Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: Az-Zukhruf   Ayah:
وَكَذَٰلِكَ مَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ فِي قَرۡيَةٖ مِّن نَّذِيرٍ إِلَّا قَالَ مُتۡرَفُوهَآ إِنَّا وَجَدۡنَآ ءَابَآءَنَا عَلَىٰٓ أُمَّةٖ وَإِنَّا عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِم مُّقۡتَدُونَ
Ary toy izany koa, tsy nandefa mpampitandrina talohanao tamin’ny tanàna iray izahay, ka tsy notenenin’ireo tsara fari-piainana tao amin’izany hoe : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka nanaraka ny dian’izy ireo.”
Ang mga Tafsir na Arabe:
۞ قَٰلَ أَوَلَوۡ جِئۡتُكُم بِأَهۡدَىٰ مِمَّا وَجَدتُّمۡ عَلَيۡهِ ءَابَآءَكُمۡۖ قَالُوٓاْ إِنَّا بِمَآ أُرۡسِلۡتُم بِهِۦ كَٰفِرُونَ
Hoy izy : “ Na dia lalana tsara kokoa noho izay nahitanareo ny razam-benareo aza va no entiko aminareo ? ”. Hoy izy ireo : “ Tsy mino ny hafatra nanirahana anareo izahay.”
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَٱنتَقَمۡنَا مِنۡهُمۡۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ
Hamaly (hanasazy) azy ireo Izahay. Ary jereo ny niafaran’ireo izay nilaza (izany) ho lainga.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَإِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِيمُ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦٓ إِنَّنِي بَرَآءٞ مِّمَّا تَعۡبُدُونَ
Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany sy tamin’ny Rainy i Abrahama hoe : “ Laviko tanteraka izay tompoinareo"
Ang mga Tafsir na Arabe:
إِلَّا ٱلَّذِي فَطَرَنِي فَإِنَّهُۥ سَيَهۡدِينِ
Afa-tsy ilay Nahary ahy, satria marina fa Izy no hitari-dalana ahy.”
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَجَعَلَهَا كَلِمَةَۢ بَاقِيَةٗ فِي عَقِبِهِۦ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Ka dia napetrany ho teny maharitra eo amin’ny taranany izany, mba hiverenan’izy ireo ?
Ang mga Tafsir na Arabe:
بَلۡ مَتَّعۡتُ هَٰٓؤُلَآءِ وَءَابَآءَهُمۡ حَتَّىٰ جَآءَهُمُ ٱلۡحَقُّ وَرَسُولٞ مُّبِينٞ
Fa nomeko fahasambarana ireo olona ireo sy ireo razam-beny, mandra-pahatongan’ny Marina sy ny iraka mazava teo amin’izy ieo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَلَمَّا جَآءَهُمُ ٱلۡحَقُّ قَالُواْ هَٰذَا سِحۡرٞ وَإِنَّا بِهِۦ كَٰفِرُونَ
Ary rehefa tonga teo amin’izy ireo ny fahamarinana, dia hoy izy ireo : “ Majika izao, fa tsy mino izany izahay.”
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَقَالُواْ لَوۡلَا نُزِّلَ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانُ عَلَىٰ رَجُلٖ مِّنَ ٱلۡقَرۡيَتَيۡنِ عَظِيمٍ
Ary hoy izy ireo : “Ahoana no tsy nampidinana io Koroany io, tamin’ny olona ambony, tamin’ny iray amin’ireo tanàna roa ?
Ang mga Tafsir na Arabe:
أَهُمۡ يَقۡسِمُونَ رَحۡمَتَ رَبِّكَۚ نَحۡنُ قَسَمۡنَا بَيۡنَهُم مَّعِيشَتَهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۚ وَرَفَعۡنَا بَعۡضَهُمۡ فَوۡقَ بَعۡضٖ دَرَجَٰتٖ لِّيَتَّخِذَ بَعۡضُهُم بَعۡضٗا سُخۡرِيّٗاۗ وَرَحۡمَتُ رَبِّكَ خَيۡرٞ مِّمَّا يَجۡمَعُونَ
Fa izy ireo va no mizara ny famindram-pon’ny Tomponao ? Izahay no nizara tamin’izy ireo ny fivelomany amin’ny fiainana ankehitriny, ary manondro-boninahitra ny sasany ho ambony noho ny hafa, mba hifehezan’ny sasany ny hafa. Tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo anefan'ny famindram-pon’ny Tomponao.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَلَوۡلَآ أَن يَكُونَ ٱلنَّاسُ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ لَّجَعَلۡنَا لِمَن يَكۡفُرُ بِٱلرَّحۡمَٰنِ لِبُيُوتِهِمۡ سُقُفٗا مِّن فِضَّةٖ وَمَعَارِجَ عَلَيۡهَا يَظۡهَرُونَ
Raha tsy natao ho mpiara-monina iray ny olombelona, dia azo antoka fa nomenay trano misy tafo vola fotsy sy tohatra miakatra amin’izany, ireo tsy mino ilay be Fiantrana,
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: Az-Zukhruf
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara