Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: Ar-Rūm   Ayah:
قُلۡ سِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلُۚ كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّشۡرِكِينَ
Teneno hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo izay niafaran’ireo niaina teo aloha. Ny ankamaroan’izy ireo dia mpanompo sampy”.
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَأَقِمۡ وَجۡهَكَ لِلدِّينِ ٱلۡقَيِّمِ مِن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَ يَوۡمٞ لَّا مَرَدَّ لَهُۥ مِنَ ٱللَّهِۖ يَوۡمَئِذٖ يَصَّدَّعُونَ
Koa atsangano àry ny tavanao amin’ny finoana marina, mialoha ny hahatongavan’ny Andro avy amin’i Allah izay tsy azo hidovirana. Amin’izany andro izany dia hizarazara izy ireo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
مَن كَفَرَ فَعَلَيۡهِ كُفۡرُهُۥۖ وَمَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا فَلِأَنفُسِهِمۡ يَمۡهَدُونَ
izay tsy nino dia hihatra aminy ny tsy finoany. Ary n'iza n'iza manao asa soa, dia ho an’ny tenan’izy ireo ihany no hanomanany izany.
Ang mga Tafsir na Arabe:
لِيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ مِن فَضۡلِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Mba hanomezany valisoa, avy amin’ny fahasoavany, ireo izay mino sy manao asa soa. Tena marina fa, Izy dia tsy tia ireo tsy mpino.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦٓ أَن يُرۡسِلَ ٱلرِّيَاحَ مُبَشِّرَٰتٖ وَلِيُذِيقَكُم مِّن رَّحۡمَتِهِۦ وَلِتَجۡرِيَ ٱلۡفُلۡكُ بِأَمۡرِهِۦ وَلِتَبۡتَغُواْ مِن فَضۡلِهِۦ وَلَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fandefasany ireo rivotra ho mpilaza vaovao mahafaly, ary mba hampanandramany azy ireo ny ampahany amin’ny famindram-pony, sy mba hampisosa ny sambo, avy amin’ny baikony, ary mba hitadiavanareo ny fahasoavany. Ary angamba hankasitraka ianareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ رُسُلًا إِلَىٰ قَوۡمِهِمۡ فَجَآءُوهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَٱنتَقَمۡنَا مِنَ ٱلَّذِينَ أَجۡرَمُواْۖ وَكَانَ حَقًّا عَلَيۡنَا نَصۡرُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary tena efa nandefa Iraka maro talohanao Izahay, tamin’ny vahoakan’izy ireo, ka nitondra ireo porofo mazava. Ary novalianay sazy ireo izay nanao heloka be vava; ary adidinay tokoa ny mamonjy ireo mpino.
Ang mga Tafsir na Arabe:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي يُرۡسِلُ ٱلرِّيَٰحَ فَتُثِيرُ سَحَابٗا فَيَبۡسُطُهُۥ فِي ٱلسَّمَآءِ كَيۡفَ يَشَآءُ وَيَجۡعَلُهُۥ كِسَفٗا فَتَرَى ٱلۡوَدۡقَ يَخۡرُجُ مِنۡ خِلَٰلِهِۦۖ فَإِذَآ أَصَابَ بِهِۦ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦٓ إِذَا هُمۡ يَسۡتَبۡشِرُونَ
Allah, Izy no mandefa ireo rivotra izay mampiakatra ireo rahona, avy eo, manaparitaka izany eny amin’ny lanitra araka izay sitrany Izy; ary nataony mitsitokotoko izany. Ka hitanao ny ranon’orana fa mivoaka avy amin’ny hatevin’izy ireo. Ary rehefa narotsany tamin’izay tiany izany, dia indro fa feno haravoana izy ireo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَإِن كَانُواْ مِن قَبۡلِ أَن يُنَزَّلَ عَلَيۡهِم مِّن قَبۡلِهِۦ لَمُبۡلِسِينَ
Na dia efa very fanantenana aza izy ireo, talohan’ny nampidinana izany tamin’izy ireo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَٱنظُرۡ إِلَىٰٓ ءَاثَٰرِ رَحۡمَتِ ٱللَّهِ كَيۡفَ يُحۡيِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَآۚ إِنَّ ذَٰلِكَ لَمُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Jereo àry ireo vokatry ny famindram-pon’i Allah, ahoana no hamelomany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa Izy no hamelona ireo maty, ary Izy tokoa no Mahefa ny zava-drehetra.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: Ar-Rūm
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara