Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ত্বা-হা   আয়াত:
إِذۡ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰٓ أُمِّكَ مَا يُوحَىٰٓ
Rehefa nolazainay tamin’ny Reninao izay tokony nambara Azy:
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَنِ ٱقۡذِفِيهِ فِي ٱلتَّابُوتِ فَٱقۡذِفِيهِ فِي ٱلۡيَمِّ فَلۡيُلۡقِهِ ٱلۡيَمُّ بِٱلسَّاحِلِ يَأۡخُذۡهُ عَدُوّٞ لِّي وَعَدُوّٞ لَّهُۥۚ وَأَلۡقَيۡتُ عَلَيۡكَ مَحَبَّةٗ مِّنِّي وَلِتُصۡنَعَ عَلَىٰ عَيۡنِيٓ
“Ataovy anaty vatakely Izy, dia alefaso eny ambony rano mba ho entin’ny riaka eny an-tsisiny. Ka hisy fahavaloko sy fahavalony handray Azy. Ary nandrotsahako fitiavana avy Amiko Ianao mba hobeazina eo ambany masoko.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذۡ تَمۡشِيٓ أُخۡتُكَ فَتَقُولُ هَلۡ أَدُلُّكُمۡ عَلَىٰ مَن يَكۡفُلُهُۥۖ فَرَجَعۡنَٰكَ إِلَىٰٓ أُمِّكَ كَيۡ تَقَرَّ عَيۡنُهَا وَلَا تَحۡزَنَۚ وَقَتَلۡتَ نَفۡسٗا فَنَجَّيۡنَٰكَ مِنَ ٱلۡغَمِّ وَفَتَنَّٰكَ فُتُونٗاۚ فَلَبِثۡتَ سِنِينَ فِيٓ أَهۡلِ مَدۡيَنَ ثُمَّ جِئۡتَ عَلَىٰ قَدَرٖ يَٰمُوسَىٰ
Ary tonga (nandalo) teo ny Anabavinao, ka niteny nanao hoe : “ Moa ve azoko atao ny manondro Olona ho Anareo hikarakara Azy ? ”. Dia naverinay tamin’ny Reninao Ianao, mba hampifaly ny masony, ka tsy halahelo intsony izy. Namono Olona Ianao, nefa navotanay tamin’ny tahotra izay nanangeja Anao; ary nosedrainay fitsapana maro Ianao. Ka nonina taona maro niaraka tamin’ny mponin’i Madina Ianao. Avy eo dia tonga ianao, araka ny didy efa voafetra, ô ry Mosa !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱصۡطَنَعۡتُكَ لِنَفۡسِي
Efa nofidiko ho Ahy Ianao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱذۡهَبۡ أَنتَ وَأَخُوكَ بِـَٔايَٰتِي وَلَا تَنِيَا فِي ذِكۡرِي
Koa mandehana Ianao sy ny Rahalahinao, miaraka amin’ny fahagagana avy Amiko; ary aza atao tsirambina ny fahatsiarovana Ahy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱذۡهَبَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ
Mandehana any amin’i Faraona Ianareo, fa tena nihoa-pefy Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَقُولَا لَهُۥ قَوۡلٗا لَّيِّنٗا لَّعَلَّهُۥ يَتَذَكَّرُ أَوۡ يَخۡشَىٰ
Dia miresaha Aminy am-pahendrena Ianareo roa. Angamba ahatsiaro tena izy na hatahotra (Ahy)
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَا رَبَّنَآ إِنَّنَا نَخَافُ أَن يَفۡرُطَ عَلَيۡنَآ أَوۡ أَن يَطۡغَىٰ
Niteny izy Roa ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tena matahotra ny hampijaliany Izahay, na ny hanaovany ratsy tafahoatra Aminay ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ لَا تَخَافَآۖ إِنَّنِي مَعَكُمَآ أَسۡمَعُ وَأَرَىٰ
Niteny (i Allah) hoe : “ Aza matahotra ianareo, fa Izaho dia miaraka aminareo hatrany, mandre sy mahita”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأۡتِيَاهُ فَقُولَآ إِنَّا رَسُولَا رَبِّكَ فَأَرۡسِلۡ مَعَنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ وَلَا تُعَذِّبۡهُمۡۖ قَدۡ جِئۡنَٰكَ بِـَٔايَةٖ مِّن رَّبِّكَۖ وَٱلسَّلَٰمُ عَلَىٰ مَنِ ٱتَّبَعَ ٱلۡهُدَىٰٓ
Mandehana any aminy ianareo, ary teneno (izy) hoe : “Izahay dia Iraky ny Tomponao. koa alefaso miaraka aminay ireo Zanak’Israely, fa aza ampijaliana intsony. Tonga eto aminao izahay miaraka amin’ny porofo avy amin’ny Tomponao. Ary ny fiadanana anie ho an’izay manaraka ny làla-mahitsy”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّا قَدۡ أُوحِيَ إِلَيۡنَآ أَنَّ ٱلۡعَذَابَ عَلَىٰ مَن كَذَّبَ وَتَوَلَّىٰ
Efa nahazo fanambarana Izahay fa, ny famaizana dia natao ho an’ireo izay milaza lainga (ny finoana) sy mitodi-damosina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ فَمَن رَّبُّكُمَا يَٰمُوسَىٰ
Niteny Izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Iza àry no Tomponareo ry Mosa ? ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ رَبُّنَا ٱلَّذِيٓ أَعۡطَىٰ كُلَّ شَيۡءٍ خَلۡقَهُۥ ثُمَّ هَدَىٰ
Niteny Izy (Mosa) : “ Ny Tomponay, dia ilay nanome endrika ny zavatra tsirairay, avy eo dia nitari-dàlana Azy Izy ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ فَمَا بَالُ ٱلۡقُرُونِ ٱلۡأُولَىٰ
Niteny Izy (Faraona) nanao hoe : “ Ka ahoana àry ireo taranaka teo aloha ? ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ত্বা-হা
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ