Check out the new design

แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด * - สารบัญ​คำแปล


แปลความหมาย​ สูเราะฮ์: Āl-‘Imrān   อายะฮ์:
وَلَئِن مُّتُّمۡ أَوۡ قُتِلۡتُمۡ لَإِلَى ٱللَّهِ تُحۡشَرُونَ
Ary raha maty na novonoina Ianareo dia tsy maintsy any amin’i Allah no hamoriana Anareo.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
فَبِمَا رَحۡمَةٖ مِّنَ ٱللَّهِ لِنتَ لَهُمۡۖ وَلَوۡ كُنتَ فَظًّا غَلِيظَ ٱلۡقَلۡبِ لَٱنفَضُّواْ مِنۡ حَوۡلِكَۖ فَٱعۡفُ عَنۡهُمۡ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لَهُمۡ وَشَاوِرۡهُمۡ فِي ٱلۡأَمۡرِۖ فَإِذَا عَزَمۡتَ فَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُتَوَكِّلِينَ
Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo Ianao. Ary raha Ianao no henjana sy mafy Fo, dia hiataka ny manodidina Anao izy ireo. Ka andefero àry izy ireo, sy angataho famelan-keloka. Ary makà hevitra amin’izy ireo, mahakasika ny raharaha izay atao Ianao. Koa rehefa tapa-kevitra Ianao, dia ankino amin’i Allah izany. Tena marina fa i Allah dia tia ireo mpiankina Aminy.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
إِن يَنصُرۡكُمُ ٱللَّهُ فَلَا غَالِبَ لَكُمۡۖ وَإِن يَخۡذُلۡكُمۡ فَمَن ذَا ٱلَّذِي يَنصُرُكُم مِّنۢ بَعۡدِهِۦۗ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Raha manampy Anareo i Allah dia tsy hisy handresy Anareo mihitsy, fa raha mandao Anareo kosa Izy (Allah), dia iza indray no hanampy Anareo aoriany ? Ary aoka amin’i Allah no iankinan’ny mpino rehetra.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَمَا كَانَ لِنَبِيٍّ أَن يَغُلَّۚ وَمَن يَغۡلُلۡ يَأۡتِ بِمَا غَلَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ ثُمَّ تُوَفَّىٰ كُلُّ نَفۡسٖ مَّا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Tsy ny Mpaminany (s.w.a) mihitsy no mibodo ny zavatra azo babo. N'iza n'iza mibodo ny zavatra azo babo, dia mitondra miaraka Aminy izay nobodoiny amin’ny Andro fitsanganana amin’ny maty Izy. Avy eo dia omena tanteraka ny tsirairay ny valin’asany, ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
أَفَمَنِ ٱتَّبَعَ رِضۡوَٰنَ ٱللَّهِ كَمَنۢ بَآءَ بِسَخَطٖ مِّنَ ٱللَّهِ وَمَأۡوَىٰهُ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Moa ve izay manome fahafaham-po an’i Allah dia mitovy amin’izay hiharan’ny fahatezeran’i Allah ? Ny fialofany dia ny Afobe. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
هُمۡ دَرَجَٰتٌ عِندَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِمَا يَعۡمَلُونَ
Izy ireo dia samy amin’ny ambaratongan-daharany eo anatrehan’i Allah. ary i Allah dia tena mahita izay rehetra ataon’izy ireo.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
لَقَدۡ مَنَّ ٱللَّهُ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذۡ بَعَثَ فِيهِمۡ رَسُولٗا مِّنۡ أَنفُسِهِمۡ يَتۡلُواْ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِهِۦ وَيُزَكِّيهِمۡ وَيُعَلِّمُهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَإِن كَانُواْ مِن قَبۡلُ لَفِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٍ
Efa nomen’i Allah tombontsoa ireo mpino, raha nandefa tamin’izy ireo an'ilay Iraka avy amin’izy ireo ihany Izy, izay hamaky ireo fanambarany amin’izy ireo, sy hanadio ny fanahin’izy ireo, ary hampianatra azy ireo ny Boky sy ny fahendrena, raha tao anatin’ny fahaverezana miharihary izy ireo teo aloha.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
أَوَلَمَّآ أَصَٰبَتۡكُم مُّصِيبَةٞ قَدۡ أَصَبۡتُم مِّثۡلَيۡهَا قُلۡتُمۡ أَنَّىٰ هَٰذَاۖ قُلۡ هُوَ مِنۡ عِندِ أَنفُسِكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Fa ahoana ! Raha niharan’ny fahavoazana iray Ianareo dia efa voa tahaka izany avo roa heny Ianareo fahiny, niteny Ianareo hoe : “ Avy aiza izao ? ”. Teneno hoe : “ Izy io dia avy amin’ny tenanareo ihany ”. Marina fa i Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
 
แปลความหมาย​ สูเราะฮ์: Āl-‘Imrān
สารบัญสูเราะฮ์ หมายเลข​หน้า​
 
แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด - สารบัญ​คำแปล

แปลโดยทีมงานศูนย์แปลรุว๊าด ร่วมกับสมาคมการเผยแพร่ศาสนาอิสลามที่รอบวะฮ์ และสมาคมบริการเนื้อหาอิสลามด้วยภาษาต่าง ๆ

ปิด