۡلَهُۥٓ إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ كَانَتۡ مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Niteny izy : Nefa i Lota ange ao e !”. Namaly izy ireo nanao hoe : “ Fantatray tsara izay monina ao.Tena avotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo ho ripaka”.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَمَّآ أَن جَآءَتۡ رُسُلُنَا لُوطٗا سِيٓءَ بِهِمۡ وَضَاقَ بِهِمۡ ذَرۡعٗاۖ وَقَالُواْ لَا تَخَفۡ وَلَا تَحۡزَنۡ إِنَّا مُنَجُّوكَ وَأَهۡلَكَ إِلَّا ٱمۡرَأَتَكَ كَانَتۡ مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Ary rehefa tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely) dia nalahelo azy ireo izy, ary nahatsapa fa tsy afa-miaro azy ireo. Niteny taminy izy ireo hoe : “Aza matahotra ianao, ary aza malahelo...! Marina fa hanavotra anao sy ny fianakavianao izahay, afa-tsy ny vadinao izay anisan’ireo ho ripaka.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
إِنَّا مُنزِلُونَ عَلَىٰٓ أَهۡلِ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةِ رِجۡزٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ بِمَا كَانُواْ يَفۡسُقُونَ
Halatsakay avy any an-danitra amin’ny mponin’ity tanàna ity ny famaizana nohon'ny asa ratsy izay nataon’izy ireo”.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَقَد تَّرَكۡنَا مِنۡهَآ ءَايَةَۢ بَيِّنَةٗ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Ary tena marina, fa namela famantarana mazava tao Izahay ho an’ireo vahoaka izay misaina .
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَإِلَىٰ مَدۡيَنَ أَخَاهُمۡ شُعَيۡبٗا فَقَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱرۡجُواْ ٱلۡيَوۡمَ ٱلۡأٓخِرَ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ
Toy izany koa ny amin’ireo Madiana ; (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Shoaimbo izay niteny tamin’izy ireo hoe : “Ô ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah ary manantenà ny andro farany, fa aza miely eto ambony tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلرَّجۡفَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دَارِهِمۡ جَٰثِمِينَ
Nefa noraisin’izy ireo ho mpandainga izy. Dia tonga namely azy ireo ny horohoron-tany mahery vaika, nony maraina, dia nitsirara tsy aman’aina tao amin’ny fonenany izy ireo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَعَادٗا وَثَمُودَاْ وَقَد تَّبَيَّنَ لَكُم مِّن مَّسَٰكِنِهِمۡۖ وَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَصَدَّهُمۡ عَنِ ٱلسَّبِيلِ وَكَانُواْ مُسۡتَبۡصِرِينَ
Torak’izany koa ireo vahoakan’i Andy sy Thamody. Hitanareo miharihary izany toeram-ponenan’izy ireo izany. Ny satana anefa dia nanatsara ny asan’izy ireo, ka nanakana azy ireo tamin’ny lala-mahitsy ; nefa izy ireo dia tao anatin’ny fahiratan-tsaina.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
 
భావార్ధాల అనువాదం సూరహ్: అల్-అంకబూత్
సూరాల విషయసూచిక పేజీ నెంబరు
 
పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం - అనువాదాల విషయసూచిక

రువాద్ అనువాద కేంద్రం బృందం రబ్వాలోని దావా అసోసియేషన్ మరియు భాషలలో ఇస్లామిక్ కంటెంట్ సేవల సంఘం సహకారంతో అనువదించింది.

మూసివేయటం