Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-Mumtahanah   Ayah:

Al-momtahanah

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّخِذُواْ عَدُوِّي وَعَدُوَّكُمۡ أَوۡلِيَآءَ تُلۡقُونَ إِلَيۡهِم بِٱلۡمَوَدَّةِ وَقَدۡ كَفَرُواْ بِمَا جَآءَكُم مِّنَ ٱلۡحَقِّ يُخۡرِجُونَ ٱلرَّسُولَ وَإِيَّاكُمۡ أَن تُؤۡمِنُواْ بِٱللَّهِ رَبِّكُمۡ إِن كُنتُمۡ خَرَجۡتُمۡ جِهَٰدٗا فِي سَبِيلِي وَٱبۡتِغَآءَ مَرۡضَاتِيۚ تُسِرُّونَ إِلَيۡهِم بِٱلۡمَوَدَّةِ وَأَنَا۠ أَعۡلَمُ بِمَآ أَخۡفَيۡتُمۡ وَمَآ أَعۡلَنتُمۡۚ وَمَن يَفۡعَلۡهُ مِنكُمۡ فَقَدۡ ضَلَّ سَوَآءَ ٱلسَّبِيلِ
Ianareo mpino ! Aza alaina namana ny fahavaloko sy ny fahavalonareo, ka omenareo fitiavana, satria nolavin’izy ireo izay fahamarinana tonga teo aminareo, noroahany ny iraka, ary koa ianareo, satria mino an’I Allah Ilay Tomponareo ianareo. Raha hivoaka hiatrika ady amin’ny lalako ianareo, ka hitady ny fankasitrahako, dia haneho fitiavana azy mangina va ianareo?Kanefa dia fantatro tanteraka izay afeninareo sy izay ahariharinareo fa izay manao izany aminareo dia mihataka ny lalana mahitsy.
Ang mga Tafsir na Arabe:
إِن يَثۡقَفُوكُمۡ يَكُونُواْ لَكُمۡ أَعۡدَآءٗ وَيَبۡسُطُوٓاْ إِلَيۡكُمۡ أَيۡدِيَهُمۡ وَأَلۡسِنَتَهُم بِٱلسُّوٓءِ وَوَدُّواْ لَوۡ تَكۡفُرُونَ
Raha tena mahafehy anareo izy ireo, dia ho fahavalonareo, ka hanisy ratsy anareo amin’ny tanany sy ny lelany, ary tiany ho lasa tsy mpino ianareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
لَن تَنفَعَكُمۡ أَرۡحَامُكُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُكُمۡۚ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يَفۡصِلُ بَيۡنَكُمۡۚ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٞ
Tsy misy ilanareo ny mpiray tampo aminareo, na ny zanakareo amin’ny andro fitsanganana. Izy no manapa-kevitra ny aminareo, ary Allah dia mahita izay rehetra ataonareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
قَدۡ كَانَتۡ لَكُمۡ أُسۡوَةٌ حَسَنَةٞ فِيٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَٱلَّذِينَ مَعَهُۥٓ إِذۡ قَالُواْ لِقَوۡمِهِمۡ إِنَّا بُرَءَٰٓؤُاْ مِنكُمۡ وَمِمَّا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ كَفَرۡنَا بِكُمۡ وَبَدَا بَيۡنَنَا وَبَيۡنَكُمُ ٱلۡعَدَٰوَةُ وَٱلۡبَغۡضَآءُ أَبَدًا حَتَّىٰ تُؤۡمِنُواْ بِٱللَّهِ وَحۡدَهُۥٓ إِلَّا قَوۡلَ إِبۡرَٰهِيمَ لِأَبِيهِ لَأَسۡتَغۡفِرَنَّ لَكَ وَمَآ أَمۡلِكُ لَكَ مِنَ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٖۖ رَّبَّنَا عَلَيۡكَ تَوَكَّلۡنَا وَإِلَيۡكَ أَنَبۡنَا وَإِلَيۡكَ ٱلۡمَصِيرُ
Nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Abrahama, sy ireo niaraka taminy, tamin’izy ireo niteny tamin’ny vahoakany hoe : Miala madiodio aminareo izahay, sy izay tompoinareo ankoatran'I Allah. Mandà anareo izahay. Teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, raha tsy efa mino an’Allah tokana ianareo. Afa-tsy ny tenin’i Abrahama tamin’ny Rainy hoe : Mangataka famelan-keloka ho anao aho, na dia tsy afaka hanao na inona na inona ho anao aza eo anatrehan’I Allah. Tomponay ô ! Ianao no ianteheranay, ary any Aminao no hiverenanay, fa any Aminao ny fiafarana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
رَبَّنَا لَا تَجۡعَلۡنَا فِتۡنَةٗ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ وَٱغۡفِرۡ لَنَا رَبَّنَآۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Tomponay ô ! Aoka tsy ho fakam-panahy ho an’izay tsy mpino izahay, ary mamelà ny helokay.Tomponay ô ! Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-Mumtahanah
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara