Check out the new design

แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด * - สารบัญ​คำแปล


แปลความหมาย​ สูเราะฮ์: At-Tawbah   อายะฮ์:
وَٱلسَّٰبِقُونَ ٱلۡأَوَّلُونَ مِنَ ٱلۡمُهَٰجِرِينَ وَٱلۡأَنصَارِ وَٱلَّذِينَ ٱتَّبَعُوهُم بِإِحۡسَٰنٖ رَّضِيَ ٱللَّهُ عَنۡهُمۡ وَرَضُواْ عَنۡهُ وَأَعَدَّ لَهُمۡ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي تَحۡتَهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۚ ذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Ireo mpino voalohany nialoha làlana tamin’ireo mpifindra-monina sy ny mpanampy (tompon-tany ao Madina) ary ireo izay nanaraka azy ireo tamin’ny fitondran-tena tsara, dia nankasitraka azy ireo Allah ary izy ireo dia nankasitraka Azy ihany koa. Ary Allah dia nanomana ho azy ireo, ireo zaridaina misy renirano maro mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay doria izy ireo. Izany no fahombiazana lehibe indrindra.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَمِمَّنۡ حَوۡلَكُم مِّنَ ٱلۡأَعۡرَابِ مُنَٰفِقُونَۖ وَمِنۡ أَهۡلِ ٱلۡمَدِينَةِ مَرَدُواْ عَلَى ٱلنِّفَاقِ لَا تَعۡلَمُهُمۡۖ نَحۡنُ نَعۡلَمُهُمۡۚ سَنُعَذِّبُهُم مَّرَّتَيۡنِ ثُمَّ يُرَدُّونَ إِلَىٰ عَذَابٍ عَظِيمٖ
Ary misy amin’ireo Arabo mpifindra-monina izay manodidina Anareo no mpihatsaravelatsihy ary misy ihany koa amin’ireo vahoakan’ny Madina, mifikitra amin’ny fiatsaram-belatsihy izy ireo. Tsy mahafantatra azy ireo Ianao, fa Izahay kosa dia mahafantatra azy ireo. Ho sazinay in-droa izy ireo, avy eo dia havarina ao amin’ny sazy lehibe.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَءَاخَرُونَ ٱعۡتَرَفُواْ بِذُنُوبِهِمۡ خَلَطُواْ عَمَلٗا صَٰلِحٗا وَءَاخَرَ سَيِّئًا عَسَى ٱللَّهُ أَن يَتُوبَ عَلَيۡهِمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٌ
Ary ny sasany tamin’izy ireo dia niaiky ny fahotany, nampifangaro ny asa soa tamin’ny ratsy izy ireo. Angamba i Allah handray ny fibebahan’izy ireo. Tena marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
خُذۡ مِنۡ أَمۡوَٰلِهِمۡ صَدَقَةٗ تُطَهِّرُهُمۡ وَتُزَكِّيهِم بِهَا وَصَلِّ عَلَيۡهِمۡۖ إِنَّ صَلَوٰتَكَ سَكَنٞ لَّهُمۡۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Makà ampahany amin’ny fananan’izy ireo Ianao mba hanadiovanao sy hanomezanao azy ireo tsodrano avy amin’ny alalan’izany. Mivavaha ho azy ireo Ianao, fa ny vavaka ataonao azy ireo dia tena fitoniana ho azy ireo ary Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
أَلَمۡ يَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ هُوَ يَقۡبَلُ ٱلتَّوۡبَةَ عَنۡ عِبَادِهِۦ وَيَأۡخُذُ ٱلصَّدَقَٰتِ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلتَّوَّابُ ٱلرَّحِيمُ
Moa ve tsy fantatr’izy ireo tokoa fa i Allah no mandray fibebahan’ireo mpanompony sy mandray ireo fanomezana. Marina fa i Allah no mandray ny Fibebahana sy be Fiantrana.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَقُلِ ٱعۡمَلُواْ فَسَيَرَى ٱللَّهُ عَمَلَكُمۡ وَرَسُولُهُۥ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَۖ وَسَتُرَدُّونَ إِلَىٰ عَٰلِمِ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ فَيُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary teneno hoe : “ Miasà Ianareo, fa ho hitan’i Allah sy ny Irany ary ny olon-drehetra ny Asanareo ary ho averina any amin’Ilay Mahafantatra ny miafina sy ny hita maso Ianareo ary ho lazainy Anareo izay rehetra nataonareo.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
وَءَاخَرُونَ مُرۡجَوۡنَ لِأَمۡرِ ٱللَّهِ إِمَّا يُعَذِّبُهُمۡ وَإِمَّا يَتُوبُ عَلَيۡهِمۡۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ary ireo sasany hafa dia navela eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitr’i Allah, na ho saziany izy ireo na ho avelany ny helok’izy ireo. Ary Allah dia be Fahalalana sy be Fahendrena.
ตัฟสีรต่างๆ​ ภาษาอาหรับ:
 
แปลความหมาย​ สูเราะฮ์: At-Tawbah
สารบัญสูเราะฮ์ หมายเลข​หน้า​
 
แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด - สารบัญ​คำแปล

แปลโดยทีมงานศูนย์แปลรุว๊าด ร่วมกับสมาคมการเผยแพร่ศาสนาอิสลามที่รอบวะฮ์ และสมาคมบริการเนื้อหาอิสลามด้วยภาษาต่าง ๆ

ปิด