Check out the new design

《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 * - 译解目录


含义的翻译 章: 奴尔   段:
يُقَلِّبُ ٱللَّهُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ
Mampifandimby ny alina sy ny andro I Allah. Tena marina fa amin’izany dia misy ny fisintonan-tsaina handinika ho an’ireo izay manam-paharetana.
阿拉伯语经注:
وَٱللَّهُ خَلَقَ كُلَّ دَآبَّةٖ مِّن مَّآءٖۖ فَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ بَطۡنِهِۦ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ رِجۡلَيۡنِ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰٓ أَرۡبَعٖۚ يَخۡلُقُ ٱللَّهُ مَا يَشَآءُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Ary I Allah dia nahary ny biby rehetra avy amin’ny rano, ka misy amin’izy ireny no mikisaka amin’ny kibony, ny hafa dia mandeha amin’ny tongotra roa, ary misy ihany koa mandeha amin’ny tongotra efatra. Ary I Allah dia nahary izay sitrany, ary marina fa I Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
阿拉伯语经注:
لَّقَدۡ أَنزَلۡنَآ ءَايَٰتٖ مُّبَيِّنَٰتٖۚ وَٱللَّهُ يَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Efa nampidininay tokoa ireo fanambarana mazava, ary I Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny lalana mahitsy.
阿拉伯语经注:
وَيَقُولُونَ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلرَّسُولِ وَأَطَعۡنَا ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٞ مِّنۡهُم مِّنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَۚ وَمَآ أُوْلَٰٓئِكَ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary niteny izy ireo hoe : “Mino an’I Allah sy ny Irany izahay, ary mankato Azy”. Ary taorian’izany, nisy andiany iray tamin’izy ireo nitodi-damosina (nivadika), izy ireny dia tsy mba mpino mihitsy.
阿拉伯语经注:
وَإِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنۡهُم مُّعۡرِضُونَ
Ary raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany izy ireo mba hitsarany azy ireo, dia indro misy andiany tamin’izy ireo manohitra izany tanteraka.
阿拉伯语经注:
وَإِن يَكُن لَّهُمُ ٱلۡحَقُّ يَأۡتُوٓاْ إِلَيۡهِ مُذۡعِنِينَ
Nefa raha nanana ny fahamarinana izy ireo, dia tonga teo Aminy izy ireo amim-panetren-tena.
阿拉伯语经注:
أَفِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ أَمِ ٱرۡتَابُوٓاْ أَمۡ يَخَافُونَ أَن يَحِيفَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَرَسُولُهُۥۚ بَلۡ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Moa ve misy aretina ao am-pon’izy ireo ? Na miahiahy izy ireo, ka matahotra sao hitongilana amin’izy ireo (ny fitsaran)I Allah sy ny Irany ? Tsia ! Fa izy ireny no mpanao ny tsy rariny.
阿拉伯语经注:
إِنَّمَا كَانَ قَوۡلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ أَن يَقُولُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Ny teny tokan’ireo mpino, raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany, mba hitsarany azy ireo dia ny hoe : “ Henonay sy ankatoavinay ”, izy ireny no hahazo fahombiazana.
阿拉伯语经注:
وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَخۡشَ ٱللَّهَ وَيَتَّقۡهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ
Ary na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, ary manetry tena amin’I Allah sy matahotra Azy, dia izy ireny no hahazo fahasambarana.
阿拉伯语经注:
۞ وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِنۡ أَمَرۡتَهُمۡ لَيَخۡرُجُنَّۖ قُل لَّا تُقۡسِمُواْۖ طَاعَةٞ مَّعۡرُوفَةٌۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Ary mianiana amin’I Allah izy ireo amin’ny fianianana manetriketrika, fa raha mandidy azy ireo ianao, dia hivoaka tokoa izy ireo (amin’ny ady), dia teneno hoe : “Koa aza mianiana àry ianareo, (efa fantatray tsara) ny fankatoavanareo (am-bava), fa tena mahalala tsara izay ataonareo I Allah”.
阿拉伯语经注:
 
含义的翻译 章: 奴尔
章节目录 页码
 
《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 - 译解目录

由拉瓦德翻译中心团队与拉布瓦 الدعوة协会和伊斯兰内容服务协会合作翻译。

关闭