Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አዕራፍ   አንቀጽ:
وَٱلۡبَلَدُ ٱلطَّيِّبُ يَخۡرُجُ نَبَاتُهُۥ بِإِذۡنِ رَبِّهِۦۖ وَٱلَّذِي خَبُثَ لَا يَخۡرُجُ إِلَّا نَكِدٗاۚ كَذَٰلِكَ نُصَرِّفُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٖ يَشۡكُرُونَ
Ary ny tany tsara dia hitsirian'ny zava-maniriny avy amin’ny alalan’ny Tompony, fa izay (tany) ratsy kosa dia tsy hitsirian'ny zava-maniriny afa-tsy amim-pahasarotana. Tahaka izany no hanazavanay antsipiriany ireo fanambarana ho an’ny vahoaka mankasitraka.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ فَقَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓ إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ
Efa nalefanay tany amin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka niteny izy hoe : “Ry vahoakako! Tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy anareo. Izaho dia tena matahotra sao dia ho tratran'ny famaizana amin’ny andro lehibe ianareo”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قَالَ ٱلۡمَلَأُ مِن قَوۡمِهِۦٓ إِنَّا لَنَرَىٰكَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Ireo loholona tamin’ny vahoakany dia niteny nanao hoe : “Izahay dia tena mahita Anao fa ao anaty fahaverezana miharihary”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قَالَ يَٰقَوۡمِ لَيۡسَ بِي ضَلَٰلَةٞ وَلَٰكِنِّي رَسُولٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ao anaty fahaverezana Aho, fa Izaho kosa dia Iraka avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أُبَلِّغُكُمۡ رِسَٰلَٰتِ رَبِّي وَأَنصَحُ لَكُمۡ وَأَعۡلَمُ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Mampita aminareo ireo hafatry ny Tompoko aho sy mananatra anareo, ary mahafantatra avy amin’I Allah izay tsy fantatrareo Aho.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أَوَعَجِبۡتُمۡ أَن جَآءَكُمۡ ذِكۡرٞ مِّن رَّبِّكُمۡ عَلَىٰ رَجُلٖ مِّنكُمۡ لِيُنذِرَكُمۡ وَلِتَتَّقُواْ وَلَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Moa ve gaga ianareo raha tonga aminareo ny fampatsiahivana avy amin’ny Tomponareo izay nentin’ny olona iray taminareo, mba hampitandrina sy hahatonga anareo hatahotra ary angamba ho aminareo ny famindram-po”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
فَكَذَّبُوهُ فَأَنجَيۡنَٰهُ وَٱلَّذِينَ مَعَهُۥ فِي ٱلۡفُلۡكِ وَأَغۡرَقۡنَا ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَآۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمًا عَمِينَ
Ka nataon’izy ireo ho mpandainga Izy. Ka navotanay Izy sy ireo izay niaraka taminy tao anaty sambo fiara, ary narendrikay kosa ireo izay nilaza fa lainga ny famantaranay. Marina fa vahoaka jamba tokoa izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
۞ وَإِلَىٰ عَادٍ أَخَاهُمۡ هُودٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۚ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Ary nalefa tamin’ny foko Aad ny ralahin’izy ireo Hod, dia niteny Izy hoe : “Ry vahoakako! Tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa ianareo ankoatr'Azy. Moa ve tsy hanana fatahorana ianareo?”
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قَالَ ٱلۡمَلَأُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦٓ إِنَّا لَنَرَىٰكَ فِي سَفَاهَةٖ وَإِنَّا لَنَظُنُّكَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Niteny ireo loholon’ireo izay tsy nino tamin’ny vahoakany nanao hoe : “Tena marina fa izahay dia mahita anao fa kely saina, ary tena mihevitra anao ho anisan’ireo mpandainga Izahay”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
قَالَ يَٰقَوۡمِ لَيۡسَ بِي سَفَاهَةٞ وَلَٰكِنِّي رَسُولٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny Izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ao anaty fahakelezan-tsaina velively aho, fa Izaho kosa dia Iraka avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አዕራፍ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረብዋ የዳዕዋ ማህበር እና ከ የእስልምና ይዘት በተለያዩ ቋንቋዎች አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተተረጎመ

መዝጋት