Check out the new design

《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 * - 译解目录


含义的翻译 章: 优素福   段:
قَالَ مَعَاذَ ٱللَّهِ أَن نَّأۡخُذَ إِلَّا مَن وَجَدۡنَا مَتَٰعَنَا عِندَهُۥٓ إِنَّآ إِذٗا لَّظَٰلِمُونَ
Miaro Anay anie i Allah amin’ny fakana Olona hafa ankoatr’izay nahitanay ny fanananay ! Raha tsy izany dia tena mpanao ny tsy rariny Izahay.
阿拉伯语经注:
فَلَمَّا ٱسۡتَيۡـَٔسُواْ مِنۡهُ خَلَصُواْ نَجِيّٗاۖ قَالَ كَبِيرُهُمۡ أَلَمۡ تَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ أَبَاكُمۡ قَدۡ أَخَذَ عَلَيۡكُم مَّوۡثِقٗا مِّنَ ٱللَّهِ وَمِن قَبۡلُ مَا فَرَّطتُمۡ فِي يُوسُفَۖ فَلَنۡ أَبۡرَحَ ٱلۡأَرۡضَ حَتَّىٰ يَأۡذَنَ لِيٓ أَبِيٓ أَوۡ يَحۡكُمَ ٱللَّهُ لِيۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلۡحَٰكِمِينَ
Rehefa very fanantenana hitondra (an’i Bejamina hody) izy Ireo, dia nifampidinika mangina. Niteny ny lahimatoa tamin’izy ireo nanao hoe : “ Moa ve tsy fantatrareo fa efa nanao fifanekena amin’ny anaran’i Allah Taminareo ny Rainareo ary Ianareo efa tsy nahantanteraka izany taloha mikasika an’i Yosofa (Josefa) ? Tsy hiala amin’ity faritra ity mihitsy Aho mandra-pahamelan’i Raiko Ahy na mandra-pitsaran’i Allah Ahy. Ary Izy no Mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
阿拉伯语经注:
ٱرۡجِعُوٓاْ إِلَىٰٓ أَبِيكُمۡ فَقُولُواْ يَٰٓأَبَانَآ إِنَّ ٱبۡنَكَ سَرَقَ وَمَا شَهِدۡنَآ إِلَّا بِمَا عَلِمۡنَا وَمَا كُنَّا لِلۡغَيۡبِ حَٰفِظِينَ
Miverena any amin’ny Rainareo Ianareo ary teneno Aminy hoe : “ O ry Dadanay ! Nangalatra ny Zanakao. Izahay dia tsy mitsangana ho vavolombelona afa-tsy amin’izay fantatray ary Izahay dia tsy mahalala mihitsy ny zava-miafina.
阿拉伯语经注:
وَسۡـَٔلِ ٱلۡقَرۡيَةَ ٱلَّتِي كُنَّا فِيهَا وَٱلۡعِيرَ ٱلَّتِيٓ أَقۡبَلۡنَا فِيهَاۖ وَإِنَّا لَصَٰدِقُونَ
Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay (Egypta), ary koa ny andian’ny mpandeha niaraka tonga Taminay. Izahay dia tena miteny ny marina ”.
阿拉伯语经注:
قَالَ بَلۡ سَوَّلَتۡ لَكُمۡ أَنفُسُكُمۡ أَمۡرٗاۖ فَصَبۡرٞ جَمِيلٌۖ عَسَى ٱللَّهُ أَن يَأۡتِيَنِي بِهِمۡ جَمِيعًاۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡحَكِيمُ
Niteny izy ka nanao hoe : “ Ny fanahy ratsinareo no nanosika Anareo nanao tetika... Ka (tsy misy azoko atao afa-tsy) ny faharetana tsara. Angamba Allah dia hamerina Amiko izy roa. Marina fa Izy tena Mahalala sy be Fahendrena ”.
阿拉伯语经注:
وَتَوَلَّىٰ عَنۡهُمۡ وَقَالَ يَٰٓأَسَفَىٰ عَلَىٰ يُوسُفَ وَٱبۡيَضَّتۡ عَيۡنَاهُ مِنَ ٱلۡحُزۡنِ فَهُوَ كَظِيمٞ
Ary nitodika nandao azy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “ Tena lehibe tokoa izany alaheloko amin’i Yosofa (Josefa) izany ! ” ary nahafotsy ny masony ny alahelo. Tena vonton’alahelo tokoa Izy.
阿拉伯语经注:
قَالُواْ تَٱللَّهِ تَفۡتَؤُاْ تَذۡكُرُ يُوسُفَ حَتَّىٰ تَكُونَ حَرَضًا أَوۡ تَكُونَ مِنَ ٱلۡهَٰلِكِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! Fa ianao dia tsy hijanona ahatsiaro an’i Yosofa (Josefa) mandra-paharerakao na mandra-pahafatinao.
阿拉伯语经注:
قَالَ إِنَّمَآ أَشۡكُواْ بَثِّي وَحُزۡنِيٓ إِلَى ٱللَّهِ وَأَعۡلَمُ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mitaraina sy miampanga ny fahoriako sy ny alaheloko amin’i Allah. Ary Izaho dia mahafantatra avy fa amin’i Allah izay tsy fantatrareo.
阿拉伯语经注:
 
含义的翻译 章: 优素福
章节目录 页码
 
《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 - 译解目录

由拉瓦德翻译中心团队与拉布瓦 الدعوة协会和伊斯兰内容服务协会合作翻译。

关闭