Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አዕራፍ   አንቀጽ:
إِنَّ وَلِـِّۧيَ ٱللَّهُ ٱلَّذِي نَزَّلَ ٱلۡكِتَٰبَۖ وَهُوَ يَتَوَلَّى ٱلصَّٰلِحِينَ
Marina fa ny mpiahy ahy dia Allah izay nampidina ny boky (Kor’any). ary Izy no miandraikitra ny fiarovana ireo olona mendrika.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ لَا يَسۡتَطِيعُونَ نَصۡرَكُمۡ وَلَآ أَنفُسَهُمۡ يَنصُرُونَ
Ary ireo izay antsoinareo ankoatrany dia tsy afaka hanavotra anareo, na koa hanavotra ny tenany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِن تَدۡعُوهُمۡ إِلَى ٱلۡهُدَىٰ لَا يَسۡمَعُواْۖ وَتَرَىٰهُمۡ يَنظُرُونَ إِلَيۡكَ وَهُمۡ لَا يُبۡصِرُونَ
Ary raha miantso azy ireo ianareo ho amin’ny tari-dàlana dia tsy maheno izy ireo, ary ho hitanao izy ireo mijery anao nefa tsy mahita akory.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
خُذِ ٱلۡعَفۡوَ وَأۡمُرۡ بِٱلۡعُرۡفِ وَأَعۡرِضۡ عَنِ ٱلۡجَٰهِلِينَ
Raiso izay azo leferina sy mandidia amin’ny tsara, ary halaviro ireo olona minia tsy mahafantatra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِمَّا يَنزَغَنَّكَ مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ نَزۡغٞ فَٱسۡتَعِذۡ بِٱللَّهِۚ إِنَّهُۥ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Raha mitady hanelingelina anao amin’ny ratsy ny Satana, dia mangataha fiarovana amin’I Allah ianao. Marina fa Izy dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ إِذَا مَسَّهُمۡ طَٰٓئِفٞ مِّنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ تَذَكَّرُواْ فَإِذَا هُم مُّبۡصِرُونَ
Marina fa ireo manam-patahorana, raha misy fanapahan-kevitra avy amin’i Satana nahavoa azy ireo dia mahatsiaro (an’I Allah) izy ireo, ka indro izy ireo lasa nahiratra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِخۡوَٰنُهُمۡ يَمُدُّونَهُمۡ فِي ٱلۡغَيِّ ثُمَّ لَا يُقۡصِرُونَ
Fa ireo rahalahin’i Satana kosa (ireo tsy mpino) dia manosika azy ireo amin’ny fahaverezena, ary tsy mitsahatra amin’izany izy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِذَا لَمۡ تَأۡتِهِم بِـَٔايَةٖ قَالُواْ لَوۡلَا ٱجۡتَبَيۡتَهَاۚ قُلۡ إِنَّمَآ أَتَّبِعُ مَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّ مِن رَّبِّيۚ هَٰذَا بَصَآئِرُ مِن رَّبِّكُمۡ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٞ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Ary raha tsy mitondra fahagagana amin’izy ireo ianao dia miteny izy ireo manao hoe : “Nahoana no tsy noforoninao izany ?” Teneno hoe : “Tsy manaraka aho afa-tsy ny fanambarana izay nalefa tamiko avy amin’ny Tompoko”. Izany dia porofo mazava avy amin’ny Tomponareo sy tari-dàlana ary famindram-pò ho an’ny vahoaka mino.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِذَا قُرِئَ ٱلۡقُرۡءَانُ فَٱسۡتَمِعُواْ لَهُۥ وَأَنصِتُواْ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Ary rehefa vakiana ny Kor’any dia mihainoa tsara ianareo ary hajao ny fahanginana, angamba hahazo ny famindram-po ianareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱذۡكُر رَّبَّكَ فِي نَفۡسِكَ تَضَرُّعٗا وَخِيفَةٗ وَدُونَ ٱلۡجَهۡرِ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ بِٱلۡغُدُوِّ وَٱلۡأٓصَالِ وَلَا تَكُن مِّنَ ٱلۡغَٰفِلِينَ
Ary tsarovy ny Tomponao ao amin’ny tenanao, amim-panetre-tena sy amim-patahorana, ary tsy amin’ny feo avo, amin’ny maraina sy hariva, ary aoka ianao tsy anisan’ireo variana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ عِندَ رَبِّكَ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ عَنۡ عِبَادَتِهِۦ وَيُسَبِّحُونَهُۥ وَلَهُۥ يَسۡجُدُونَۤ۩
Marina fa ireo izay anatrehan’ny Tomponao (ireo Anjely) dia tsy manambony tena amin’ny fanompoana Azy. Ary midera ny voninahiny sy miankohoka Aminy izy ireo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አል-አዕራፍ
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረቦዋ የዳዋ ማህበር እና ከ እስላማዊ ይዘት አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተረጎመ።

መዝጋት