Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心 * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Hud   Câu:

Houd

الٓرۚ كِتَٰبٌ أُحۡكِمَتۡ ءَايَٰتُهُۥ ثُمَّ فُصِّلَتۡ مِن لَّدُنۡ حَكِيمٍ خَبِيرٍ
ALIF, LAM, RA. Ity dia Boky voarindra tanteraka ny andian-teniny sy voazava amin’ny antsipiriany, avy amin’ilay be Fahendrena sy Mpahalala ny zava-drehetra.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّا ٱللَّهَۚ إِنَّنِي لَكُم مِّنۡهُ نَذِيرٞ وَبَشِيرٞ
Aoka tsy hanompo afa-tsy i Allah Ianareo, marina fa Izaho dia mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly avy Aminy ho Anareo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَأَنِ ٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِ يُمَتِّعۡكُم مَّتَٰعًا حَسَنًا إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗى وَيُؤۡتِ كُلَّ ذِي فَضۡلٖ فَضۡلَهُۥۖ وَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٖ كَبِيرٍ
Ary aoka hangataka famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo Ianareo, avy eo mibebaha Aminy, amin’izany dia hanome Anareo fanomezana mendrika sy tsara amin’ny fotoana voafetra Izy. Ary hanome ny fahasoavany amin’ny tsirairay mendrika izany Izy. Fa raha mitodi-damosina kosa Ianareo dia matahotra Aho fa hihatra Aminareo ny sazy amin’ny Andro lehibe.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
إِلَى ٱللَّهِ مَرۡجِعُكُمۡۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ
Any amin’i Allah no hiverenanareo ary Izy dia Mahefa ny zava-drehetra.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
أَلَآ إِنَّهُمۡ يَثۡنُونَ صُدُورَهُمۡ لِيَسۡتَخۡفُواْ مِنۡهُۚ أَلَا حِينَ يَسۡتَغۡشُونَ ثِيَابَهُمۡ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَۚ إِنَّهُۥ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Moa ve izy ireo tsy manidy ny fony hiafenan’izy ireo Aminy. Na dia amin’ny fotoan’izy ireo manarona ny fitafiny, dia mahalala izay afenin’izy ireo sy izay abaribarin’izy ireo Izy. Ary Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Hud
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心 - Mục lục các bản dịch

Được dịch bởi nhóm Trung tâm Dịch thuật Rowwad hợp tác với Hiệp Hội Kêu Gọi Ar-Rabwah và Hiệp Hội Phục Vụ Chuyên Về Islam với đa ngôn ngữ.

Đóng lại