Check out the new design

Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad * - Mục lục các bản dịch


Ý nghĩa nội dung Chương: Al-'Araf   Câu:
۞ وَإِذۡ نَتَقۡنَا ٱلۡجَبَلَ فَوۡقَهُمۡ كَأَنَّهُۥ ظُلَّةٞ وَظَنُّوٓاْ أَنَّهُۥ وَاقِعُۢ بِهِمۡ خُذُواْ مَآ ءَاتَيۡنَٰكُم بِقُوَّةٖ وَٱذۡكُرُواْ مَا فِيهِ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ
Ary rehefa nasandratray teo ambonin’izy ireo ny tendrombohitra, toy ny aloka lehibe izany, ka mihevitra izy ireo fa hianjera eo amin’izy ireo izany. Tazony mafy izay nomenay anareo, ary tsarovy izay ao anatiny, angamba hanam-patahorana ianareo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَإِذۡ أَخَذَ رَبُّكَ مِنۢ بَنِيٓ ءَادَمَ مِن ظُهُورِهِمۡ ذُرِّيَّتَهُمۡ وَأَشۡهَدَهُمۡ عَلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡ أَلَسۡتُ بِرَبِّكُمۡۖ قَالُواْ بَلَىٰ شَهِدۡنَآۚ أَن تَقُولُواْ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ إِنَّا كُنَّا عَنۡ هَٰذَا غَٰفِلِينَ
Ary rehefa nalain’ny Tomponao avy tamin’ny taranak’i Adama tao amin’ny lamosin’izy ireo ny taranany, ka nampijorony vavolombelona tamin’ny tenan’izy ireo hoe : “Moa ve tsy Izaho no Tomponareo?” Namaly izy ireo nanao hoe : “Eny tokoa, mijoro vavolombelona amin’izany izahay”. Mba tsy hiteny ianareo amin’ny andro fitsanganana hoe : “Tena variana tokoa izahay tamin’izany.”
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
أَوۡ تَقُولُوٓاْ إِنَّمَآ أَشۡرَكَ ءَابَآؤُنَا مِن قَبۡلُ وَكُنَّا ذُرِّيَّةٗ مِّنۢ بَعۡدِهِمۡۖ أَفَتُهۡلِكُنَا بِمَا فَعَلَ ٱلۡمُبۡطِلُونَ
Na koa hiteny ianareo nanao hoe : “Tena marina, nanakambana an'I Allah tamin’ny zavatra hafa ny razambenay tany aloha, ary izahay dia taranaka faramandimby taorian’izy ireo. Moa ve haringanao izahay noho izay nataon’ireo mpanao fahadisoana ?”
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَكَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ وَلَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Ary tahak’izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo famantarana, ary angamba hiverina izy ireo!
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَٱتۡلُ عَلَيۡهِمۡ نَبَأَ ٱلَّذِيٓ ءَاتَيۡنَٰهُ ءَايَٰتِنَا فَٱنسَلَخَ مِنۡهَا فَأَتۡبَعَهُ ٱلشَّيۡطَٰنُ فَكَانَ مِنَ ٱلۡغَاوِينَ
Ary tantarao amin’izy ireo vaovaon’ilay nomenay ny famantaranay, ka nihataka tanteraka tamin’izany, ary dia nasain’ny Satana nanaraka azy izy, ka anisan’ireo very.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
وَلَوۡ شِئۡنَا لَرَفَعۡنَٰهُ بِهَا وَلَٰكِنَّهُۥٓ أَخۡلَدَ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ وَٱتَّبَعَ هَوَىٰهُۚ فَمَثَلُهُۥ كَمَثَلِ ٱلۡكَلۡبِ إِن تَحۡمِلۡ عَلَيۡهِ يَلۡهَثۡ أَوۡ تَتۡرُكۡهُ يَلۡهَثۚ ذَّٰلِكَ مَثَلُ ٱلۡقَوۡمِ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَاۚ فَٱقۡصُصِ ٱلۡقَصَصَ لَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ
Ary raha sitrakay dia ho nasondrotray tamin’ny alalan’izany izy, fa saingy nionona loatra teto an-tany izy sy nanaraka ny sitrapony. Ny mitovy azy dia ny alika, raha raisinao izy dia misefosefo, avelanao izy dia mbola misefosefo. Toy izany no ohatra mitovy amin’ny vahoaka izay milaza fa lainga ny famantaranay. Ka tantarao ny tantara, angamba handinika izy ireo.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
سَآءَ مَثَلًا ٱلۡقَوۡمُ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَأَنفُسَهُمۡ كَانُواْ يَظۡلِمُونَ
Ratsy fanoharana tokoa ireo vahoaka izay milaza fa lainga ireo famantaranay, ka tamin’ny tenan’izy ireo ihany no nanaovan’izy ireo ny tsy rariny.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
مَن يَهۡدِ ٱللَّهُ فَهُوَ ٱلۡمُهۡتَدِيۖ وَمَن يُضۡلِلۡ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Izay notarihin’I Allah, izy no tena voatari-dalana ary izay novereziny kosa, dia izy ireny no tena maty antoka.
Các Tafsir tiếng Ả-rập:
 
Ý nghĩa nội dung Chương: Al-'Araf
Mục lục các chương Kinh Số trang
 
Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - Bản dịch tiếng Malagasy - Trung tâm Dịch thuật Rowad - Mục lục các bản dịch

Người dịch: Nhóm thuộc Trung tâm Dịch thuật Rowad hợp tác với Hiệp hội Tuyên truyền Ar-Rabwah và Hiệp hội Dịch vụ Nội dung về Islam bằng đa ngôn ngữ.

Đóng lại