Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心 * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Ali 'Imran   Câu:
ثُمَّ أَنزَلَ عَلَيۡكُم مِّنۢ بَعۡدِ ٱلۡغَمِّ أَمَنَةٗ نُّعَاسٗا يَغۡشَىٰ طَآئِفَةٗ مِّنكُمۡۖ وَطَآئِفَةٞ قَدۡ أَهَمَّتۡهُمۡ أَنفُسُهُمۡ يَظُنُّونَ بِٱللَّهِ غَيۡرَ ٱلۡحَقِّ ظَنَّ ٱلۡجَٰهِلِيَّةِۖ يَقُولُونَ هَل لَّنَا مِنَ ٱلۡأَمۡرِ مِن شَيۡءٖۗ قُلۡ إِنَّ ٱلۡأَمۡرَ كُلَّهُۥ لِلَّهِۗ يُخۡفُونَ فِيٓ أَنفُسِهِم مَّا لَا يُبۡدُونَ لَكَۖ يَقُولُونَ لَوۡ كَانَ لَنَا مِنَ ٱلۡأَمۡرِ شَيۡءٞ مَّا قُتِلۡنَا هَٰهُنَاۗ قُل لَّوۡ كُنتُمۡ فِي بُيُوتِكُمۡ لَبَرَزَ ٱلَّذِينَ كُتِبَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقَتۡلُ إِلَىٰ مَضَاجِعِهِمۡۖ وَلِيَبۡتَلِيَ ٱللَّهُ مَا فِي صُدُورِكُمۡ وَلِيُمَحِّصَ مَا فِي قُلُوبِكُمۡۚ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Avy eo dia nampidina ny fitoniana teo Aminareo Izy, taorian’ny tebiteby, ny torimaso izay nanarona tanteraka ny andiany iray Taminareo [58]. Ary ny andiany iray hafa kosa dia ny tenan’izy ireo ihany no nanahirana azy ireo; sy mieritreritra mahakasikan’i Allah izy ireo amin’ny fieritreretana tsy marina, fieritreretana tamin’ny andron’ny habadoana, ka niteny izy ireo nanao hoe : “ Moa ve mba manana anjara amin’io raharaha io Izahay ? ” ka dia teneno ny hoe : “ Ny raharaha rehetra dia an’i Allah ”. Izy ireo dia manafina ny ao am-pony izay tsy asehony Aminao. Miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha mba nanana anjara tamin’io raharaha io Izahay, dia tsy novonoina tety velively ”. Teneno ny hoe : “ na dia ao an-tranonareo aza Ianareo, dia tsy maintsy mivoaka, izay efa voasoratra ho Azy ny fahafatesana, mankany amin’ny toerana hahafatesany ”. Ary mba hitsapan’i Allah izay ao anaty Fonareo, sy hanadiovany ny Fonareo. Ary i Allah dia mahafantatra izay tena ao am-po”.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
إِنَّ ٱلَّذِينَ تَوَلَّوۡاْ مِنكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡتَقَى ٱلۡجَمۡعَانِ إِنَّمَا ٱسۡتَزَلَّهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ بِبَعۡضِ مَا كَسَبُواْۖ وَلَقَدۡ عَفَا ٱللَّهُ عَنۡهُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ حَلِيمٞ
Tena marina, fa ireo izay niamboho (nitsoaka) Taminareo tamin’ny Andro niatrehan’ny andiany ankiroa ny ady, dia ny satana tokoa no nandrebireby azy ireo tamin’ny sasantsasany (fahadisoana) vitan’izy ireo. Efa nandeferan’i Allah tokoa izy ireo. Marina fa i Allah dia be famelan-keloka sy tsara fanahy.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَقَالُواْ لِإِخۡوَٰنِهِمۡ إِذَا ضَرَبُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَوۡ كَانُواْ غُزّٗى لَّوۡ كَانُواْ عِندَنَا مَا مَاتُواْ وَمَا قُتِلُواْ لِيَجۡعَلَ ٱللَّهُ ذَٰلِكَ حَسۡرَةٗ فِي قُلُوبِهِمۡۗ وَٱللَّهُ يُحۡيِۦ وَيُمِيتُۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٞ
Ô Ianareo izay nino, aza manao toy ireo tsy mino Ianareo, ka niteny izy ireo momba ireo rahalahin'izy ireo izay nandeha lavitra na am-piadiana ka nanao hoe : “ Raha teo Aminay izy ireo, dia tsy maty na novonoina ”. Ka nataon’i Allah, ho fanenenana ao am’pon’izy ireo izany. Fa i Allah no Mamelona sy Mamono. Ary i Allah dia tena mahita izay Ataonareo rehetra.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَلَئِن قُتِلۡتُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ أَوۡ مُتُّمۡ لَمَغۡفِرَةٞ مِّنَ ٱللَّهِ وَرَحۡمَةٌ خَيۡرٞ مِّمَّا يَجۡمَعُونَ
Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny, ny famelan-keloka avy amin’i Allah sy ny indrafony dia tsara lavitra noho izay voahangon’izy ireo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Ali 'Imran
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心 - Mục lục các bản dịch

Được dịch bởi nhóm Trung tâm Dịch thuật Rowwad hợp tác với Hiệp Hội Kêu Gọi Ar-Rabwah và Hiệp Hội Phục Vụ Chuyên Về Islam với đa ngôn ngữ.

Đóng lại