Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አዕራፍ   አንቀጽ:
وَإِذۡ قَالَتۡ أُمَّةٞ مِّنۡهُمۡ لِمَ تَعِظُونَ قَوۡمًا ٱللَّهُ مُهۡلِكُهُمۡ أَوۡ مُعَذِّبُهُمۡ عَذَابٗا شَدِيدٗاۖ قَالُواْ مَعۡذِرَةً إِلَىٰ رَبِّكُمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَّقُونَ
Ary raha niteny ny vahoaka iray tamin’izy ireo nanao hoe : “Nahoana ianareo no mbola mananatra vahoaka izay haringan’I Allah, na ho faiziny amin’ny famaizana mafy ?” Dia niteny izy ireo nanao hoe : “Ho fialanay tsiny amin’ny Tomponareo, ary angamba hanam-patahorana izy ireo”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَلَمَّا نَسُواْ مَا ذُكِّرُواْ بِهِۦٓ أَنجَيۡنَا ٱلَّذِينَ يَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلسُّوٓءِ وَأَخَذۡنَا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ بِعَذَابِۭ بَـِٔيسِۭ بِمَا كَانُواْ يَفۡسُقُونَ
Ary rehefa nanadino tamin’izay nampahatsahivana azy izy ireo, dia navotanay ireo izay nandrara ny ratsy, ary noraisinay tamin’ny famaizana henjana kosa ireo mpanao ny tsy rariny noho izy ireo nanao ny asa ratsy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَلَمَّا عَتَوۡاْ عَن مَّا نُهُواْ عَنۡهُ قُلۡنَا لَهُمۡ كُونُواْ قِرَدَةً خَٰسِـِٔينَ
Ary raha mbola nihizingizina nandà izay nandraràna azy ireo izy ireo, dia niteny Izahay tamin’izy ireo nanao hoe : “Mivadiha rajako mahatsiravina ianareo”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِذۡ تَأَذَّنَ رَبُّكَ لَيَبۡعَثَنَّ عَلَيۡهِمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ مَن يَسُومُهُمۡ سُوٓءَ ٱلۡعَذَابِۗ إِنَّ رَبَّكَ لَسَرِيعُ ٱلۡعِقَابِ وَإِنَّهُۥ لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary rehefa nilaza ny Tomponao fa tena handefa amin’izy ireo mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana, izay hampihatra sazy ratsy amin’izy ireo Izy ! Marina fa ny Tomponao dia haingam-panasaziana, ary Izy dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَقَطَّعۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ أُمَمٗاۖ مِّنۡهُمُ ٱلصَّٰلِحُونَ وَمِنۡهُمۡ دُونَ ذَٰلِكَۖ وَبَلَوۡنَٰهُم بِٱلۡحَسَنَٰتِ وَٱلسَّيِّـَٔاتِ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Ary nozarazarainay ho vahoaka maro izy ireo eto an-tany. Misy amin’izy ireo no olona mendrika, ary misy kosa amin’izy ireo no ambanin’izany. Ary notsapainay izy ireo amin’ny tsara sy ny ratsy, angamba izy ireo hahalala hiverina.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَخَلَفَ مِنۢ بَعۡدِهِمۡ خَلۡفٞ وَرِثُواْ ٱلۡكِتَٰبَ يَأۡخُذُونَ عَرَضَ هَٰذَا ٱلۡأَدۡنَىٰ وَيَقُولُونَ سَيُغۡفَرُ لَنَا وَإِن يَأۡتِهِمۡ عَرَضٞ مِّثۡلُهُۥ يَأۡخُذُوهُۚ أَلَمۡ يُؤۡخَذۡ عَلَيۡهِم مِّيثَٰقُ ٱلۡكِتَٰبِ أَن لَّا يَقُولُواْ عَلَى ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡحَقَّ وَدَرَسُواْ مَا فِيهِۗ وَٱلدَّارُ ٱلۡأٓخِرَةُ خَيۡرٞ لِّلَّذِينَ يَتَّقُونَۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Ary nandimby azy ireo taorian'ireo Mpandova ny Boky, liana tamin’ny fakàna tombony eto amin’ny fiainana an-tany izy ireo ary niteny izy ireo nanao hoe : “Ho voavela izahay”. Ary raha tonga amin’izy ireo ny tombony mitovy amin’izay azon’izy ireo, dia raisin’izy ireo izany. Moa ve tsy efa noraisina tamin’izy ireo ny fanekena avy tamin’ilay boky, fa tsy hiteny izy ireo mahakasik’I Allah afa-tsy ny marina ? Nefa nianaran’izy ireo izay tao anatiny. Ary ny fiainana any an-koatra no tsara ho an’ireo izay manam-patahorana, moa ve tsy misaina ianareo ?
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱلَّذِينَ يُمَسِّكُونَ بِٱلۡكِتَٰبِ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ إِنَّا لَا نُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُصۡلِحِينَ
Ary ireo izay mitazona mafy ny boky sy manatanteraka ny fanompoam-pivavahana, tena marina fa Izahay dia tsy manary ny valin-kasasaran’ireo mpanarina ny tenany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አዕራፍ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት