Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: At-Tawbah   Ayah:

At-taobah

بَرَآءَةٞ مِّنَ ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦٓ إِلَى ٱلَّذِينَ عَٰهَدتُّم مِّنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Fandavana tanteraka avy amin’i Allah sy ny Irany mikasika ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy) izay nanaovanareo fifanarahana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَسِيحُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَرۡبَعَةَ أَشۡهُرٖ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّكُمۡ غَيۡرُ مُعۡجِزِي ٱللَّهِ وَأَنَّ ٱللَّهَ مُخۡزِي ٱلۡكَٰفِرِينَ
Mandehana Ianareo mitety tany mandritra ny efa-bolana, dia fantaro fa tsy hampihen-danja ny herin’i Allah ianareo ary marina fa i Allah dia hanala-baraka ireo tsy mpino.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَأَذَٰنٞ مِّنَ ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦٓ إِلَى ٱلنَّاسِ يَوۡمَ ٱلۡحَجِّ ٱلۡأَكۡبَرِ أَنَّ ٱللَّهَ بَرِيٓءٞ مِّنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ وَرَسُولُهُۥۚ فَإِن تُبۡتُمۡ فَهُوَ خَيۡرٞ لَّكُمۡۖ وَإِن تَوَلَّيۡتُمۡ فَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّكُمۡ غَيۡرُ مُعۡجِزِي ٱللَّهِۗ وَبَشِّرِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِعَذَابٍ أَلِيمٍ
Ary ity dia fanambarana avy amin’i Allah sy ilay Irany ho an’olona amin’ny andron’ny Hajy (fivahinianana masina) lehibe, fa Allah sy ny Irany dia mitsipaka tanteraka ireo mpampikambana Azy amin’ny zavatra hafa. Raha mibebaka ianareo dia tsara ho anareo izany. Raha miamboho ianareo, dia fantaro tsara fa tsy hampihen-danja ny herin’i Allah ianareo, ka lazao amin’ireo izay tsy nino fa hiatra amin’izy ireo ny sazy mamirifiry.
Ang mga Tafsir na Arabe:
إِلَّا ٱلَّذِينَ عَٰهَدتُّم مِّنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ثُمَّ لَمۡ يَنقُصُوكُمۡ شَيۡـٔٗا وَلَمۡ يُظَٰهِرُواْ عَلَيۡكُمۡ أَحَدٗا فَأَتِمُّوٓاْ إِلَيۡهِمۡ عَهۡدَهُمۡ إِلَىٰ مُدَّتِهِمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُتَّقِينَ
Afa-tsy ireo izay nanaovanareo fifanarahana tamin’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy) fa tsy nanohitra anareo izy ireo no sady tsy nanampy olon-kafa hanohitra anareo na dia kely aza. Ka tanteraho ny fifanarahana nataonareo tamin’izy ireo mandrapaha-tapitry ny fe-potoana nifanarahana. Tena marina fa i Allah dia mitia ireo mpatahotra Azy.
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَإِذَا ٱنسَلَخَ ٱلۡأَشۡهُرُ ٱلۡحُرُمُ فَٱقۡتُلُواْ ٱلۡمُشۡرِكِينَ حَيۡثُ وَجَدتُّمُوهُمۡ وَخُذُوهُمۡ وَٱحۡصُرُوهُمۡ وَٱقۡعُدُواْ لَهُمۡ كُلَّ مَرۡصَدٖۚ فَإِن تَابُواْ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتَوُاْ ٱلزَّكَوٰةَ فَخَلُّواْ سَبِيلَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary rehefa tapitra ireo volana masina ireo, dia vonoinareo ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy), n'aiza n'aiza ahitanareo azy ireo, dia baboinareo izy ireo, ataovo fahirano, ambeno amin’ny velam-pandrika rehetra, fa raha mibebaka kosa izy ireo ka manatanteraka ny salat ary mamoaka ny Zakat (ampahan-karenany), avelao handeha an-kahalalahana izy ireo, ka tena marina fa i Allah dia be famelan-keloka sy be fiantrana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَإِنۡ أَحَدٞ مِّنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ٱسۡتَجَارَكَ فَأَجِرۡهُ حَتَّىٰ يَسۡمَعَ كَلَٰمَ ٱللَّهِ ثُمَّ أَبۡلِغۡهُ مَأۡمَنَهُۥۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَعۡلَمُونَ
Ary raha misy iray amin’ireo mpanompo sampy mangataka fialofana Aminareo dia omeo fialofana Izy mba henoiny ny tenin’i Allah, avy eo ento amin’ny toerana ahitany fiarovana, satria izy ireo dia vahoaka tena tsy mahafantatra.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: At-Tawbah
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara