Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Isra'   Câu:
عَسَىٰ رَبُّكُمۡ أَن يَرۡحَمَكُمۡۚ وَإِنۡ عُدتُّمۡ عُدۡنَاۚ وَجَعَلۡنَا جَهَنَّمَ لِلۡكَٰفِرِينَ حَصِيرًا
Angamba hamindra fo aminareo ny Tomponareo (raha mibebaka ianareo). Nefa raha miverina (amin’ny fahotana) ianareo dia hiverina ihany koa Izahay (amin’ny fanasaziana). Ary nataonay toeram-pigadrana ny afobe, ho an’ireo tsy mpino.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
إِنَّ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ يَهۡدِي لِلَّتِي هِيَ أَقۡوَمُ وَيُبَشِّرُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٱلَّذِينَ يَعۡمَلُونَ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أَنَّ لَهُمۡ أَجۡرٗا كَبِيرٗا
Marina fa ity Koroany ity dia mitari-dalana ho amin’ny fahitsiana kokoa, ary milaza vaovao mahafaly ho an’ireo mpino izay manao ny soa; fa tena ho azy ireo tokoa ny valisoa lehibe.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَأَنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ أَعۡتَدۡنَا لَهُمۡ عَذَابًا أَلِيمٗا
Ary marina fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia homaninay ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَيَدۡعُ ٱلۡإِنسَٰنُ بِٱلشَّرِّ دُعَآءَهُۥ بِٱلۡخَيۡرِۖ وَكَانَ ٱلۡإِنسَٰنُ عَجُولٗا
Ary miantso ny ratsy ny olombelona tahaka ny fiantsoany ny tsara. Satria ny olombelona dia maika mandrakariva.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَجَعَلۡنَا ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ ءَايَتَيۡنِۖ فَمَحَوۡنَآ ءَايَةَ ٱلَّيۡلِ وَجَعَلۡنَآ ءَايَةَ ٱلنَّهَارِ مُبۡصِرَةٗ لِّتَبۡتَغُواْ فَضۡلٗا مِّن رَّبِّكُمۡ وَلِتَعۡلَمُواْ عَدَدَ ٱلسِّنِينَ وَٱلۡحِسَابَۚ وَكُلَّ شَيۡءٖ فَصَّلۡنَٰهُ تَفۡصِيلٗا
Ary nataonay ny alina sy ny andro ho famantarana roa, ka nofafanay ny famantaran’ny alina ary nataonay ho hita maso ny famantaran’ny andro mba hitadiavanareo ny fahasoavana avy amin’ny Tomponareo sy hahafantaranareo ny isan’ny taona ary ny fanisana ny fotoana. Ary ny zava-drehetra dia nohazavanay amin’ny antsipiriany.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَكُلَّ إِنسَٰنٍ أَلۡزَمۡنَٰهُ طَٰٓئِرَهُۥ فِي عُنُقِهِۦۖ وَنُخۡرِجُ لَهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ كِتَٰبٗا يَلۡقَىٰهُ مَنشُورًا
Ary nafatotray eo ambozon’ny olona tsirairay avy ny asany. Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia hamoahanay boky izy ho hitany mivelatra eo anoloany.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
ٱقۡرَأۡ كِتَٰبَكَ كَفَىٰ بِنَفۡسِكَ ٱلۡيَوۡمَ عَلَيۡكَ حَسِيبٗا
“Vakio ny bokinao, Ampy ho mpitsara anao ny tenanao androany”.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
مَّنِ ٱهۡتَدَىٰ فَإِنَّمَا يَهۡتَدِي لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن ضَلَّ فَإِنَّمَا يَضِلُّ عَلَيۡهَاۚ وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٞ وِزۡرَ أُخۡرَىٰۗ وَمَا كُنَّا مُعَذِّبِينَ حَتَّىٰ نَبۡعَثَ رَسُولٗا
Na iza na iza nizotra tamin’ny lala-mahitsy, dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza nizotra tamin’ny lalan’ny fahaverezana, dia namery ny tenany ihany. Ary tsy hisy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa. Ary Izahay dia tsy manasazy mihitsy (ny vahoaka iray) raha tsy efa nandefasanay Iraka teo aminy.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَإِذَآ أَرَدۡنَآ أَن نُّهۡلِكَ قَرۡيَةً أَمَرۡنَا مُتۡرَفِيهَا فَفَسَقُواْ فِيهَا فَحَقَّ عَلَيۡهَا ٱلۡقَوۡلُ فَدَمَّرۡنَٰهَا تَدۡمِيرٗا
Ary raha mitady handringana tanàna iray Izahay, dia omenay baiko ireo olona manan-karena ao aminy (mba hanaraka ny didinay), nefa dia mirona amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy ireo. Noho izany dia tanteraka amin’izy ireo ny teny (famaizana), ka noravanay tanteraka izy (ilay tanàna).
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِنَ ٱلۡقُرُونِ مِنۢ بَعۡدِ نُوحٖۗ وَكَفَىٰ بِرَبِّكَ بِذُنُوبِ عِبَادِهِۦ خَبِيرَۢا بَصِيرٗا
Ary firifiry moa ireo taranaka izay naringanay taorian’i Noe ! Ary ampy amin’ny fahafantarana sy fahitana ny fahotan’ny mpanompony ny Tomponao.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Isra'
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad - Mục lục các bản dịch

Người dịch: Nhóm thuộc Trung tâm Dịch thuật Rowad hợp tác với Hiệp hội Tuyên truyền Ar-Rabwah và Hiệp hội Dịch vụ Nội dung về Islam bằng đa ngôn ngữ.

Đóng lại