Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心 * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Shura   Câu:

As-shouraa

حمٓ
Hà, Mîm.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
عٓسٓقٓ
‘Aîn, Sin .Qaf
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
كَذَٰلِكَ يُوحِيٓ إِلَيۡكَ وَإِلَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكَ ٱللَّهُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Toy izany no anaovan’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena, fanambarana, tahaka izay nataoNy tamin’ireo talohanao.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡعَظِيمُ
Azy, izay any an-danitra sy ety an-tany. Fa Izy no ilay Ambony indrindra, ilay Lehibe indrindra.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
تَكَادُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ يَتَفَطَّرۡنَ مِن فَوۡقِهِنَّۚ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يُسَبِّحُونَ بِحَمۡدِ رَبِّهِمۡ وَيَسۡتَغۡفِرُونَ لِمَن فِي ٱلۡأَرۡضِۗ أَلَآ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ
Zara tsy mitriatra avy eny amin’ny tampony aza ny lanitra, rehefa mankalaza ny Fiderana ny Tompony ireo Anjely, ary mangataka famelan-keloka ho an’ireo ety an-tany. Hamafisina, fa Allah no ilay Mpamela heloka, ilay be indrafo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَ ٱللَّهُ حَفِيظٌ عَلَيۡهِمۡ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِوَكِيلٖ
Fa ireo izay maka mpiahy ankoatra Azy, dia manara-maso izay ataon’izy ireo Allah. Ary tsy mpiantoka azy ireo ianao.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَكَذَٰلِكَ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ قُرۡءَانًا عَرَبِيّٗا لِّتُنذِرَ أُمَّ ٱلۡقُرَىٰ وَمَنۡ حَوۡلَهَا وَتُنذِرَ يَوۡمَ ٱلۡجَمۡعِ لَا رَيۡبَ فِيهِۚ فَرِيقٞ فِي ٱلۡجَنَّةِ وَفَرِيقٞ فِي ٱلسَّعِيرِ
Toy izany no nanambaraNay taminao ny Koroany amin’ny teny arabo, mba hampitandremanao ilay renivohitra (Lameka) sy ny manodidina azy, ary hampitandremanao ny amin’ilay andro famoriana; izay tsy isalasalana. Misy andiany ho any amin'ny Paradisa, ary andiany hafa ho any amin’ny afo mamaivay.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَجَعَلَهُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَلَٰكِن يُدۡخِلُ مَن يَشَآءُ فِي رَحۡمَتِهِۦۚ وَٱلظَّٰلِمُونَ مَا لَهُم مِّن وَلِيّٖ وَلَا نَصِيرٍ
Fa raha sitrak'Allah, dia nataoNy vahoaka iray ihany ny olona. Saingy ampidiriny amin’ny famindram-pony izay tiaNy. Ka tsy hanana mpiahy na mpamonjy ireo mpanao ny tsy rariny.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
أَمِ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَۖ فَٱللَّهُ هُوَ ٱلۡوَلِيُّ وَهُوَ يُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Nangala tompo ankoatra Azy va izy ireo ? Allah irery ihany no Tompo, ary Izy no manome aina indray ny maty; eny ! Mahefa ny zavatra rehetra Izy.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَمَا ٱخۡتَلَفۡتُمۡ فِيهِ مِن شَيۡءٖ فَحُكۡمُهُۥٓ إِلَى ٱللَّهِۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبِّي عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُ وَإِلَيۡهِ أُنِيبُ
Amin’ny tsy fitovian-kevitra rehetra eo aminareo, dia Azy ny fitsarana. Izany no Allah Tompoko, Izy no ianteherako, fa any Aminy no hiverenako amim-pibebahana.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Shura
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心 - Mục lục các bản dịch

Được dịch bởi nhóm Trung tâm Dịch thuật Rowwad hợp tác với Hiệp Hội Kêu Gọi Ar-Rabwah và Hiệp Hội Phục Vụ Chuyên Về Islam với đa ngôn ngữ.

Đóng lại