Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: An-Noor   Ayah:

An-nour

سُورَةٌ أَنزَلۡنَٰهَا وَفَرَضۡنَٰهَا وَأَنزَلۡنَا فِيهَآ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٖ لَّعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ
Indro soratra (antoko-tsoratra) iray, izay nampidininay, sy izay nodidianay, ary nampidininay tao anatin’izany ireo famantarana maro miharihary, angamba hahatsiaro tena ianareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
ٱلزَّانِيَةُ وَٱلزَّانِي فَٱجۡلِدُواْ كُلَّ وَٰحِدٖ مِّنۡهُمَا مِاْئَةَ جَلۡدَةٖۖ وَلَا تَأۡخُذۡكُم بِهِمَا رَأۡفَةٞ فِي دِينِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۖ وَلۡيَشۡهَدۡ عَذَابَهُمَا طَآئِفَةٞ مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ny vehivavy mpijangajanga sy ny lehilahy mpijangajanga dia kapohinareo in-jato tsirairay avy izy roa amin’ny karavasy. Aoka tsy ho resin’ny fangorahana ianareo amin’ny fanatanterahana ny didin’I Allah amin’izy roa, raha mino an'I Allah sy ny Andro farany ianareo, ary aoka hisy hiatrika ny famaizana azy ireo ny andian’ireo mpino.
Ang mga Tafsir na Arabe:
ٱلزَّانِي لَا يَنكِحُ إِلَّا زَانِيَةً أَوۡ مُشۡرِكَةٗ وَٱلزَّانِيَةُ لَا يَنكِحُهَآ إِلَّا زَانٍ أَوۡ مُشۡرِكٞۚ وَحُرِّمَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ny lehilahy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy vehivavy mpijangajanga, na vehivavy mpanompo sampy, ary ny vehivavy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy lehilahy mpijangajanga, na lehilahy mpanompo sampy, ary izany dia voarara ho an’ireo mpino.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ ٱلۡمُحۡصَنَٰتِ ثُمَّ لَمۡ يَأۡتُواْ بِأَرۡبَعَةِ شُهَدَآءَ فَٱجۡلِدُوهُمۡ ثَمَٰنِينَ جَلۡدَةٗ وَلَا تَقۡبَلُواْ لَهُمۡ شَهَٰدَةً أَبَدٗاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ
Ary ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy madio fitondran-tena ka tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapoinareo im-balo-polo izy ireo amin’ny karavasy, ary aza ekena mihitsy ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Ary izy ireny no tena mpanao ratsy.
Ang mga Tafsir na Arabe:
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany sy nanova ny fitodran-tena. Tena marina fa I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ أَزۡوَٰجَهُمۡ وَلَمۡ يَكُن لَّهُمۡ شُهَدَآءُ إِلَّآ أَنفُسُهُمۡ فَشَهَٰدَةُ أَحَدِهِمۡ أَرۡبَعُ شَهَٰدَٰتِۭ بِٱللَّهِ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Ary ireo izay manendrikendrika ny vadiny nefa tsy manana vavolombelona afa-tsy ny tenany ihany, dia ny fijoroan’ny iray amin’izy ireo vavolombelona dia mitovy fijoroana vavolombelona in’efatra eo anatrehan’I Allah. Tena marina fa izy dia anisan’ireo mpilaza ny marina.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱلۡخَٰمِسَةُ أَنَّ لَعۡنَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡهِ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ary ny fahadimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (lehilahy) tokoa ny ozon’I Allah raha anisan’ireo mpandainga izy.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَيَدۡرَؤُاْ عَنۡهَا ٱلۡعَذَابَ أَن تَشۡهَدَ أَرۡبَعَ شَهَٰدَٰتِۭ بِٱللَّهِ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ary tsy hampiharina aminy (vehivavy) ny famaizana raha toa ka mijoro vavolombelona in-efatra eo anatrehan’I Allah izy, fa tena marina izy (vadiny) dia anisan’ireo mpandainga.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱلۡخَٰمِسَةَ أَنَّ غَضَبَ ٱللَّهِ عَلَيۡهَآ إِن كَانَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Ary ny faha-dimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (vehivavy) ny fahatezeran’I Allah, raha anisan’ireo mpilaza ny marina izy (lehilahy vadiny).
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ وَأَنَّ ٱللَّهَ تَوَّابٌ حَكِيمٌ
Ary raha tsy ny fahasoavan’I Allah sy ny indrafony aminareo (dia nofaiziny avy hatrany ianareo), ary marina fa I Allah dia Mpandray fibebahana sy be Fahendrena.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: An-Noor
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara