Check out the new design

పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం * - అనువాదాల విషయసూచిక


భావార్ధాల అనువాదం సూరహ్: అల్-అంకబూత్   వచనం:
وَيَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَلَوۡلَآ أَجَلٞ مُّسَمّٗى لَّجَآءَهُمُ ٱلۡعَذَابُۚ وَلَيَأۡتِيَنَّهُم بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Ary mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Raha tsy efa nisy fe-potoana voafetra, dia efa tonga tamin’izy ireo ny famaizana. Ary tena ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ka tsy ho tsapan’izy ireo akory.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
يَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَإِنَّ جَهَنَّمَ لَمُحِيطَةُۢ بِٱلۡكَٰفِرِينَ
Mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Kanefa ny tena marina, dia ny Afobe no mihodidina amin’ireo tsy mpino.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
يَوۡمَ يَغۡشَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِن فَوۡقِهِمۡ وَمِن تَحۡتِ أَرۡجُلِهِمۡ وَيَقُولُ ذُوقُواْ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Amin’ny andro izay handrakofan’ny famaizana amin'izy ireo, avy eny ambonin’izy ireo sy eny ambanin’ny tongotr’izy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hoe : “Andramanareo izay nataonareo”.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
يَٰعِبَادِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِنَّ أَرۡضِي وَٰسِعَةٞ فَإِيَّٰيَ فَٱعۡبُدُونِ
Ô ry Mpanompoko izay nino ! Tena marina fa ny taniko dia midadasika. Ka aoka Izaho irery ihany no ho tompoinareo !
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
كُلُّ نَفۡسٖ ذَآئِقَةُ ٱلۡمَوۡتِۖ ثُمَّ إِلَيۡنَا تُرۡجَعُونَ
Ny manan’aina rehetra dia samy hanandrana ny fahafatesana. Avy eo, atỳ Aminay no hamerenana anareo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَنُبَوِّئَنَّهُم مِّنَ ٱلۡجَنَّةِ غُرَفٗا تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ نِعۡمَ أَجۡرُ ٱلۡعَٰمِلِينَ
Ka ireo izay mino sy manao ny asa soa, dia tena hapetrakay eo ambony rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tena valisoa tsara tokoa ny an’ireo mpanao ny asa tsara,
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ
Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَكَأَيِّن مِّن دَآبَّةٖ لَّا تَحۡمِلُ رِزۡقَهَا ٱللَّهُ يَرۡزُقُهَا وَإِيَّاكُمۡۚ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Firifiry moa ireo biby izay tsy miandraikitra akory ny anjara sakafony ! Fa Allah no manome anjara sakafo ho azy ireo, ary ho anareo koa. Ary Izy dia Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۖ فَأَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany, mandrindra ny masoandro sy ny volana ? ”. Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah”. Ka nahoana àry no mivily làlana izy ireo ?
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
ٱللَّهُ يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦ وَيَقۡدِرُ لَهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Allah no manome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra izany ihany koa eo aminy. Tena marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّن نَّزَّلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ مِنۢ بَعۡدِ مَوۡتِهَا لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۚ قُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡقِلُونَ
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.
అరబీ భాషలోని ఖుర్ఆన్ వ్యాఖ్యానాలు:
 
భావార్ధాల అనువాదం సూరహ్: అల్-అంకబూత్
సూరాల విషయసూచిక పేజీ నెంబరు
 
పవిత్ర ఖురాన్ యొక్క భావార్థాల అనువాదం - మాలాగసీ అనువాదం - రువ్వాద్ అనువాద కేంద్రం - అనువాదాల విషయసూచిక

రువాద్ అనువాద కేంద్రం బృందం రబ్వాలోని దావా అసోసియేషన్ మరియు భాషలలో ఇస్లామిక్ కంటెంట్ సేవల సంఘం సహకారంతో అనువదించింది.

మూసివేయటం