Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Mujadalah   Câu:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا نَٰجَيۡتُمُ ٱلرَّسُولَ فَقَدِّمُواْ بَيۡنَ يَدَيۡ نَجۡوَىٰكُمۡ صَدَقَةٗۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٞ لَّكُمۡ وَأَطۡهَرُۚ فَإِن لَّمۡ تَجِدُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٌ
O ianareo mpino ! Raha misy dinika manokana hataonareo amin'ny Iraka, dia manolora fanomezana alohan'ny dinika izay ataonareo, tsara kokoa ho anareo izany sady madio. Fa raha tsy manan-katao amin'izany ianareo, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
ءَأَشۡفَقۡتُمۡ أَن تُقَدِّمُواْ بَيۡنَ يَدَيۡ نَجۡوَىٰكُمۡ صَدَقَٰتٖۚ فَإِذۡ لَمۡ تَفۡعَلُواْ وَتَابَ ٱللَّهُ عَلَيۡكُمۡ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥۚ وَٱللَّهُ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Matahotra va ianareo ny hanolotra fanomezana alohan'ny dinika ? Saingy raha tsy manao izany ianareo, ka mamindra fo aminareo I Allah, dia ho ampy anareo ny fanompoam-pivavahana sy ny famoahana zakat, ary ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany. Fa fantatr'I Allah izay ataonareo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
۞ أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ تَوَلَّوۡاْ قَوۡمًا غَضِبَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِم مَّا هُم مِّنكُمۡ وَلَا مِنۡهُمۡ وَيَحۡلِفُونَ عَلَى ٱلۡكَذِبِ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ
Tsy hitanao va ireo naka olona ho namana, izay efa nahatezitra an’I Allah ?Sady tsy avy aminareo izy ireny, no tsy avy amin’izy ireo ihany koa ; fa mianiana amin’ny lainga izy ireo kanefa mahafantatra.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
أَعَدَّ ٱللَّهُ لَهُمۡ عَذَابٗا شَدِيدًاۖ إِنَّهُمۡ سَآءَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Nanomanan’I Allah famaizana mafy izy ireo fa tena ratsy tokoa izay nataon’izy ireo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
ٱتَّخَذُوٓاْ أَيۡمَٰنَهُمۡ جُنَّةٗ فَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ فَلَهُمۡ عَذَابٞ مُّهِينٞ
Raisiny ho toy ny ampinga ny fianiany, ary misakana ny lalan’I Allah izy ireo. Noho izany, hahazo famaizana mahafabaraka izy ireo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
لَّن تُغۡنِيَ عَنۡهُمۡ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔاۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Tsy hisy ilain’izy ireo ny fananany, na ny zanany manoloana an'I Allah. Olon’ny afo izy ireny, izay honenany mandrakizay.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
يَوۡمَ يَبۡعَثُهُمُ ٱللَّهُ جَمِيعٗا فَيَحۡلِفُونَ لَهُۥ كَمَا يَحۡلِفُونَ لَكُمۡ وَيَحۡسَبُونَ أَنَّهُمۡ عَلَىٰ شَيۡءٍۚ أَلَآ إِنَّهُمۡ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ
Amin’ny andro izay hananganan’I Allah azy rehetra amin’ny maty, dia hianiana Aminy izy ireo, tahaka ny hianianan’izy ireo aminareo, mihevitra fa miankina amin’ny zavatra matanjaka izy ireo. Kanefa, izy ireo no mpandainga.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
ٱسۡتَحۡوَذَ عَلَيۡهِمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ فَأَنسَىٰهُمۡ ذِكۡرَ ٱللَّهِۚ أُوْلَٰٓئِكَ حِزۡبُ ٱلشَّيۡطَٰنِۚ أَلَآ إِنَّ حِزۡبَ ٱلشَّيۡطَٰنِ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Nofehezin’ny devoly izy ireo, ka nasainy nanadino ny fahatsiarovana an’I Allah. Izy ireny no antokon’ny devoly, ary tsy maintsy maty antoka ny antokon’ny devoly.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُحَآدُّونَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥٓ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ٱلۡأَذَلِّينَ
Ho isan’ireo afa-baraka indrindra, izay manohitra an’I Allah sy ny Irany.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
كَتَبَ ٱللَّهُ لَأَغۡلِبَنَّ أَنَا۠ وَرُسُلِيٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ قَوِيٌّ عَزِيزٞ
Nametraka didy Allah hoe : handresy tokoa Aho sy ireo Irako;tena marina fa matanjaka sy tsitoha I Allah.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Al-Mujadalah
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad - Mục lục các bản dịch

Người dịch: Nhóm thuộc Trung tâm Dịch thuật Rowad hợp tác với Hiệp hội Tuyên truyền Ar-Rabwah và Hiệp hội Dịch vụ Nội dung về Islam bằng đa ngôn ngữ.

Đóng lại