Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Ma-idah   Câu:
قَالُواْ يَٰمُوسَىٰٓ إِنَّا لَن نَّدۡخُلَهَآ أَبَدٗا مَّا دَامُواْ فِيهَا فَٱذۡهَبۡ أَنتَ وَرَبُّكَ فَقَٰتِلَآ إِنَّا هَٰهُنَا قَٰعِدُونَ
Niteny izy ireo hoe : “O ry Mosesy izahay dia tsy hiditra ao mihitsy raha mbola ao izy ireo. Ka mandehana ianao sy ny Tomponao, ka miadia ianareo roa, fa izahay kosa dia hijanona hipetraka eto amin’ny toerana misy anay eto”.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
قَالَ رَبِّ إِنِّي لَآ أَمۡلِكُ إِلَّا نَفۡسِي وَأَخِيۖ فَٱفۡرُقۡ بَيۡنَنَا وَبَيۡنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡفَٰسِقِينَ
Niteny Izy hoe: “Tompo o! Tsy manana fahefana aho afa-tsy amin’ny tenako sy amin’ny rahalahiko ihany. Ka saraho izahay amin’ireo vahoaka mpanao ratsy.”
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
قَالَ فَإِنَّهَا مُحَرَّمَةٌ عَلَيۡهِمۡۛ أَرۡبَعِينَ سَنَةٗۛ يَتِيهُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ فَلَا تَأۡسَ عَلَى ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡفَٰسِقِينَ
Niteny Izy (Allah) hoe: “Tena marina fa izany (tany masina izany) dia voarara amin’izy ireo, mandritry ny efa-polo taona. Hirenireny eran-tany izy ireo, ka aoka tsy hampalahelo anao ny momba ireo vahoaka mpanao ratsy ireo”.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
۞ وَٱتۡلُ عَلَيۡهِمۡ نَبَأَ ٱبۡنَيۡ ءَادَمَ بِٱلۡحَقِّ إِذۡ قَرَّبَا قُرۡبَانٗا فَتُقُبِّلَ مِنۡ أَحَدِهِمَا وَلَمۡ يُتَقَبَّلۡ مِنَ ٱلۡأٓخَرِ قَالَ لَأَقۡتُلَنَّكَۖ قَالَ إِنَّمَا يَتَقَبَّلُ ٱللَّهُ مِنَ ٱلۡمُتَّقِينَ
Ary vakio amin'izy ireo am-pahamarinana ny vaovaon’ireo zanak’i Adama roalahy, rehefa samy nanolotra fanatitra izy roalahy; ka voaray ny iray avy tamin’izy roalahy, ary tsy noraisina kosa ny avy amin’ny namany. Dia niteny izy hoe :”Tena ho vonoiko ianao”. Ka namaly azy ny namany hoe : “Tena marina fa Allah dia tsy mandray afa-tsy izay avy amin’ny olona manam-patahorana ihany".
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
لَئِنۢ بَسَطتَ إِلَيَّ يَدَكَ لِتَقۡتُلَنِي مَآ أَنَا۠ بِبَاسِطٖ يَدِيَ إِلَيۡكَ لِأَقۡتُلَكَۖ إِنِّيٓ أَخَافُ ٱللَّهَ رَبَّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Raha hanenjana ny tananao amiko ianao mba hamono ahy izaho kosa dia tsy hanenjana ny tanako aminao, mba hamono anao satria izaho dia matahotra an’I Allah, Tompon’izao Tontolo izao.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
إِنِّيٓ أُرِيدُ أَن تَبُوٓأَ بِإِثۡمِي وَإِثۡمِكَ فَتَكُونَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلنَّارِۚ وَذَٰلِكَ جَزَٰٓؤُاْ ٱلظَّٰلِمِينَ
Tena marina fa tiako ianao mba hibaby ny fahotako sy ny fahotanao ka amin’izay ho lasa anisan’ireo olon’ny Afobe ianao. Ary izany no valin’asan’ireo mpanao ny tsy rariny.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
فَطَوَّعَتۡ لَهُۥ نَفۡسُهُۥ قَتۡلَ أَخِيهِ فَقَتَلَهُۥ فَأَصۡبَحَ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Ka nandrisika azy ny fanahy ratsiny amin’ny hamonoana ny rahalahiny ka namono nahafaty azy izy.Ka dia lasa anisan’ireo maty antoka izy.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
فَبَعَثَ ٱللَّهُ غُرَابٗا يَبۡحَثُ فِي ٱلۡأَرۡضِ لِيُرِيَهُۥ كَيۡفَ يُوَٰرِي سَوۡءَةَ أَخِيهِۚ قَالَ يَٰوَيۡلَتَىٰٓ أَعَجَزۡتُ أَنۡ أَكُونَ مِثۡلَ هَٰذَا ٱلۡغُرَابِ فَأُوَٰرِيَ سَوۡءَةَ أَخِيۖ فَأَصۡبَحَ مِنَ ٱلنَّٰدِمِينَ
Ka nandefasan'i Allah goaika nangady amin’ny tany, mba hampisehoany aminy ahoana no hataony handevina ny fatin-drahalahiny? Niteny izy hoe : “Loza ho ahy ity! Moa ve tsy afaka hanao toy ny ataon’ity goaika ity aho; ka handevina ny fatin-drahalahiko?" Dia lasa anisan’ny olona nanenina izy.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Ma-idah
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad - Mục lục các bản dịch

Người dịch: Nhóm thuộc Trung tâm Dịch thuật Rowad hợp tác với Hiệp hội Tuyên truyền Ar-Rabwah và Hiệp hội Dịch vụ Nội dung về Islam bằng đa ngôn ngữ.

Đóng lại